Trinitera Malagasy
Zoma fahasivy mandavan-taona

Zoma fahasivy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Tobia 11,5-17 / Salamo 145
  • Ankasa: 2Timôte 3,10-17/Salamo 118,157-168
  • Md Marka 12,35-37

“Ahoana no ilazan’ny Mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?”

Efa voalazantsika tamin’ny momba ny lalàn’ny jabam, lévirat, fa nanao izay hameloma-maso ny rahalahiny ny Jody mba hahafahana hamela taranaka hanohy hidera an’i YHWH, fa indrindra indrindra koa mba hahafahana manantena ny ho “razam-ben’ny Mesia”. Tsy ny hiandry am-pitokiana ny fahatanterahan’ny Fampanantenan’Andriamanitra anefa no nirina fa ny hahafahana mirehareha, ho voninahitry ny taranaka. Maha sanganehana ihany anefa ny lazain’i Jesoa eto, na dia ho antsika koa asa, izay mihira fa “ilay taranak’i Davida ara-nofo” no nofidìn’Andriamanitra ho Mesia, eny fa na dia nolazain’i Matio mazava aza fa “tsy nahalala an’i Maria i Josefa ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1,25).

Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana, rehefa tsy sahy mametraka izany intsony isika, dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy”. Ny vadin’i Orìa, izay novonoin’i Davida (2Sam 11) no niterahany an’i Salômôna izay voaraikitra ao amin’ny tetiaran’i Matio, i Natàna ihany koa dia zanak’i Betsabea, raha ny araka an’i Lioka no jerena.Tsy mitovy moa ny fitanisan’izy ireo hatramin’ny raiben’i Jesoa. Tsy hisy afaka ny hanaporofo ny fahamarinana na tsia ny amin’ny fifandimbiasan’ireo anarana ireo isika. Tsy dia izay rahateo no zava-dehibe. Adihevitra mety hamohehatra ny mpihaino aza izany ka tsy hahasoa akory, hoy i Md Paoly amin’i Timote (2Tm 2,14). Ny zavatra tsy azon’ny saintsika lavina kosa anefa dia ny hoe: manova ny fiainana manontolo ny fahalalàna fa fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana no nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana ho Mesia hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny haizina.

Tsy i Josefa no niteraka an’i Jesoa, ary na ny dikanteny hitantsika ao amin’ny andininy 16 hoe “Maria (vadiny) izay niteraka an’i Jesoa” aza tsy mifanaraka amin’ny voasoratra amin’ny teny grika hoe “ἐξ ἧς ἐγεννήθη Ἰησοῦς ὁ λεγόμενος χριστός” – ex hès egennèthè Ièsous ho legomenos Christos: “avy amin’i(Maria) no nateraka i Jesoa ilay antsoina hoe Kristy”: (Mt 1,16). ἐγεννήθη moa dia “indicatif aoriste passif” avy amin’ny γεννάω, (gennaô, miteraka), izay antsoin’ny mpandalina Baiboly hoe “passif divin”. Andriamanitra no niteraka avy amin’i (ἐξ) Maria ilay Mesia nampanantenainy an’i Abrahama (Jen 12,3) sy i Davida (2Sam 7). Io fampanantenana io no noezahin’i Matio navoitra tamin’ny tetiarana nataony momba an’i Kristy. I Lioka moa dia manana ny fitantarany manokana, nanangonany izay anarana rehetra hitany tao amin’ny Soratra Masina, hilazany fa i Jesoa, ilay Mesia dia zanak’i Adama, Zanak’Andriamanitra (Lk 3,23-38).

Ny maha Mesia (Kristy) sy ny maha Zanak’Andriamanitra Azy no noezahin’i Md Marka navoitra tamin’ny fitantarana ny Evanjeliny. I Simôna Piera miaiky fa i Jesoa no Kristy (Mk 8,29) ary ilay Tomponjato kosa manambara araka ny zavatra hitany fa ilay lehilahy voafantsika ka maty teo amin’ny Lakroà dia “tena Zanak’Andriamanitra” tokoa (Mk 15,39). I Jesoa izay zanak’i Davida araka no nofo, satria tena olombelona tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, araka izany no ilay “Zanaka lahitokan’ny Ray”, araka ny Fanahy (Rm 1,3), Andriamanitra tokana miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.

Tsy misy afaka ny hiantso an’i Jesoa ho Tompo anefa, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (1Kôr 12,3). I Davida araka izany, tao amin’ny Fanahy Masina dia nitsaoka an’ilay Fampanantenan’Andriamanitra ho “Tompony”. Faminanian’ny Salamo 109 moa izany. Ilay taranany no antsoin’i Davida ho Tompony. Asan’ny Fanahy Masina izany. Izy kosa manaiky hitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra, ho tanan-kavanan’Andriamanitra, hanaiky hanao ny sitra-pony, na dia Andriamanitra ihany aza no hanao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.

Tompo (κύριος – kyrios) moa no nandikana ny Adonai, izay nentin’ny Jody hamakiana sy nanononana ny anarana tsy azo tononina YHWH, saingy nentin’ny Kristianina kosa hilazana ilay “Tompo” nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra (Mk 12,35-37), Izy ilay Teny nahariana ny tontolo, niala tamin’ny fomba naha-Andriamanitra Azy (Fil 2,11) fa natsangan’ny Ray ho Tompo, eo an-kavanany, izany hoe ho Tompo haneho ny fiandrianan’Andriamanitra, “tanan-kavanana” irakiraka manao ny asa, amin’ny alalany no hanasoavan’Andriamanitra antsika sy hanomezantsika koa voninahitra an’Andriamanitra.

Avy amin’ny alalany no andraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ny fiantsoana ny anarany sy ny fanaovana antsika batemy amin’ny anarany no idirana amin’ny famonjena. Ary noho Izy ilay “Kristy”, voahosotr’Andriamanitra, ho an’i Israely araka ny fampanantenana sy ny Soratra Masina, dia manankery hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy, hiray aina Aminy ka hibebaka sy ho voavela heloka.

Tsy fanatanterahana ny fanirian’olombelona, na ny fanirian’i Davida ny ho razamben’ny Mesia na ny an’i Israely ho fianakaviana iray aminy, araka izany no notanterahin’Andriamanitra, tsy ny maha zanak’i Davida Azy koa no maha lehibe an’i Kristy fa ny maha Tompo Azy. Tsy ny fahatanterahan’ny faniriantsika sanatria no hifaliantsika ao amin’ny Fanahy fa ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. I Jesoa noTompo nirahin’ny Ray mba hamonjy ny olombelona rehetra ka miantso azy rehetra ho tonga fianakaviana iray Aminy.

Hitombo ao amintsika anie ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho Tompo sy Mesia.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Ny Fo Masin’i Jesoa
PREVIOUS
Alakamisy fahasivy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • TRINITE MASINA TAONA D
  • Sabotsy fahafolo mandavan-taona
  • Zoma fahafolo mandavan-taona
  • Alakamisy fahafolo mandavan-taona
  • 11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • TRINITE MASINA TAONA D 13 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.