Trinitera Malagasy
Talata faharoa mandavantaona

Talata faharoa mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa  Hebrio 6, 10-20/Salamo 110/
  • Ankasa 1 Samoela 16, 1-13/Salamo 88/
  • Marka 2, 23-28

Mankamasina ny andro alahady, mivavaha fa aza miasa. Izay no nandikàna ny andinin’ny Teny Folo milaza hoe: Tsarovy ny andro sabata mba hanamasinanao azy, ho fahatsiarovana ny fitsaharan’Andriamanitra nahita fa vitany tsara avokoa ny zava-boahary ka nitso-drano ny Sabata (Eks 20, 8). Tsy izay ihany anefa fa mba hahafahan’ny mpiasa mbamin’ny biby fiompy ihany koa miala sasatra miaraka amin’ny tena (Eks 23, 12), fa indrindra indrindra hahatsiarovana fa efa mba nandevozina koa isika tany Ejipta fa navotan’ny tana-maherin’Andriamanitra kosa (Det 5, 12). 

Fankalazana ny fandresen’Andriamanitra araka izany ny Sabata, ary rehefa tafatsangana ho velona i Kristy dia mankalaza azy sy ny fandresentsika miaraka aminy isika ny Alahady. Fahotana ny malahelo sy ny mandroretra ny alahady hoy ny Didascalie Apostolique (voasoratra ny IIIe siècle tany Syrie septentrional),  izay nandrara ny fifadian-kanina sy ny fandoalihana amin’ny andro alahady fandresena no ankalazaina. 

Na tamin’ny andron’i Jesoa aza dia nanjary lalàna manandevo fa tsy manafaka ny lalàn’ny Sabata. Mazava ny fanazavany: tsy ny olona no natao ho an’ny sabata fa ny sabata no natao mba hialan’ny olona sasatra sy hahafahany mankalaza ny fandresena miaraka amin’ny Zanak’olona. Mampalahelo anefa fa raha misy Kristianina iray faly sy ravo satria angaha hoe nandresy ny antoko politikany, mba jereo anie ny fomba ankalazana izany fandresena izany e, dia mila mandinin-tena isika hoe isak’alahady ve mba mifety sy mifaly, mba mi-poster ny fandresen’i Kristy eto am FB toy ny ataon’ny sasany amin’ny resaka politika, na amin’ny fandresena hafa rehetra? 

Araka ny lalàn’i Moizy dia azo atao ny mihinana voaloboka izay lany ao amin’ny tanimbolin’ny hafa, ary azo atao koa ny mioty amin’ny tanana salohim-bary eny an-tsahan’ny hafa (Jereo Det 23,25-26). Ho fitsinjovana ny hafa izay mety ho maty noana no nanaovana izany. I Davida aza hoy i Jesoa nihinana ny mofo voatokana ho an’ny mpisorona irery ihany. 

Ny fitiavana no mandavorary ny zavatra rehetra ary raha tsy voahaja ny zo aman-kasina, ny fiainana sy ny fahasambaran’ny tsirairay, dia tsy lalàna araka an’Andriamanitra intsony izay. Ny lalàna tsy mitsinjo ny soa ho an’ny hafa dia tsy sitrak’Andriamanitra. Izay nomena andraikitra hitantana sy hiandraikitra ao amin’ny Fiangonana dia tokony hahatsiaro izany mandrakariva. I Jesoa no tompon’ny Sabata. Raha tsy hovantsika ho fankalazana ny fandreseny ny lamesa sy ny fanompoam-pivavahana dia ho zary nanenjehana sy fifampiandaniana no hiafaran’ny fiainantsika ny maha-kristianina. Aoriana kely izy dia hanontany ny mpiandraikitra ny lalàna hoe: Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy ny mamonjy aina sa ny mamono? (Mk 3,4).

Tsy hoe manana ny rariny ianao satria tsy miaina ny maha-izy azy ny tompon’andraikitra dia afaka manao izay tianao ianao. Tsy ny fananana ny rariny manko na ny fitsikerana no hanova ny fiainana sy hahasambatra azy, fa ny fahitana ny asa ataon’Andriamanitra ka hiderana azy. Tsy ho afaka ny hanova sy hanatsara ary ho tonga hazavana ho an’ny hafa izay tsy mbola nibanjina ny asan’Andriamanitra, ka hahita toa azy fa “tsara indrindra izany” (Jen 1,1—2,3). 

Raha sanatria tsy mahatsapa tena ho efa nandevozina isika dia ho mpiavonavona ihany, satria tsy mba mila ny famindaram-pon’Andriamanitra ka tsy hankalaza velively ny fitiavany fa handany andro hitsikera sy hanaratsy ny hafa. Tsy hisy fandresena hankalazaina akory ami’ny Sabata sy ny alaohady. Hotsaroantsika ary fa isika koa dia efa mba nandevozin’ny fahotana, ka midera ny fahafahantsika (Det 5,12) ary mivavaka mba handresen’ny olombelona rehetra miaraka amin’i Kristy koa. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faharoa mandavantaona
PREVIOUS
Alatsinainy faharoa mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy faha-13 mandavantaona
  • Alarobia faha-13 mandavantaona
  • Alatsinainy faha-13 mandavantaona
  • ALAHADY FAHA-13 MANDAVAN-TAONA Taona D
  • 24 jona – Nahaterahan’i Joany Batista

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2022
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    2627282930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy faha-13 mandavantaona 29 juin 2022
    © 2022   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.