Trinitera Malagasy
20 desambra – (Cf 25 Mars)

20 desambra – (Cf 25 Mars)

Njara Pascal Comments 0 Comment

Izaia 7, 10-14/ sal 23 / Md Lioka 1, 26-38

Rehefa nandray enim-bolana i Joany dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely ho any Galilea, ho any Nazareta. Fotoana mampahatsiaro ny andro faha-enina naharian’Andriamanitra ny olombelona, mampahatsiaro ny ora faha-enina nipetrahan’i Jesoa reraka teo akaikin’ny fatsakan’i Jakoba (Joany 4,6), mampahatsiaro ny ora faha-enina nanombohan’ny haizin-kitroka nandrakotra ny tany (Lk 23,44), ora nipetrahan’i Pilaty hitsara an’i Jesoa (Jn 19, 13). Rehefa tonga ny hafenoan’ny fotoana dia nirain’Andriamanitra hamonjy antsika ny Zanany, hoy i Paoly (Gal 4,4). 

Miravoravoa ianao ry ilay feno hasoavana: ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao. Io no vavaka heveriko fa ventesintsika matetika indrindra amin’ireo nifandovana ato amin’ny Fiangonana: Arahaba, ry Maria. Kanefa indraindray tsy dia dinihina loatra izay tena heviny. I Maria, ilay feno hasoavana, no ilay vehivavy navotan’ilay lehilahy marina mba tsy ho fatin’ny tora-bato amin’ny fanendrikendrehana fa nanitsakitsaka ny fofombadiny, manaporofo izany ny fanivaivana nataon’ny olona an’i Jesoa (tsy teraka tanatin’ny fijangajangana izahay: Jn 8, 41). 

Feno hasoavana ilay vehivavy miandry vohoka, mitotototo handeha hisoratra avy any Nazareta ho any Betlehema, avy eo sesitany tany Ejipta ary niverina tany Nazareta indray. Feno hasoavana izy voatery nitady an-janany efa noheverin’ny olona ho adala sy very saina (Mc 3,30ss). Feno hasoavana izy nihatrika ny fanamelohana sy ny fandevenana ny zanany voaheloka ho faty amin’ny hazofijaliana. Feno hasoavana izy nandevina ny Zanany. 

Indraindray mifangaro manko ny fiheverantsika ny fahasoavana vokatry ny fiombonana amin’izy Tompo sy ny fahafinaretana mety ho azo amin’ny fiainana mizotra araka ny fanirian’olombelona. Ny fahasoavan’Andriamanitra no nameno ny fiainan’i Masina Maria, ary ny fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra no nanamasinany ny fiainany ka nahafahan’izany fahasoavana izany “hanao zava-dehibe”, loharanom-pamonjena ho antsika. 

Fototry ny finoantsika manko ny maha-olombelona an’i Jesoa, ilay zanak’Andriamanitra, tena Andriamanitra. Fandalinana sy fampianarana mikasika izany maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an’i Jesoa izany no nimasoan’ny Fiangonana hatrany am-piandohana. Na ny drafitra narahan’i Md Lioka amin’ny fanoratana ny Evanjeliny aza dia manampy antsika hahazo izany Mistery izany, ka hampihatra azy amin’ny fomba fiainana andavanandro. 

Nofidian’Andriamanitra manokana i Masina Maria, ny antony hoy i Lioka dia satria nahita ny fanambaniana (απείνωσις tapeinosis) nahazo ny ankizivaviny, nahita ny fahorian’ny vahoakany. Tombom-pitiavana izany, saingy tsy ho an’i Maria ihany fa ho antsika rehetra, ho an’ny olombelona tsirairay. Fa tahaka ny fitiavana rehetra, tsy manery fa miangavy. Ny “eny” nataon’i Maria no mirakitra ny fahalehibeazany, ka izay te ho zanany, izay te ho sambatra miaraka aminy, izay fatra-panaja azy marina tokoa, dia ho lany andro hitanisa ny “arahaba ry Maria” fotsiny, raha tsy mitombo miaraka amin’ny isan’izay voatanisa ny faniriana hanao “eny” amin’ny tolo-pitiavana iantsoan’Andriamanitra antsika mba hahatongavan’i Kristy ho nofo eo amin’izao tontolo izao. 

Arahaba ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao (χαῖρε, κεχαριτωμένη, ὁ κύριος μετὰ σοῦ, Kairé, keKaritomenè, Ho Kyrios metà sou. Lk 1, 28). Arahaba moa no nandikana azy, fa fiarahabana manokana kosa no dikany: kairé kekaritomenè: mifalia ianao izay nohasoavina. Antsoin’ny Anjely hifaly i Maria. Araka ny voalazantsika teo aloha dia tsy hoe fiainana milamina, tsy hoe harena sy voninahitra no niainan’i Maria fa “tapeinosis”, tsy fihetren-tena fotsiny fa fiainana tsizarizary, toa tsy afaka ny hiarina akory. Taratr’ilay “Siona” niandry ny fanambaran’Andriamanitra manko i Masina Maria, ao aminy no tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, niantso ny vahoakany hifaly (Jereo ohatra Sofonia 3,14-18; Zakaria 2, 14; 9,9-10). Tanteraka satria nahay “nanaiky” i Maria. 

Ahoana no hahafahana mifaly, ahoana no hahitana ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny fahoriana? Ho an’i Masina Maria manokana dia tsy maintsy hiatrika ny fiainana: iza no hino fa “zanak’Andriamanitra” ilay zaza torotoronina tao an-kibony? Ahoana no hahatsapana fa na eo aza ny fijaliana sy ny adim-piainana dia “tian’Andriamanitra manokana” tahaka an’i Masina Maria isika tsirairay? Dinihontsika amin’izany ny halehibeazan’ny finoan’ity zazavavy kely ity. Isika manko efa nohasoavina mino ny nitsanganan’i Kristy ho velona. I Maria kosa nanomana izany tam-pinoana. Sambatra izy, tsy nahita kanefa nino fa “momba ny vahoakany Andriamanitra”, tsy mandao ny vahoakany Andriamanitra, “ilay Misy” no Anarany, “Emanoela, Andriamanitra monina eto amintsika”. 

Rariny araka izany raha “atao tsara laza” (εὐλογημένη eulogèmenè, nadika hoe nosoavina) noho ny vehivavy rehetra i Masina Maria, tsy afaka ny tsy hibanjina ny halehibeazan’ny finoany izay te hanara-dia an’ilay “zanak’Andriamanitra”, vokatr’izany faneken’i Maria izany (καρπός karpos), “ankalazaina” koa. I Maria no loharano nahazoantsika ny “loharanom-pahasoavana” hoy i Md Bernard. Tsy afaka ny tsy hanaja an’i Masina Maria izay te ho tonga mpianatr’i Jesoa. 

Ambaran’i Md Lioka fa i Masina Maria no tena “Mpanompon’Andriamanitra” (ἡ δούλη κυρίου·Hè doulè Kyriou, Lk. 1,38). Raha fakafakaina moa ny anarana hoe Maria, ankoatra ireo izay niezahana nadikana azy (malala, kintan’ny ranomasina…), ny fototeny מָרָה (marah) amin’ny teny hebrio dia midika hoe mandà, mihoko, mikomy. Na dia fatra-pandà, fatra-pihoko sy mpikomy aza ilay “zanaka vavin’i Siona”, i Maria kosa, feno hasoavana satria nahay “nanaiky”. Izany fanekena izany no maha-mpanompon’Andrimanitra azy. Tsy fihetren-tena izany, raha ny marina, fa fanandratana kosa, fankalazana (εὐλογέω eulogeo), filazan’i Lioka fa io no ilay “Mpanompovavy” sitrak’Andriamanitra, tsy ambakan’ireo Mpanompon’Andriamanitra hafa voatanisa ao amin’ny Baiboly, toa an-dry Abrahama, ry Moizy, ry Elia Mpaminany. 

Asan’ny Fanahy Masina no manavao ny zavatra rehetra. Iraho ny Fanahinao, ry Tompo, dia ho àry ny zavatra rehetra (Salamo 104, 30). Dia tao amin’ny faneken’i Maria no nahafahan’Andriamanitra nanavao ao amin’ny Zanany tonga nofo ny fitiavany antsika rehetra. I Masina Maria kosa, niandry ampitokiana ny fahatanterahan’ny lahatr’ilzay tia mandrakizay: “Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao”. γένοιτό μοι, (genoito moi, Lk. 1,38), ny matoateny γίνομαι (ginomai), izay midika hoe tanteraka, miseho miariary, fa amin’ny “temps” aoriste optatif[1], izany hoe lazain’i Md Lioka fa indrakindrafana be ihany i Maria mandrapahatanterak’izany sitrapon’Andriamanitra izany. 

Ny famerimberenana ny fiarahaban’ny Anjely dia tokony halemombelona ao anatintsika ko any hafaliana sitrak’Andriamanitra ho tonga lafatra ao amin’ny zanany rehetra. Ny Teny tonga nofo tao amin’i Masina Maria no maniry koa ho tonga nofo ao amintsika tsirairay avy. Asan’ny Fanahy Masina izany kanefa kosa miankina amin’ny fanekentsika ka amelantsika azy hiasa.

Isika tsirairay avy koa dia efa samy nandray ny Fanahy Masina. Ohatra ho antsika i Masina Maria amin’ny fanekentsika hovolavolain’ny Herin’ny Avo indrindra ka hahafahantsika mivelona araka ny Evanjely, hiteny toa an’i Md Paoly fa tsy isika intsony no velona fa Izy Kristy no velona ao amintsika. 

Hanahaka an’i Masina Maria anie isika hanetry tena [izany hoe hankatò ny herin’Andriamanitra mandahatra ny zavatra rehetra] sy hiraiki-po amin’izay sitrak’Andriamanitra ary ny fanajana azy anie hanampy antsika hitombo finoana sy hafaliantsika hiandry am-pitokisana ny fahatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. 

[1] Mode – Optatif (Optionnel) Le mode « optatif » s’emploie généralement dans les conditions de « quatrième type », qui expriment un désir, un souhait pour qu’une action dont on ignore le résultat puisse se réaliser. Ce mode est très rarement utilisé dans le Nouveau Testament, car il n’était presque plus en usage à cette époque. Dans quelques cas, le mode optionnel est utilisé sans clause conditionnelle, pour exprimer le très fort désir de voir se réaliser l’action considérée. Ceci correspond à ce qui apparaît dans la phrase « mh genoito », traduit par « A Dieu ne plaise! » (Luc 20:16) (cfr. Note Bibleworks 10)

Toriteny
Fiaviana

Post navigation

NEXT
21 desambra
PREVIOUS
19 desambra

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.