Trinitera Malagasy
19 desambra

19 desambra

Njara Pascal Comments 0 Comment

Bokin’ny Mpitsara 13, 2-7-24-25a/ sal 70 / Md Lioka 1, 5-25 

Ambaran’ny Evanjely anio fa tamin’ny andron’i Herôda, Mpanjakan’i Jodea no nisehoan’ny tantara. I Herôda dia azo heverina ho anisan’ny Mpanjaka nanana ny lazany sy nampiseho ny fahefany tamin’ireo zavatra nahoriny, ary mbola tsy rava mandraka ankehitriny. Eo anatrehan’ny fahefan’olombelona, eo anivon’ny vahoaka nofidiany manokana, tsy hoe mendrika sanatria, fa notiaviny manokana (Det 7, 7) no isehoan’i Gabriely, ilay herin’Andriamanitra, hampahatsiaro antsika ny. Fitiavany ho an ‘ny olombelona rehetra, fitiavana tsy mivadika, hahafahana mandresy ny tahotra.

Ny fanambarana ny fahaterahan’i Joany Batista dia manampy antsika hahazo ny halehibeazan’ny Fanambarana momba an’i Kristy sy hitondra antsika amin’ny antony nanoratan’i Md Lioka ny Evanjeliny: hanao fanadihadiana mari-pototra mba hahamafy orina ny fampianarana momba an’i Jesoa, ilay Kristy.

Ny hany fanirian’ny Mpisorona sy ny taranak’i Levi dia ny ho voafidy hanolotra ny emboka ao amin’ny Tempoly. Indray mandeha amin’ny fiainana no hahafahana manao izany, ka miandry ny  anjaran’ny fianakaviany vao afaka safidiana indray, ary i Zakaria efa nahazoazo taona ihany, avy amin’ny fianakavian’i Abia (Andriamanitra dia Ray), izany hoe ny fahavalo amin’ireo antoko 24 (ἐφημερία) nizaran’i Davida ny Mpisorona mba hanompo ao an-tempoly mandritra ny herinandro (I Tantara 24, 10). Lazain’i Lioka anefa fa voatendrin’ny loka izy hanolotra ny emboka, ary rehefa vita ny fisoronana dia tokony hitsodrano ny vahoaka miaraka amin’ny lehiben’ny Mpisorona, araka ny fomba. Izay no antony niandrasan’ny vahoaka rehetra nivavaka tao alatrano.

Ny loza anefa dia moana izy rehefa avy nivoaka avy ao, rehefa avy nolazain’ny Anjely fa hiteraka ilay Elia (araka ny faminanian’i Malakia 3,24), hialoha lalana ny fiavian’ny Mesia. I Gabriely, ilay Herin’Andriamanitra no nampita ilay Vaovao Mahafaly, ka ny famantarana nolazainy dia ny fahataperan’ny tso-drano nifandovana ao amin’ny Testamenta Taloha: moana ilay tokony hitsodrano. 

Amin’ny famaranana ny Evanjeliny dia ambaran’i Md Lioka mazava fa i Jesoa niakatra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra no manome antsika ny hafenoan’ny tsodrano izay mameno hafaliana ny fontsika ka tsy hialantsika ao an-tempoly hankalaza an’Andriamanitra (Lk 24, 50-51). Izay mino azy mitsangan-ko velona no afaka hitory ny Evanjeliny, izay mitady famantarana dia ho moana ihany tahaka an’i Zakaria. 

Zakaria (זְכַרְיָה Zekaryah) moa ny heviny dia hoe “Tsaroan’Andriamanitra”, satria tsy afaka ny hanadino ny zanany Andriamanitra Rainy (Abìa). Elizabeta (אֱלִישֶׁבַע ‘Eliysheba`) kosa azo adika hoe “Andriamanitry ny fianianana”. Ambaran’i Md Lioka fa samy marina teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria sy Elizabeta, no sady nitondratena tsy nanantsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra, kanefa tsy nanan’anaka. Nankaiza ny fahatsiarovan’Andriamanitra ny fianianana nataony? Inona no hafaliana ho azony amin’ny fahamombàna? 

Ao amin’ny Jenezy (Jen 1, 27) dia זָכָר Zakar no iantsoana ny lehilahy, נְקֵבָה neqebah kosa ny vehivavy. Zakaria sy Elizabeta kosa no mamarana ny tantaran’ny Patriarka momba, niantomboka tamin’i Abrahama sy Sarà sy ny hafa koa (Jen 18, 1-15; 25, 21ss; 30, 22ss; Mpitsara 13, 1ss; 1 Samoela 1, 1ss), izy ireo no maneho ny olona miaina sy mivelona amin’ny fahamarinana kanefa entin’Andriamanitra manambarana fa ny heriny irery ihany no hahafaka ny tahotra sy hahafeno fatra ny hafaliana, ho hafaliana ho an’i Zakaria fa ho hafaliana ho an’ny maro hafa koa (and. 14). 

Mampalahelo ny maheno olona mitaraina fa tsy mandeha araka ny faniriany ny fiainana satria miangatra Andriamanitra, na sanatria an’izany sazin’ny fahotana efa vita, ka mila mionona. Tsy miankina velively amin’ny fahamendrehantsika ny safidin’Andriamanitra. Tsy misafidy ny mendrika Izy, hoy i Md Augustin, fa manome fahasoavana hahamendrika izay nofidiny mba hanatanterahany ny asam-pamonjena kasainy atao ho antsika, sy amin’ny alalantsika tsirairay avy. 

Hanampy antsika hatoky izany herin’Andriamanitra (Gabriel) mitantana ny zavatra rehetra izany anie ny fiomanana amin’ny Noely, ka hahaizantsika miandry am-pitokiana ny fotoana hisehoan’ny voninahiny ho fiadanantsika. 

Ry Solofon’i Jesea, Ianao ilay faneva fitarihana ny olona ka mampitampim-bava an’ireo Mpanjaka atrehinao, avia aza ela mba ekeo ny talahon’ny vahoaka miantso vonjy (Grandes O). 

Toriteny
Fiaviana

Post navigation

NEXT
20 desambra – (Cf 25 Mars)
PREVIOUS
18 desambra

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.