Trinitera Malagasy
Ny Fo Masin’i Jesoa

Ny Fo Masin’i Jesoa

Njara Pascal

Ny Fankalazana ny Fitiavan’Andriamanitra nasehon’ny Fo Masin’i Jesoa antsika dia andro tsy manam-paharoa ho antsika hanavaozana ny zotom-po hanamasin-tena ary tsy hoe kisendrasendra no nanokanana ity andro ity ho fanamasinan-tenan’ny Pretra.

« Ry Fon’i Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny fonay ». Izany no vavaka ataontsika matetika ho fanajana sy fangataham-pahasoavana amin’ny Fo Masin’i Jesoa. Tsy vokatry ny sentosentom-po anefa izany fa araka ny hafany ho antsika ihany: « Nomeko ohatra ianareo mba hanaovanareo tahaka ny nataoko taminareo » (Jo 13,15).

Tsy mihanona amin’ny fahendren’ny Ntaolo fotsiny araka izany ny fifankatiavana kristianina. Tsy mihanona amin’ny hoe tia ny namana tahaka ny tena. Mihoatra lavitra noho izany satria ho tia ny namana tahaka ny « itiavan’i Jesoa ». Tsy ny tena sy izay mety ho fahendreny araka izany no handanjalanja izay tokony hatao. Ao amin’ny Fon’i Jesoa no hakantsika ny oha-pitiavana. Ao no higohantsika ny fitiavan’Andriamanitra, indrindra amin’ireo Sakramenta nomeny antsika hanamasinantsika tena, araka ny lazain’ny Prefasy hoe « niboiboika avy amin’ny Fon’i Jesoa, ny rano sy Ra, loharanon’izany Sakramenta izany. »

Sady miarahaba ireo Fikambanan-dRelijiozy mitondra manokana ny anarana sy ny Fanajana ny Fo Masin’i Jesoa ary isika androany, no hanavao ihany koa ny fitokisantsika ny fitiavan’Andriamanitra, izay miantso antsika hanankina ny Fijaliantsika eo am-pelatanany ka hahaizantsika hitondra izany tahaka ny nitondran’i Kristy ny Jioga nanavotany antsika. Ny fanolorantsika ny fahoriantsika sy ny fahorian’ny olombelona rehetra ho sorom-panavotana miaraka amin’ny Soron’i Kristy no manamaivana ny Jioga entintsika, satria tsapantsika amin’izany ny hasarobidin’ny fitiavana ary izany no manamafy orina ny finoantsika.

Ireo Vakiteny ankalazana ny fankalazana ny Fetin’ny Fo Masin’i Jesoa dia manampy antsika hibanjina ny misterin’ny Fitiavan’Andriamanitra Ray asehony miharihary ao amin’ny Zanany.

Mampahatsiaro ny maha olom-boafidin’Andriamanitra antsika ny Vakiteny I A (Dt 7,6-11), ka raha avy amin’Andriamanitra isika, hoy i Joany (Vakiteny II A 1Jo 4,7-16),dia ny « fitiavana » no hitsarana antsika, ka fitiavana tsy araka ny fiheverantsika, fa araka ny nitiavany antsika: izay mitoetra ao amin’ny Fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra. Didy iray mahafaoka be anefa ny Fitiavana, ka tsara ny hametsoventsoantsika ny antsan’ny Fitiavana navelan’i Md Paoly ho antsika: Ilay fanomezana ambony indrindra (1Kôr 13), mba hamelombelomantsika isan’andro ny Fitiavan’Andriamanitra asehony amintsika. Izay mahatsiaro ho notiavina no afaka hiantsa ny Sal 102 (setriny A) satria sady manasitrana ny aretim-panahy Andriamanitra, sady mamela heloka no manasitrana ny aretina rehetra, manavotra ny aina amin’ny hady ary manolotra fitiavana sy indrafo.

Taona B (Fo Masin’i Jesoa)

  • Osea  11, 1b,3-4.8d-9
  • Izaia 12, 2-5
  • Efeziana 3, 8-12.14-19
  • Md Joany 19,31-37

Maty i Jesoa, nahatontosa ny zavatra rehetra, nanondrika ny lohany ary nanome antsika ny Fanahy.

Zoma andro fiomanana tamin’ny Paka tamin’izany, ka aleon’ny Jody ny fahafatesan’ny jiolahy no hafainganina, amin’ny fanapahana ny tongony, ho amin’ny fijaliana bebe kokoa, toy izay hisy faty mihantona amin’ny andro sabbata.

Ho an’ireo jiolahy niara-nifantsika tamin’i Jesoa izany fijaliana izany. Tsara ho marihina fa any amin’ny andininy 18 dia lazain’i Joany fa teo akaikin’i Jesoa ireo jiolahy (μετ᾽αὐτοῦ ἄλλους δύο – met’autou allous duo, Jo 19,18 BYZ). Eto dia efa miara-mifantsika (συσταυρόω – sustauroô) amin’i Jesoa izy ireo (καὶ τοῦ ἄλλου τοῦ συσταυρωθέντος αὐτῷ – kai tou allou tou sustaurôthentos autôi, Jo 19,32 BYZ). Ny fanantenana ny hihaona amin’ilay “Marina” any amin’ny Fanjakany no fanantenana entin’izy ireo hiatrika izany fampijaliana hanafaingana ny fialany aina izany. Ho an’i Jesoa kosa, efa maty Izy raha ny amin’ity fiainana ity, ka mba hanamarinana izany dia nolefonin’ny miaramila iray ny fony ka nisy rano ry ra nivoaka tamin’izay. Velona mandrakizay any amin’ny voninahitry ny Ray kosa Izy, mametraka ny Fanahiny eo am-pelatanany.

Dia nivoaka ny rano sy ra, manambara ny fahafahana sy ny fanekem-pihavanana vaovao, manambara ny fahaterahana ho amin’ny fiainana any ambony avy amin’ny rano sy ny Fanahy Masina (Jo 3,1snm). Tahaka ny nahaterahan’i Eva, ilay renin’ny fahavelomana no ahaterahan’ny Eglizy avy amin’ny lanivoan’ilay Adama vaovao, matory eo ambonin’ny hazofijaliana. Zavatra “normale” ny fivoahan’ny rano sy ra, saingy lazain’i Joany fa niaraka tamin’izay (εὐθύς– euthus) no nivoahan’izany Rano sy Ra izany, satria izany no entin’Andriamanitra manambara fa tsy mangataka andro Izy manao sonia eo imason’izao tontolo izao ny fitiavany izay efa nambarany tao amin’ny Soratra Masina ka hita tanteraka amin’ny misterin’ny Hazofijaliana: hijery izay nolefoniny Izy (Za 12,10b), izay mampahatsiaro ny tantaran’ilay Mpanjaka marina izay matin’ny zana-tsipìkan’ny Ejipsiana tany Meghidò (2Mp 23,21-30; 2Tan 35,23-25), saingy ampahatsiahivin’i Zakaria fa na dia izany aza mandresy mandrakariva ny tsara, satria Andriamanitra hampidina Fanahy fahasoavana amam-pifonana. 

Izy no ilay Zanak’ondrin’ny Paka ka tsy ho tapahina ny taolany (Eks 12,13.23), Izy no ilay marina (Sal 34,21), zanak’ondry tsy misy kilema novonoina mba hanavotra antsika amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny rany.

Amin’ny fanombohan’ny Evanjeliny dia efa nambaran’i Joany fa “tahaka ny hanandratan’i Môizy ny Bibilava tany an’efitra no hanandratana ny zanak’olona koa, mba hananan’izay rehetra mino azy ny fiainana mandrakizay” (Jo 3,14snm).

Io fahafatesana izay fisandratany io manko dia tsy fahataperan’ny fiainana fa fiverenany any amin’ny Ray mba hahafahany mitoetra mandrakizay eo anivon’ireo mpianany, io no niakarany amin’ny voninahitra ka hahafahany mandefa ilay Mpanafaka alahelo hitarika ny olona rehetra hanatona Azy. Ny Evanjely Sinôptika dia milaza fa triatra nisaraka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao an-Toerana Masina (Mk 15,38; Mt 27,51a; ho an’i Lioka dia alohan’ny hahafatesan’i Jesoa Lk 23,45), ary izay nahita dia niaiky fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra (Mk 15,39b; Mt 27,54), ilay Marina (Lk 23,47). Ho an’i Matio moa dia teo ny horohoron-tany, manambara ny fisehoan’Andriamanitra ary lazainy mazava fa nitsangan-ko velona ny olo-marina (Mt 27,51b-54), ho an’i Lioka dia ny fibebahana no fanehoana ny fitsanganan-ko velona ho an’ireo nibanjina (theoreô – théorie) ny hazofijaliana (Lk 23,48).

Ho an’i Joany kosa, ny fony, izay namoaka ny rano sy ra, dia loharano miboiboikan’ny Sakramentan’ny Fiangonana, ilay loharano miboiboika hanasa ny fahotana sy ny fahalotoana rehetra (Za 13,1), ilay loharanon’ny Tompo hanovozana an-kafaliana ny vonjin’ny Tompo (Iz 12, setriny B), fo nolefonina mba tsy hitahiry na inona na inona intsony, ka ho lapa hidirantsika kosa, hahafahantsika monina ao amin’ny fitiavany, ary hitahirizany izao tontolo izao ao amin’ny Fitiavan’ny Ray.

Ilay nahita no milaza ka afaka milaza ny marina. Ny fitiavana lavorarin’izay mahita ka mino fa i Kristy maty notsindromin’ny lefona eo ambonin’ny hazofijaliana ihany no afaka hijoro ho vavolombelona marina tokoa. Mankalaza ny Fo Masin’i Jesoa isika ka ny fibanjinana azy, ny fahitana ny fitiavan’Andriamanitra mirehitra eo aminy no hahafahantsika ihany koa mijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, tsy amin’ny sentosentom-pivavahana fa amin’ny fiainana vonton’izany fitiavana izany, halemy fanahy sy hanetry tena ao am-po tahaka an’i Jesoa, ka hitondra ny hafa koa amin’ny finoana, hilaza fa tena mpivavaka marina tokoa isika, ka hahatarika ny olona rehetra hahalala sy ho tia ny Tompo (Za 14,8snm).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA 10 MANDAVAN-TAONA – Taona B
PREVIOUS
Zoma fahasivy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Talata fahadimy mandavan-taona
  • Alatsinainy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy fahadimy mandavan-taona 11 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.