Trinitera Malagasy
Sabotsy faha 16 mandavan-taona

Sabotsy faha 16 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Jeremia 7,1-11/Salamo 83
  • Tsy ankasa: Eksaody 24,2-8 /Salamo 49
  • Md Matio 13,24-30

Namaky loha ny olona hatramin’izay ka hatramin’izao ny fisian’ny ahi-dratsy maniry eo amin’ny tanimboly namafazan’Andriamanitra ny voa tsara. Avy aiza ny ratsy ary nahoana no toa mahomby kokoa ny mpanao ratsy noho izay mitandrina ny lalàna (Sal 73)? Mandra-piteraky ny vary anefa dia tsy voaavaky ny masontsika ny vary sy ny tsiparifary. Impiry isika no maheno olona mimenomenona amin’ny tsy nampoizina: “ny voany no hahalalana ny hazo”, hoy i Jesoa (Mt 12,33), kanefa koa hoy Izy hoe “avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana”.

Ny ohatra noraisin’i Jesoa momba ny ahi-dratsy (izay hita ao amin’i Md Matio irery ihany) dia manambara amintsika fa tsy ravindraviny ivelany fotsiny ny ratsy fa mamàka ao am-pon’ny tsirairay sy eo amin’ny seha-piainan’ny mpiara-belona. Tsy ny hanongotra azy no iantsoan’i Jesoa antsika, raràny aza izany. Tiantsika ny hanana fo madio, hitoetra amin’ny fiaraha-monina tsy misy hosoka, tsy misy hokianina, kanefa tsy hiavaka eo imasontsika ny fahasamihafàn’ny vary sy ny tsiparifary raha tsy amin’ny famoazana,  ka izay mety ho “herisetra” hanongotra ny ahi-dratsy, na dia tsara aza ny tanjona, dia hisy fiantraikany amin’ny voa tsara mandrakariva, mifanohitra amin’ny fahafahan’ny tsirairay, ka mety hitera-doza goavana aza indraindray.

Tsy Andriamanitra no mamafy ny ratsy fa ny fahavalo, kanefa kosa manainga izay rehetra mino azy ka manaiky ho zanany Izy mba hanam-paharetana toa Azy satria amin’ny fotoana fijinjana dia ny voa tsara ihany no hangonina any an-tsompitra. Tsy faharesen’ny tsara tsy akory ny fisian’ny ratsy fa vao mainka aza manandratra azy sy manome sehatra hahafahany mampiharihary ny hasarobidin’ny fitiavana izay manasoa ny rehetra, mampiposaka ny masoandro sy mandrotsaka ny ranonorana na ho an’ny voa tsara io na ho an’ny ahi-dratsy (Mt 5,45.48). Tsy valisoan’ny hatsaram-panahintsika manko ny fahasoavan’Andriamanitra fa setrin’ny fitiavany maimaim-poana kosa. Ao amin’izay maha be ny fahotana no mampiavosa ny fahasoavana aza, hoy i Md Paoly (Rm 5,20).

Mbola hiverenantsika moa ity amin’ny herinandro rehefa milaza mikasika ny ahi-dratsy hodorana. Ao amintsika tsirairay avy ireo ahi-dratsy hodorana ireo, ary ao amintsika tsirairay avy koa ny voa tsara.

Tsy misy afa-tsy ny fikolokoloantsika ny voa tsara no hahafahana mandresy ny ratsy. Aza manaiky ho resin’ny ratsy, hoy i Md Paoly fa reseo amin’ny soa ny ratsy (Rm 12,21). Ho mpamindra fo tahaka ny Raintsika anie isika ka hahalefitra tsy hanongotra ny ahi-dratsy fa hikolokolo kosa ny voa tsaran’ny fitiavana sy ny famindram-po.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA 17 MANDAVAN-TAONA – Taona B
PREVIOUS
Zoma faha 16 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy fahadimy mandavan-taona 12 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.