Trinitera Malagasy
NOELY

NOELY

Njara Pascal Comments 0 Comment

Zaza teraka ao anaty alim-be no fahazavana ho an’izao tontolo izao.

Arahaba nahatratra ny Noely. 

Misy lamesa efatra ny fankalazana ny Noely ka ireto avy ny vakiteny amin’ireo lamesa ireo :

  • Lamesa hariva (24) : Iz 62, 1-6 / Sal 88 / Asa 13, 16-17.22-25 / Mt 1, 1-25
  • Lamesa misasakalina (24) : Iz 9, 1-9 / Sal 95 / Tit 2, 11-14 / Lk 2, 1-14
  • Lamesa maraina : Iz 62, 11-12 / Sal 96 / Tit 3, 4-7 / Lk 2, 15-20
  • Lamesa atoandro : Iz 52, 7-10 / Sal 97 / Heb 1, 1-6 / Jn 1, 1-18

Ho fety loharanon-kafaliana hiboiboika ho antsika anie ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpamonjy antsika.

“Afaka manomana sy mikarakara fety isika, saingy tsy voatery ho loharanon-kafaliana izany… tsy afa-misaraka amin’ny tena fety anefa ny hafaliana, na dia mijanona ho fanomezana mandrakariva aza izy, saingy fanomezana efa nomena antsika tamin’ny hafenoany, ary sitrak’Andriamanitra hiboiboika lalan-dava ao am-pontsika” (Papa Benoit XVI). I Md Paoly milaza amintsika fa vokatry ny Fanahy ny tena hafaliana, ary tsy afa-misaraka amin’ny hasambarana izay vokatry ny fihavanantsika amin’Andriamanitra, amin’ny hafa ary amin’ny tenantsika. Ny mampiavaka ny hafaliana dia izy tsy mba azo tazonina ho an’ny tena samirery. Ny Fiangonana, araka izany, amin’ny maha-misionera azy dia voairaka hampiely ny hafaliana noraisiny…

Fetin’ny hazavana ny noely. Ny hazavana no teny voalohany lazain’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Misia ny hazavana, ary dia Izy no hazavana ka izay mino azy dia mandray ny hazavany (Evanjely Lamesa atoandro). Tsy haharesy ny hazavana na oviana na oviana ny hakitroky ny haizina. 

Amin’izao ankatroky ny Noely izao ary, dinihontsika ny hafatr’i Paoly milazalaza amintsika ny toe-piainana tokony hankalazantsika ny Noely: “mba hananana toetr’olona hahalala onony, marina, tia vavaka, velomin’ny fanantenana… sady fatra-pitia ny soa rehetra” (Tit 2, 11-14, Vakiteny II alina). Tsy herin’ny finiavan’olombelona anefa izany fa fitiavana maimaim-poana sy loharanom-pamonjena avy amin’Andrimanitra. Ary matoa isika no voavonjy dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana ataontsika fa noho ny famindram-pony (Vak II lamesa maraina). 

Izany no lazain’Izaia Mpampinany hoe izay tarafin’ny hazavan’ilay zaza teraka ho antsika dia handoro ny fitaovam-piadiana sy izay mety ho reharehan’ny mpiantafika, ka hahatsiaro ny fandresen’i Josoe tany Madiana (vakio Boky Mpitsara 7-8), tsy hiantehitra amin’ny herin’ny tafika na ny tanjaky ny olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra irery ihany. 

Ny hafaliana ambaran’ny Evanjely (Lk 2, 1-14) dia mampandinika antsika ny amin’ny anjara toerana omentsika ilay “zaza teraka ho antsika”, famataram-pamonjena ho antsika… Meteza isika ho eo amin’ny toeran’ny Mpiandry ondry, handao ny ondry amin’ny andro alina, handeha hitsaoka zazakely mifono lamban-jaza eo ambonin’ny fihinanam-bilona: finoana izany!

Lazain’i Md Lioka fa tsy nisy toerana teo amin’ny tranom-bahiny, katalumà amin’ny grika. Tsy hotely fandraisam-bahiny anefa io (pandocheion no ampiasain’i Md Lioka hilazana izany ao amin’ny 10,34). Ary heveriko fa matoa io katalumà io no ampiasainy indray, tahaka ny ao amin’i Md Marka 14,14 hilazana ny toerana nankalazany ny Paka farany niaraka tamin’ny Mpianatra, namoronany ny Eokaristia, dia midika iznay fa izy no ilay nanaiky ho vilo-maintso ho an’ny ondriny (Salamo 22), hatramin’ny fahaterahana, ary zary mofon’ny fiainana ho an’izay mandray Azy ho fahazavana. 

Ny mpiandry ondry no nofidian’Andriamanitra hisehoana voalohany, tsy hoe mahantra loatra, fa noho izy ireo olona tsy mba nitokisan’olona loatra satria mpametsifetsy sy mpanimba zavatr’olona, mampitondraka amin’ny volin’olona… Sokajin’olona mahantra am-panahy izany ireo, mpanota fanondro molotra ary tsy mifandray loatra amin’ny fiaraha-monina satria mifindrafindra toerana koa. Ho an’ny sarambabe dia efa very mbola velona any amin’ny afobe izy ireo. Soa ihany fa tsy ny fitsaran’ny olona no hahavonjy ary ambaran’i Md Lioka fa  izy ireny indrindra no anehoan’Andriamanitra ny halehibeazan’ny voninahiny. 

Noely ny andro rehefa tsapantsika fa miara-monina amintsika Andriamanitra, ary vonona handray na dia ny Mpiandry ondry, mpanota aza. Tsy misy olom-bery eo anatrehany. Tonga ho mpanjaka izy, hampitombo hafaliana ny vahoaka. Amin’ny fomba fametrahana Mpanjaka dia misy anaram-boninahitra dimy omena ny mpanjaka vaovao. Izy no mpanjakantsika: mpanolotsaina mahagaga, izy no manoro antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana; Andriamanitra tompon’ny hery: izy no manome antsika ny hery hanatontosana ny sitrapony hahasambatra antsika; Ray mandrakizay, ka hitsimbina antsika tsy noho ny fahamendrehantsika fa noho ny fitiavany; Andrian’ny Fiadanana satria izy no fiadanantsika, ny fiadananay no omeny antsika (Vak I Alina), fa izy ihany koa no ilay Emanoela (Izaia 7,14), Andriamanitra miara-monina amintsika. 

Tsy hataontsika an-tsirambina ary ny fivoriantsika amin’ny anarany satria izay no sakramenta manambara ny fisiany eo anivontsika: na aiza na aiza hivondronan’ny olona roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoan’izy ireo aho. Ka na dia ao anatin’ny fahoriana sy ny fangirifiriana aza (tsy fisiana, aretina…) no ankalazan’ny sasany ny Noely, dia tsy hanesotra ny hafaliana fonosiny izany, satria mino isika fa ho fiombonana amin’ny fahoriantsika no naneken’ilay Mpamonjy vao teraka hisafidy ny tranon’omby.

Izy ilay nanaiky hifono lamban-jaza hisolo ny vilona ho sakafon’ny omby sy ny ampondra anie, hanampy antsika hahatsapa ny hasin’ny Eokaristia, vilo-maintso (Sal 22) entiny hamelomana antsika ho amin’ny hafaliana mendrika ny maha-kristianina antsika.

Mirary Krismasy sambatra. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
26 desambra: Md Etienne
PREVIOUS
24 desambra

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.