Trinitera Malagasy
Sabotsy fahatelo tsotra mandavantaona

Sabotsy fahatelo tsotra mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Hebrio 11, 1-2.8-19/Lc 1, 69-75/
  • Ankasa 2 Samoela 12, 1-7a. 10-17/Salamo 50/
  • Md Marka 4, 35-40

Misy olona hahazo tory eo ambony sambokely atopatopan’ny onja ve? Ary raha hariva ny andro ka efa reraka i Jesoa, nahoana no tsy nijanona natory tao Kafarnaoma fa mbola nilingilingy hiampita ny ranomasina amin’ny andro alina? Antsimpirihiny manokatra ny masontsika ireny hanakatra fa tsy fitantarana ny zava-misy fa fampianarana teolojika ny Evanjely, manampy antsika hahazo ny fampianaran’ilay Mpampianatra rehetra tojo ny tranga mitovy amin’izany isika. Ndeha ary hoezahantsika hotakarina ny hevitr’ity Evanjely ity.  

Hariva ny andro dia niteny tamin’ny Mpianany i Jesoa hoe: andeha isika ho eny an-dafin-drano… ho any an-dafy! Hitantsika any amin’ny toko faha-5 fa tanin’ny mpiompy kisoa ny eny am-pita, izany hoe tanin’ny tsy mpino raha araka ny foto-pisainana Jody. I Jesoa amin’ilay hariva namoronany ny Eokaristia dia naniraka ireo mpianany mba hitory ny Evanjeliny hatrany amin’ny faravazantany. Tsy sambokely iray ihany fa sambokely maromaro izy ireo. Ary i Jesoa natory teo amin’ny sisin’ny sambokely tambonin’ny ondana. πρύμνα (prymna) moa no nadika hoe sisin’ny sambokely, fa io no toeran’ny mpanamory, dia eo no nametrahan’i Jesoa ny lohany teo ambonin’ny ondana, anarana entina hilazana koa ny “coussin” ampiondanana ny razana (pros-kefale, προσκεφάλαιον): nanondrika ny lohany izy dia rendri-torimaso (καθεύδω katheudo, maty), saingy Izy ihany no mpanamory ny sambo.

Ny haizina nandrakotra ny tany ilay mitataovovonana iny no tian’ny fanoharana rehetra holazaina. I Jesoa nanolotra ny ainy no ilay voa nalatsaka tamin’ny tany ka tsy afaka ny hamokatra raha tsy mandalo amin’ny fahalovana. 

Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Tsy ireo apostoly ireo ihany no saro-tahotra ka midradradradra miantso vonjy. Tsy zoviana amintsika ny fomba fivavaky ny mpino maro izay tsy miezaka hahazo ny sitrapon’Andriamanitra fa mihevitra fa arakaraky ny hamaroan’ny teny lazainy no hiainoana azy (Mt 6,7), dia mamokovoko manao vavaka lavareny tsisy farany, nangonina tetsy sy teroa, sao mba miova hevitra Andriamanitra.   

Rehefa mivaly ny fanirian’izy ireny dia midehodehoka ho olona henoin’Andriamanitra vavaka izy fa tsy sahala amin’ny mpanota sy poblikana (Lk 18, 10-11) fa raha sanatria kosa tsy araka ny faniriany ny fandehan-javatra dia mety ho very finoana mihitsy aza, mihevitra fa miangatra Andriamanitra na sanatria an’izany mbola matory! Tsy very finoana anefa izy ireo fa “tsy mbola manana finoana”, tsy mbola tafiditra tamin’ny finoana marina.

Amin’ny fiantomboan’ny Evanjeliny dia efa nambaran’i Marka ny fahefan’ny tenin’i Jesoa mandroaka ny fanahy maloto. Saingy mbola fahagagana ihany ho an’ireo mpianatra, ka nampatahotra azy ireo ny mahita an’i Jesoa mifoha avy amin’ny torimasom-pahafatesana, velona eo anivon’ny Fiangonany, ary manan-kery hanome fitoniana: fiadanana ho anareo.

Dia angatahontsika izany fiadanana izany, satria tsy hafa noho ireo apostoly ireo ny fomba fiainantsika ankehitriny, misalasala sy tsy matoky ny herin’i Kristy ka mazàna miantsampy amin’ny herin-javatra hafa mba hiarovan-tena ka hanalavirana ny tena finoana.  

Iza moa io fa ny rivotra sy ny ranomasina avy manaiky Azy?  Angatahontsika amin’Izy Tompo ny fahasoavana hanandramana isan’andro ny hatsarampony sy ny fitiavany. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
2 febroary: ny nanolorana ny Tompo
PREVIOUS
Zoma fahatelo tsotra mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.