Alakamisy faharoa mandavan-taona
Nanatona an’i Joany ny avy any Jodea sy ny avy any Jerosalema rehetra mba hataony batemy (Mk 1,5). Fa rehefa milaza ny mpanaraka an’i Jesoa kosa i Marka dia tsy ireo ihany fa na ny avy any Idomea, Tira sy Sidôna…
Nanatona an’i Joany ny avy any Jodea sy ny avy any Jerosalema rehetra mba hataony batemy (Mk 1,5). Fa rehefa milaza ny mpanaraka an’i Jesoa kosa i Marka dia tsy ireo ihany fa na ny avy any Idomea, Tira sy Sidôna…
Mitohy ihany ny fampianarana ataon’i Jesoa mikasika ny Sabata.Omaly izy niaro ny mpianany nioty salohim-bary tamin’ny andro sabata. Anio kosa nisy olona iray, tsy fantatra anarana, tsy izany manko no zava-dehibe fa ny maha olona azy, maty tanana ranamana ka…
Mankamasina ny andro alahady, mivavaha fa aza miasa. Izay no nandikàna ny andinin’ny Teny Folo milaza hoe: Tsarovy ny andro sabata mba hanamasinanao azy, ho fahatsiarovana ny fitsaharan’Andriamanitra nahita fa vitany tsara avokoa ny zavaboary ka nitso-drano ny Sabata (Eks…
Moa mahazo mifady ve ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Teo amin’i Israely dia fahazarana ny mifady hanina sy mivavaka, indrindra amin’ny fanomanana fety sy amin’ny fiandrasana trangan-javatra manan-danja, na amin’ny fiomanana handray andraikitra manokana. Mivavaka ary…
I Kristy no ilay famantarana manambara ny fitiavan’ny Ray ary ny hahasambatra antsika no Sitrak’Andriamanitra. Manohy ny famakivakiana ny andavanandrom-piainana isika amin’ny fankalazana ny Paka isan-kerinandro, amin’ny fandinihana manokana sy amin’ny fankalazana ny halehibeazan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika ho amin’ny…
Tsy ny finaritra no mila mpitsabo fa ny marary: tsy tonga hiantso ny olomarina aho fa ny mpanota. Sarotra ny mahita izay endrik’i Jesoa miara-misakafo amin’ny mpanota izay, indrindra rehefa mahazo laka ka mibahana ao an-tsaina ny fiheverana fa avy…
Voavela ny helokao. Tsy zakan’izay mieritreritra fa ezaky ny olona no hahafahana manamasina ny tena ka hahazoana ny fanjakan’Andriamanitra ny fandrenesana fa olona izay tsy manao na inona na inona, kilemaina matory fotsiny dia ho voavela heloka. Niverina tao Kafarnaôma…
Ndeha isika ho any amin’ny tany hafa koa mba hitory any fa izany no nivoahako. Izy no ilay Teny mivoaka avy amin’ny Ray ka tsy miverina raha tsy mahatanteraka izay nanirahana Azy, tsy miverina raha tsy efa voatory ny Evanjely….
Toerana natao hiombonana sy hiderana an’Andriamanitra ny Sinagôga, ny Fiangonana. Indraindray anefa na ny Tenin’Andriamanitra aza, tsy manan-kery intsony hitondra fahafahana sy fiainam-baovao ho an’izay mihaino azy. Tsy hoe lefy ny heriny, fa ny fahavononana handray azy sy hanaiky hovàny…
Rehefa avy niantso ny mpianatra ho tonga mpanarato olona i Jesoa dia azo lazaina hoe tonga niorim-ponenana tao Kafarnaôma mihitsy (Mt 9,1), ny tranon’i Piera no zary ambohi-pihaonana. Izay te ho mpianany koa dia tsy maintsy mandray Azy ao an-tranony,…