Trinitera Malagasy
26 desambra: Md Etienne

26 desambra: Md Etienne

Njara Pascal Comments 0 Comment

Asa 6, 8-10; 7, 54-59/ Sal 30 /Md Matio 10, 17-22

Omaly (25 desambra) ny Eglizy nankalaza ny Noely, miankanjo fotsy marevaka, dia anio kosa mianjaika ny akanjo mena, manambara ny martiry, ilay martiry voalohany. Tsy afa-misaraka tokoa manko ny fankalazana ny Noely sy ny fiainana araka ny Evanjely, izay hazavain’ny Fandresen’ny Paka, na dia eo aza ny adim-piainana atrehina isan’andro. 

Ny fifandraisan’ny Noely sy ny Paka no hahafahantsika mahazo ny antony nampidirana ny fetin’i Md Etienne anio, mampahatsiaro antsika fa ny fanarahan-dia ilay zazakely vao teraka dia fanolorana ny fiainana manontolo ho vavolombelon’ny finoana, ka mety hiafara hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka aza izany, toy ny nianjady tamin’i Md Etienne. Izany no ampahatsiahivin’ny Evanjely an’izay te ho Mpianatr’i Kristy. 

Tsy tonga hitondra fiadanana aho fa sabatra sy fampisarahana hoy i Jesoa (Lc 12, 51). Ny antony dia satria mifanohitra amin’ny fitiavan-tena mambabo ny fon’ny olona ny Evanjeliny, ka tsy maintsy mihatrika ny vokatr’izany ireo vonona handray ka hiaina ny Teniny, ka ho zary fahazavana mety hanjemby ny maso na mampitsanga-menatra ireo misafidy hiafina ao anatin’ny haizina. 

Rehefa tsy mahatohitra ny fahendrena hoentin’ny Mpianatra ny olona dia ny hamongotra azy ireny hiala amin’ny tany no tetika farany hitany fa mahomby mba hampandry ny heritreriny (Asa 6,10). Dia nampangainy i Etienne ka novonoiny. Ambaran’i Lioka mazava, ary izay no antony nanoratany ny Asan’ny Apostoly, fa izay nihatra tamin’ny Mpampianatra dia hihatra ihany koa amin’ny Mpianatra sy ny mpanaradia an’i Jesoa rehetra. Ny toko faha-enina sy ny fahafito manontolo moa dia natokan’i Lioka mba hamintinana ny tantaran’Israely, hoentina mampiharihary ny fahendren’Andriamanitra sy ny fandaharany mahavonjy, na eo aza ny sakantsakana sy ny mety ho teti-dratsin’ny olombelona. 

Ny ratsy ataon’ny hafa anefa dia “provocation” mandrakariva. “provocatio” moa amin’ny teny latinina dia azo adika hoe: miantso ho ety ivelany, izany hoe miantsy antsika mba hampivoaka izay maha-izy antsika marina tokoa. Inona no maha-izy azy ny kristianina? 

Tsy mora anefa ny mahazo ny lazain’i Jesoa, hijanona ho zanak’ondry eo anivon’ny amboadia (Mt 10, 16, mialoha ny Evanjely anio). Hafatrafarany mafy ny mpianany mba tsy hivadika biby mahery fihetsika eo anetrehan’ny fahavalo mety handrahona sy hifofo ny aina. Ohatran’ny Anjely, hoy i Md Lioka no fijerin’ireo tao amin’ny Sanedrina an’i Paoly (Asa 6, 15). Ny mpianatra marina dia mijanona ho zanak’ondry mandrakariva. Izany manko no lalàna fototry ny Tantara: izay iharan’ny ratsy no mizaka azy ary rehefa mizaka azy nefa tsy manota ary tsy mamaly faty no maharesy azy. I Kristy, Andriamanitra ankalazaintsika fa tonga nofo toa antsika, dia nandresy ny ratsy tamin’ny nanekeny ho faty toy izay hanota na hamaly faty. Ny feriny no nahasitrana antsika (Izaia 53, 5; 1 Piera 2, 24ss). 

Ny Evanjely dia mazava: tsy manao teny mandangolango i Jesoa fa milaza izay hiafaran’izay te hiaina ny marina. Tsy azo adinoina anefa fa rehefa henjehina isika na ampijaliana dia lazain’izy mpampianatra fa izay no fotoana sarobidy hijoroantsika vavolombelona marina tokoa eo anatrehan’ny tsy mpino. Mila malina tahaka ny bibilava anefa ary tsotra toy ny voromahailala. Tsy natao hamitahana tahaka ny bibilavan’i Jeney toko faha-3 ihany manko ny saina matsilo fa azo ampiasaina koa mba hahitana ny teti-dratsy ataon’ny fahavalo ka hahafahana midify azy raha toa ka azo atao. Ny fahatsorana manko dia tsy havendranana hiantsiana ny fahavalo fa kosa fitokisana ny fitiavan’ny reny, toy ny ataon’ny zaza (Salamo 130) ka hahafahana mametraka ny aina eo am-pelatanany (salamo setriny 30). Manampy antsika hahazo izany fitokisana izany ny fomba fitantaran’i Lioka ny fitokisan’i Etienina. 

I Jesoa notsaraina dia nanambara ny fahitana ny Zanak’olona “mipetraka” eo ankavanan’Andriamanitra (Mt 26, 64-67), fa ny mpianatra kosa mahita ny Zanak’olona tafatsangan-ko velona ka “mitsangana” eo an-kavanan’ny Ray. Dia izy no manome hery ny Mpianany mba handresy miaraka aminy rehefa manaiky hanohy ny asany: hanambara amin’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra. 

Angatahontsika ny fahasoavany mba haharetantsika hatramin’ny farany. 

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny
Martiry, Noely

Post navigation

NEXT
27 desambra: Md Joany (יוֹחָנָן YoHanan)
PREVIOUS
NOELY

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Talata faharoa mandavan-taona
  • Alatsinainy faharoa mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A
  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Talata faharoa mandavan-taona 19 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.