Trinitera Malagasy
Zoma fahatelo tsotra mandavantaona

Zoma fahatelo tsotra mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa  Hebrio 10, 32-39/ Salamo 36/ 
  • Ankasa 2 Samoela 11, 1-4a. 5-10a. 13-17/Salamo 50
  • Md Marka 4, 26-34

Mitohy ny fampianaran’i Jesoa momba ny fanjakan’ny lanitra. Rehefa azontsika fa tsara fo Andriamanitra ary sitrany ny hiadanantsika dia mandeha ho azy ny fitadiavana izay fomba mba hahatanterahan’izany anio dia anio ihany, araka ny faniriantsika. Lazain’ny salamo 36 fa raha miantehitra aminy isika dia izy no hanao ny fananatsika ny rariny ho mazava atsinanana sy ny fahamarinana ho mitatao vovonana. 

Ambaran’i Md Marka mazava anefa fa tahaka ny zava-boahary ny fanjakan’Andriamanitra, mety ho lasa hazobe hialofan’ny voro-manidina, saingy tsy maintsy afafy aloha ny voa (and. 26) dia avy eo mitsimoka sy mitombo (and. 27-28) ka hahazoantsika izay vokatra nandrasana (and. 29). 

Ny famafazana ny fanjakan’ny lanitra dia ampiasain’i Marka ny matoanteny βάλλω (ballô), izay tsy dia fampiasa loatra raha hilaza famafazana ara-teknika, satria hilazana ny fandatsahana zavatra izay amin’ny tany ka tsy mampaninona na aiza na aiza hilatsahany: henontsika fa ny sasany latsaka teny amin’ny lalana, ny sasany latsaka teny amin’ny tany be vato, ny sasany latsaka anaty tsilo. Entina hilazana ny hafalian’ilay mpamafy izany, tsy mifidy ny fahamendehan’ny fontsika mba hamafazany ny teniny. Ny olon-drehetra, ny firenena rehetra no hamafazany ny teniny.   

 Refeha milaza ny fomba fitombon’ny voa indray izy dia ataony amin’ny antsipirihany araka ny ambaratongany avy, saingy tsy nasiany teny na dia kely aza ny momba ny mpikarakara sy ny asa mety ilaina mba hamokaran’ny voa. Tiany hampitaina amintsika amin’izany ny hery ao anaty hahafahan’ny voa mitsimoka sy mamokatra samirery, na matory na mifoha ny olona. Raha sanatria tsy hanam-paharetana eo ilay mpamafy dia mety hanosy ketsa indray no hiafarany. Mila faharetana mba hahitana ny fitsiriana sy ny fitomboan’ny voa: ny tahony aloha, vao salohy vao ventim-bary amin’ny salohy. Miteny lango eo imason’ny vary izay teren’ny adim-piainana ka tsy afaka ny hiandry fararano.

Tsy sanatria an’izany isika no hihevitra hisolo ny Fanahy Masina amin’izay fahamatoran’ny Voa ao am-pon’ny olombelona. Ny anjaran’izay nahazo andraikitra hanabe sy “hitory any an-tafontrano izay heno tao amin’ny mangingina” dia ny mitandrina amin’ny fifantenana ny masom-boly, satria na aiza na aiza torìna ny Teny (an’Andriamanitra fa tsy fahendren’olombelona) dia mitsimoka sy miorim-paka ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy fotoana manko hanalana ny vato sy ny tsilo, fa misy fotoana koa tsy maintsy hatoriana sy hiandrasana, raha tiana ny hioty vokatra. Indraindray anefa moramora kokoa ny mihevitra ny hioty anio izay nafafy anio, dia herisetra sy fanimbàna no vokatr’izany. Voaongotra miaraka amin’ny tsiparifary ny voa tsara.

Manana hery hitombo tahaka ny voan-tsinapy ny Teny. Tsy halehibeazana araka ny hevitr’olombelona anefa izany. Mety misy hirehareha amin’ny isan’ny kristianina na ny hatsaran’ny Trano fivavahana sanatria. Izany anefa dia entina hilazana ny herin’ny Fampianaran’i Kristy izay afaka manova ny fiainantsika ho fialokalofan’ny voromanidina (Salamo 91,1), ka tsy ho fisehosehoana ivelany fa ao am-pontsika tsirairay ny Fanjakan’Andriamanitra, hoy i Md Lioka (Lk 17, 21). Tsy fijinjana hamaizana fa hafalian’ny mpijinja mitondra ny vokatra mody any an-trano (Sal 125) no entin’ny Evanjely maneho amintsika ny fotoam-pijinjana. Ny hanangona ny zanany rehetra any an-tsopitra no sitrak’Izy Ray.

Miantso antsika handinika sy hametra-panontaniana amin’izay mety ho fahalehibeazana heverintsika izany, sao sanatria tsy araka ny Evanjely fa araka izao tontolo izao: izay te ho lehibe dia aoka izy ho mpanompo, ho toy ny zaza vao teraka (Evanjely Timote sy Tito: Md Lioka 22, 24-30). Angamba ity no sarotra indrindra amin’ny torohevitry ny Evanjely ka maro no tsy mahazo azy, tsy vitsy no mandika azy vilana mba hiarovana ny fomba fiainana sy ny fahazarana, indrindra rehefa voakitikitika ny tombontsoa manokana (vola aman-karena, hafinaretana mandalo, voninahitra sns). 

Raha tsy azontsika izany dia mila mitokana any amin’ny mangingina miaraka amin’i Jesoa isika. Tsy mandeha ho azy araka izany ny fikolokoloana ny Teny fa mila manokana fotoana handinihana sy hamakafakana. Anjaran’ny Mpitondra Fiangonana sy ny tompon’andraikitra ny manomana sambokely hipetrahan’i Jesoa mba hahafahany mampianatra zavatra marobe ny olona, saingy mbola adidiny ihany koa ny manome fanofanana sy fampianarana mafonja, ho an’ireo izay te handalina ny Teny ka manaiky hovany ho tonga rahalahy sy anabavy ary renin’i Jesoa. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahatelo tsotra mandavantaona
PREVIOUS
Alarobia fahatelo tsotra mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.