Madagascar

Madagascar

TANTARA INDRAY MIJERY

Misiôna Trinitera voalohany teto Madagasika

Valopolo taona lasa

Tanara nosoratan’i Frère Pierre Andriamahita, OSsT

Ny aina nafoiny sy ny fijaliana niaretan’izy ireny anie hiteny amin’ny zanak’ity Nosy ity sy hahazary azy ho tany lonaka hitondra vokatra ho amin’ny Fanitarana nyfanjakan’ny lanitra

Noraisin’i Md Jean Matha ho tarigetram-piainana tokoa ny Fiarovana ny finoana kristianina sy ny fampielezana izany amin’ny alàlan’ny herin’ny Fitiavana. Ny fanafahana tena marina dia ny mamerina amin’ny olombelona rehetra ilay «endrik’Andriamanitra» nohamavoina noho ny fahotana. Ny voninahitr’Andriamanitra dia ny olombelona afaka amin’ny geja mamatotra azy, hoy i Md Irénée (cf. Rm 8, 21). Ny Evanjely ambonin’ny zavatra rehetra ; izany hevitra izany no masaka tao am-pon’i Md Jean de Matha ary nolovain’ireo zanany taty aoriana. Tsy isalasalana, noho izany fa « misionera » hatrany am-piandohana ny Fikambanana trinitera Tsy mamela hitoe-poana tokoa ny fitiavana fa manosika mandrakariva hampita izay noraisina amin’ny hafa eny hatrany am-paravazan-tany. Io Evanjely io tokoa manko no loharano tovozin-tsy ritra anavaozana ilay herim-po tsy resin’ny sarotra amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra :

« Mihirà fihiram-baovao ho an’Iaveh
Fa nanao zava-magaga izy
Ny tanany an-kavanana sy ny sandriny masina 
no nahazoany ny fandresena »(Sal. 97, 1).

Aoka isika hifaly sy hanome vononahitra an’Andriamanitra Trinité Masina noho ny zavamahagaga nataony teto amintsyha noho ireto Relijiozy Trinitera namaky lay taty amintsika ; ny voa nafafin’izy ireny anie tsy ho raraka aman-tany fa hitondra vokatra ho antsika ankehitriny ihany koa.

Raha ny fizotran’ny tantara tokoa manko no arahina dia hita ho nanamarika an’i Md. Jean Matha tokoa ity Kontinanta afrikana ity efa valonjato taona lasa izay ka dia navelany holovàn’ireo zandriny. Rehefa tapitra tokoa, ny anjaran’ireo Misionera niasa tany  Bénadir ( Afrika : 1904 – 1924 ) tokoa  manko ireo dia  nitodi-doha

taty Madagasikara ny Fikambanana Trinitera ; tsy vitsy no nanakivy tamin’izany satria kely ity Nosy malalantsika ity ka zara raha tsikaritr’izao tontolo izao akory ny fisiany teo anivon’ny ranomasina (Océan Indien) Izay tia anefa dia mahatsikaritra indrindra ny fisian’izay kely sy madinika. Ny fitiavan’Andriamanitra Trinite Masina tokoa no mampirehitra ny fon’ireo zanak’i Md. Jean de Matha ka nanosika ary ireo hitondra ny Evanjelin’ny Fahafahana hatrety amintsika 80 taona lasa izay.

A- Ny dian’ireo Misiônera Trinitera voalohany sy ny Faha-tongavan’izy ireo teto

Valopolo taona lasa tokoa izay…Relijiozy trinitera dimy mirahalahy, niaraka sy niampy an’ P. Jeneraly izy ireo tamin’izay tamin’izay. Rv. P. SAVERIO Pellèrin, Mompera Jeneralin’ny Fikambanana ihany koa no niara-niondrana an-tsabo tamin’izy ireo ho any amin’izay nosy zara raha fantatra izay ; Rehefa namakivaky ny ranomasina nandritra ny 42 andro dia nigadona tao Toamasina ny 2 Aogositra 1926. « Tsy mba safotry ny ranobe tokoa ny fitiavana » fa na teo aza ny saotra dia noresen’izy ireo fa satriny ny hampita ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny olona rehera. Tsy iza ireo Mpamaky lay fa ry :

-Mompera Benedetto Di Caro : 50 taona ary efa niasa 15 taona tany Afrika (Benadir : ex- Somalie ankehitriny) ary voatendry ho «Supérieur»n’ny Misiôna.

-Mompera VALERIANO Di Santa Cecilia : 35 taona ; nandritra ny ady lehibe voalohany no nipoiran’ny Fiantsoan’Andriamanitra azy ho Trinitera.

-Mompera Joseph Di Donna : 25 taona ilay ho lasa « Serviteur de Dieu » aty aoriana rehefa voatendry indray ho Evekan’i Andria (Italie)

-Frera Pacifico del Bambino Gesù : 50 Taona ary efa nisa tany Bénadir.

-Frera Loretto Salviati di Santa Catarina : 26 taona ary vao novisy ka tao Miarinarivo no nanaovany Voady volohany tamin’ny 15 Mars 1927.

Ny Finoana syny Fiantsoan’Andriamanitra nekena dia mitaky adidy. Dia adidy mifanarana amin’izany fanomezam-pahasoavana izany. Famaliana izany adidy masina izany no nanosika ny Fikambanana trinitera hisokatra amin’ny tany mbola miandry «fitoriana ny Evanjely ». Isan’ny nahazo tombom-pitiavana tamin’izany i Madagasikara. 

Ny 21 Jiona 1926 izy ireo, niaraka tamin’i P. Jeneraly (P. Severiano Pèllerin izay efa 68 taona tamin’izay), no niondrana an-tsambo ary niainga avy tao Marseille (France). Fa mba tian’i Mompera Jeneraly ny hankahery ireto rahalahiny ka dia niriny ny hifampizara ny mamy sy ny mangidy tamin’izy ireo taty amin’ny tanin’ny « Misiôna ».

Tamim-pitiavana tokoa no nandraisan’i Mgr De Saune, Vicaire apostolika teto tamin’izay, ireto misionera vaovao tonga teto Antananarivo. Dia nankininy tamin’ny Trinitera ny faritr’i Miarinarivo (19 000 Km2) ; ary tao amin’ny mponina miisa 78 000 dia 7 500 ihany no vita batemy tamin’izay fotoana izay. Milaza izany fa tsy kely ary tsy mora ny asa tsy maintsy hatao. Nomba azy ireo kosa anefa ny tso-dranon’Andriamanitra ; manaporofo izany ny firoboroboan’ny asa apostolika nosahanin’izy ireo. Hevitra telo sosona no mamintina ny tsiambaratelon’izany fahombiazana izany :

1)- Ny fitiavana nampirehitra ny hafanam-pon’ireo Misionera voalohany ireo.

2)- Ny Finoana sy ny vavak’ireo Mpiray Fikambanana aminy tamin’izay samy nanoha ny Misiôna.

3)- Relijiozy vonona, vontom-pinoana ary manana fiainam-panahy lalina.

Saingy tsy ela dia tonga sahady ny fisedrana ; voan’ny tazo mahery hatrany am-pamakivakiana ny ranomasina mena i P. Jeneraly ary tao amin’ny tongony dia naniry vay izay tena nampanaintaina azy fatratra ka na ny manao Lamesa aza izy dia voatery mipetraka. Niara-niaina tamin’izy dimy mirahalahy fotoana vitsivitsy dia voatery naverina tany Roma tamin’ny 20 Octobre 1926.

Ny 2 Aogositra izy ireo no tonga tao Toamasina. I Mompera Eckar, lehiben-dry Mompera Zezoita tonga taloha teto no nitsena azy ireo. Nandray ny Fiaran-dalam-by, ary naharitra 14 ora ny dia ary tonga tao Antananarivo ny 7 Aogositra 1926. Toa izao no tenin’i Mgr De Saune raha naneho ireto Misiônera vao tonga tamin’ny Pretra nivory tao Andohalo :

« Fotoam-pahasoavana tokoa ity fotoana ity satria raha 60 taona monja no nitoriana ny Evanjely teto dia efa nahazoana Kristianina 3.000 (Telo arivo) tamin’ny Mponina 3.500.00. Antenaina fa mbola hitombo bebe kokoa hatrany izany amin’ireto Misionera Trinitera vao tonga hanampy antsika ihany koa ».

B-Asa nilofosana. 

Mazava ho azy fa tsy maintsy niezaka hahafantatra lalina vao nirotraka amim-pahendrena.

Herinandro tao aorian’ny fahatongavana, ny 14 sy 17 Aogositra 1926 dia nitodi-doha hiankandrefana ho any Miarinarivo ireto Misionera. Efa niandry azy ireo tao i Mompera Régis Royon, Lehiben’ny Misionera niasa tany amin’ny faritr’Itasy.

Samy nitoby tao Miarinarivo izy dimy mirahalahy niaraka tamin’i P. Jeneraly nandritra ny telo volana. Ankohonam-piainam-pirahalahy Mivavaka, Mandinika ary Miasa. Tamin’izany no nikarohan’izy ireo ny lalana hahalalana ny fomba amam-panaontsika (Teny, toetra….) mba hahamatotra ny fitoriana ny Evanjely. Vokatr izany dia notsinjaraina ho roa ekipa toa izao ny asa sy ny asa fitoriana ny Evanjely.

– Mompera Benedetto di Caro niaraka tamin’i Mompera Di Donna sy ireo Frera (Coadguteurs) roalahy nijanona hiasa tao Miarinarivo.

– Mompera Severiano kosa nanankinana an’ny Soavinandriana (53 Km Atsimo andrefan’ny Miarinarivo).

D- Fivelaran’ny Asa Fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra ; Fitsapana nanaraka ihany koa. 

Azo fintinina toa izao ny asa nimasoan’izy ireo :

– Fanetsiketsehana ny Fiangonana manodidina amin’ny alàlan’ny famangiana sy fanofanana ireo Katesista.

– Ireo Frera Coadguteurs kosa dia niezaka hampiasa ny talentany tamin’ny asa tanana sy fanorenana trano fiofanana sy Fiangonana, ary Sekoly.

Teo ny hafanam-po ; saingy mbola nandalo fisedrana indray.

– Ny 6 Janoary 1926 dia may kilan’ny afo ny Fiangonan’i Miarinarivo. Izany dia niainga avy tao amin’ny Tranon’omby (Noely) ka ny Sakramenta masina ihany no voaavotra !

– Efa voan’ny tazo mahery i Mompera Valeriano, ilay tena navitrika indrindra ary nanankinana an’i Soavinandriana. Nefa noho ny fitiavana dia namonjy marary tany amin’ny 20 Km avy tao Soavinandriana ihany. Vokatr’izany dia niombo ny aretina ka nitondra azy tany amin’ny fahafatesana ny 15 Avril 1929, raha mbola 37 taona monja.

Toa izao ny tenin’i Mgr Foucadier tao amin’ny toriteny fanaovam-beloma azy teo am-pandevenana :

« Aza miandry na mangataka sisan-taolan’olomasina any Roma intsony ianareo ; indro eto anatrehantsika misy Olomasina… »

I Mompera Jeneraly kosa dia nilaza izao manaraka izao :

« Izy no nantenaina indrindra noho ireo talenta nananany saingy hafa ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Sitrapon’Izy Tompo anie no ho tanteraka ! » 

Eny tsy azo isalasalana fa matin’ny hafanam-po hamonjy ny hafa tokoa ity Misionera Trinitera ity ; ampy ahalalàna izany fa mifidy izay tiany hitondra ny hafany tokoa ny Tompo.

E- Ny voa nafafy tsy maintsy maty. 

Maty am-perin’asa i Mompera Valeriano nefa ny asany nitohy nandrobona sy nitondra votraka hatrany. Tsara hotsiahivina fa tsy maintsy niatrika olana maro ireto Misionera ireto : teo ny mbola mahavaovao ka ianarana ny zavatra rehetra ; teo ihany koa ny disadisa ara-diplomatika teo amin’i Frantsa sy Italia. Nisy akony tamin’ireto Misionera ireto izany nataon’ireo Mpiasam-panjakana iraky ny frantsay mihitsy izay nanasarotra ny asan’ireto Misionera vaovao ; matetika ireny Chef de Canton ireny no miditra an-keriny  ao am-piangonana aza ; ny Kristianina mbola mivavaka dia avoakany hihaino ny kabarim-pandaminana asa.

Tsy azo sakanana anefa ny asan’Andriamanitra ka dia nifanesy ireo Relijiozy Trinitera tonga nanamafy orina an’izay efa natomboka : 

-I Mompera Gregoire Petracca sy i Fr. Emmanuel Burnneto (tonga tamin’ny 13 Octobre 1928) ary samy Trinitera no voairaka handimby an’i Mompera Valeriano tany Soavinandriana. Nandritra izay roa taona izay tokoa manko dia efa hita ny vokatry ny hatsembohan’ireto Missionera voalohany. Fa raha niisa ho 36 no isan’ireo zana-piangonanna tamin’ny fanombohan’ny asa dia efa tonga ho 70 izany tamin’izao nahalasanan’i Mompera Valeriano izao. 

– Ny 28 Febroary 1930 dia tonga ry Mompera Angelo Romano ary nankinina taminy ny ny asa fitoriana ny Evanjely tany andrefana kokoa (Tsiroanomandidy). Tao aoriana kely dia tonga kosa ireo Trinitera avy any Espagne hanamafy orina ihany koa izay efa natomboka. Tamin’ny 12 Décembre 1931 dia tonga ry Mompera Angelo Martinez sy P. Alexandre Abasolo ary nanamasaka indrindra ny faritra andrefana (Tsiroanomandidy). Ny Fitoriana ny Evanjely no nimasoan’izy ireo ; na teo aza ny sitrapo te-hanofana Relijiozy Trinitera teratany dia hita ho tsy mora izany ; efa tsy nanana fotoana hiheverany ny tenany intsony ireto Misionera. Ny ekipa hafa dia nanaraka tamin’ny vola septambra 1936 izay nahitana an-dry mompera Carlo Carbonara (Italiana) sy mompera Pierre Arriortùa.

Ny fahatsapan’i Mompera Jeneraly ny asa lehibe nataon-dry Masera Trinitaires de Valence tany Afrika Avaratra ihany koa no nangatahany azy ireo hanabe voho ny Misiona trinitera vao niorina teo Madagasikara. Tanteraka io faniriana io satria ny 11 Septambra 1928 dia tonga tao Mirarinarivo ry Masera isany : Sr Marie Eudossie Robert, Sr. Marie Françoise Dussert, Sr. Alberte Avieux niaraka tamin’i Mamera lehibe lefitra ( Mère Marie de Saint Paul) ; volana vitsivitsy dia nanaraka ihany koa ry Mamera Marthe Marie Ferrier (Mère Jereraly vaovao tamin’izay) sy Sr. Marie Auguste Hilaire.

Apostoly tsy mahalala sasatra tokoa ireto misionera Mpamaky lay ireto. Ny fahadisoan’izy ireo hoy Mgr Fourcadier, dia izy ireo tsy mitsitsy aina na tsy mba mihevitra izay mba fahasalamany akory.

F-Eritreritra hamoazam-pandinihana. 

Tsy azo sakanana ny asan’Andriamanitra indrindra ny asa fampielezana ny Finoana sy ny famelomana azy. Ny Fitiavana notohanan’ny Finoana niainana isan’andro ny tsiambaratelon’ny herim-po sy finiavana nasehon’ireo Trinitera voalohany tonga teto Madagasikara. Olombelona manana ny fetrany izy ireo nefa nentanin’ny Fanahy ka nihoatra izany fetra izany. 

Na tsy àry hain’izy ireo daholo aza ny teny sy ny fomba amam-panoantsika malagasy dia tsy nahasakana ny hafatra tsy ho hahakasika ny fo maro ka nanaiky hatao batemy sy ho isan’ny Fianakavian’Andriamanitra. Fa hafa tokoa manko ny fombam-pitenenana araka ny Fanahy.

Valopolo taona nilofosana hitory ny Evanjely teto amintsika ireo Trinitera. Azo inoana fa efa sambatra any an-danitra any ireo Mpamaky lay izay nizaka fijaliana sy fitsapana maro noho ny Evanjely. Mba ho Zanaka mahay mankasitraka kosa anie ny Zanak’ity Nosy ity. Ka ny fahatsiarony an’ireo tsy nitandro hasasarana noho ny Evanjely hanampy azy ireo handrindra ny fiainana hifanaraka amin’ny Evanjely.

P. Pierre ANDRIAMAHITA (O.ss.t)

Pergamena 2: Hiteram-bokan-tsoa ho antsika Fianakaviam-be Trinitera anie izao « Fivahinianana Masina » ataontsika ho fankalazana ny faha-80 Taona nahatongava ireo Misionera voalohany teto amin’ny Nosintsika izao, homban’ny fiarovan’i Masina Maria Notre Dame du Bon Remède.

Dia samia hotahian’Andriamanitra Trinite Masina e !