21 desambra
Tononkira 2, 8-14/ Sal 32 / Md Lioka 1, 39-45
Injay ny feon’ny malalako, indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra, mitsambikina amin’ny havoana. Ilay notiavina no tsindrian-daona efa tsy maharay lamba miandry ny fihaonana amin’ilay tia azy. Izany no anehoan’ny Tononkira dia tononkira antsika ny fietseham-pon’ny kristianina miandry ny hihaonany amin’ny Tompony, amin’ity fiainana ity, amin’ny fiandrasana ny Noely fa indrindra ny fiandrasana ny fihaonana aminy any amin’ny mandrakizay.
Efa akaiky ny Noely, manomankomana ny hoenti-mifaly sy ny fomba hiainana azy isika. Ny sakafo atao miavaka amin’ny mahazatra, ny akanjo koa, raha mba mety ny atao dia mba havaozina, hanehoana ny hafaliana fa tonga ny fety. Tsaroako ny fahazazako, hiandrasana ny Krismasy mba hianjaika akanjo vaovao (nefa zanaka mpanjaitra). Mety ho voasinton’ny ety ivelany ihany anefa ny fo ka tsy hifantoka amin’ny antony lalina mahatonga antsika hifaly. Misy manko ny olona mbola faly aman-kanina, ka mihinana hena tsy fantatra anarana, manadino ny antony hanaovana sakafo matsiro. Ny hafaliana mifototra amin’ny zava-mandalo anefa mielina ihany, miara-levona amin’ny sakafo. Ny fa-hatsiarovana ny antony hifaliana kosa maharitra.
Faly isika satria miara-monina amintsika Andriamanitra. Ambaran’ny Evanjely anio ny fiekem-pinoana voalohany amin’ny maha-renin’ny Tompo an’i Masina Maria. Ilay zaza vao miforona ao an-kibon’i Maria no ilay Tompo. Tsy fiekena ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa ihany anefa izany fa fanambarana miezinezina fa ny zaza, hatramin’ny itsaihana azy ao am-bohoka dia manana ny hasina maha-olona, nohariana ho haneho ny endrik’Andriamanitra (צֶלֶם tselem), voaantso hitovy endrika aminy (דְּמוּת demout). Mba avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho. Nino i Elizabeta, ary amafisin’i Md Lioka ny finoan’ny Eglizy fa Tompo sy Andriamanitra ilay Zanak’i Maria. Izy no raisintsika isan’andro ao amin’ny Teny sy ny Eokaristia, ao amin’ny sakramenta sy amin’ny fiombonana amin’ny Vatany Masina dia ny Eglizy.
Sambatra ilay nino fa tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy. I Elizabeta moa, misolo toerana ny Testamenta Taloha manontolo, roarivo taona niandrasana, i Masina Maria kosa, misantatra ny fahatanterahan’izany, ho an’izay mino ka mampifanaraka ny fiainany amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany, Testamenta vaovao nanoratany ny Fanekem-pihavanany tsy mivadika mandrakizay. Izay mitady famantarana ny amin’ny hahatanterahan’izany dia ho tahaka an’i Zakaria ihany, tsy afaka ny hanambara na inona na inona (moana), ary tsy hahazo famantarana akory, saingy Andriamanitra kosa manohy ny fanatanterahana ny teniny. Izay mino kosa, dia hahay hoity ny hafaliana any amin’izay hamafazan’Andriamanitra azy, ary tsy hifampizara izany fotsiny fa hifanohana koa mba hitomboan’izany. Nijanona tokony ho telo volana tany i Maria vao nody tany an-tranony, hoy i Lioka (Evanjely 22 desambra). Tsy ny hitaiza ny zaza teraka no mahamay azy, fa ny hifampizara ny hafaliana hatramin’ny hafenoany, amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, amin’ny fahaterahan’i Joany.
Antsoina hanana finoana toy izany koa isika, antsoina hiara-mifaly amin’izay mifaly (Romana 12, 15). Tsy lalim-paka anefa mazàna izany finoantsika izany. Ny hananantsika azy anefa no fototry ny fahasambarana, hahafahana mioty ny hafaliana entin’ilay miara-monina amintsika. Raha miverina amin’ny Tononkira dia tononkira tamin’ny Vak I sika dia mahatsapa fa manahirana ihany raha misy mpifankatia maniry ny hifankahita mafy, dia rehefa tonga tokoa izany fotoana hihaonana izany dia fitarainana sy fangatahana fanampiana no hamenoana ny androatokon-dresaka. Mety ho rava vetivety izany fifankatiavana izany. Tsy ho sanatria an’izany ho fitarainana amin’izay manjò no hameno ny vavaka ataontsika rehefa tonga ao am-pontsika i Kristy.
Hiezahantsika ny hiaina ireny fotoana ireny hanandramana dieny izay ny hasambaran’ny lanitra, dia Izy Tompo miara-monina amintsika, hankamamiana ny fitiavany, tonga hizara ny hafaliany amintsika.