Trinitera Malagasy
Alatsinainy faharoa mandavantaona

Alatsinainy faharoa mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa  Taratasy Hebrio 5, 1-10/ Salamo 109/ 
  • Ankasa 1 Samoela  15, 16-23/Salamo 49/
  • Md Marka 2, 18-22

Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampiakatra? Teo amin’Israely dia fahazarana ny mifady hanina sy mivavaka, indrindra amin’ny fanomanana fety sy amin’ny fiandrasana trangan-javatra manan-danja, na amin’ny fiomanana handray andraikitra manokana. Mivavaka ary mifady hanina satria indraindray heverina fa rehefa mitaraina sy mitoloko eo anatrehan’Andriamanitra isika dia halahelo antsika izy ka hamindra fo.

Ao amin’ny Testamenta Taloha dia hita matetika izany fomba izany. Tsy mbola matotra ny fahalalan’ny Jody ny endrik’Andriamanitra fitiavana ary nanahirana ny hieritreritra fa ny mpanota iringiriny dia afaka hiditra ny lanitra (ilay jiolahy eo ambony hazofijaliana), sarotra ny hahazo ny hafaliana sy ny fety ataon’ilay Ray tsara fo satria tafaverina ny zaza mpandany. Sarotra ny mahazo fa tsy mpivarotra fahasoavana Andriamanitra. 

Na i Jesoa aza nanomana ny fitoriany teny tamin’ny fifadian-kanina, hahafahana mamolaka ny tena mba tsy ho andevon’ny ratsy, saingy avy eo, fety sy fanasana lava ny fiainany (Mt 11,19), fety miaraka amin’ny mpanota (Mk 2, 15-17), miaraka amin’ny mpanan-karena (Zake, Simona…). Tsy mifady izy satria Izy no mpampiakatra nandrasan’Israely, hafaliana no sitrany hozaraina amin’ny olombelona tsirairay avy. Raha izany ary, atao inona ny fifadian-kanina? Tokony hanao izany ve isika? 

Efa voaasa amin’ny fanasany isika saingy tsy mbola lavorary izany hafaliana izany raha mbola ety amin’ity tany fandalovana ity. Tahaka ireo Apostoly dia malahelo ihany isika, saingy na hifady aza hiandry ny hafenoan’ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy atao an-kafaliana izany (Mt 6, 17). Ny fifadian-kanina araka izany dia manampy antsika hahatsiaro fa mpivahiny isika, tsy tokony hiraiki-po loatra amin’ny zava-mandalo. Ny fifadiana sitrak’Andriamanitra dia izay mitondra hafaliana ho an’izay mifady ary hafaliana bebe kokoa ho an’izay notolorana ny vokatry ny fifadiana.  

Manaraka izany, tsy ny fifadian-kanina no sitrak’Andriamanitra fa ny famindram-po. Ny fizarantsika izay eo am-pelantanana dia manampy antsika indrindra indrindra hanome hanina izay mety niangaran’ny vintana. Ny fahalalana onony kosa, ary ny fifadiana aza, raha ilaina izany, dia manampy antsika hamolaka sy hanampy ny sitra-po mba ho matotra (ascèse) ka tsy ho voasodokan’ny rendrarendra sy ny filan-dratsin’ny nofo. Tsy mandeha ho azy manko izany fifehezana izany fa mila fanazaran-tena sy fandavan-tena. Tsy fangatahana ny fahasoavana izany sanatria fa fitahirizana kosa izay efa omen’Andriamanitra antsika maimaim-poana.

Fomba fiainana vaovao ilàna fanapahan-kevitra anefa izany, hoy Jesoa, satria tsy afaka no sady hanompo sampy isika no hihevitra fa kristianina, ary sanatria hivevitra fa raha tsy sitran’i dadarabe ve sty hositranin’ny Komonio. Ny tahotra ny herin’ny maizina indraindray mahatonga ny olona sasany handeha hanompo sampy, hihevitra ny hanohitra ny ratsy amin’izany. Ny hazavan’i Kristy tafatsangan-ko velona no afaka handresy ny haizin’ny fahotana. Ary ny fandraisana ny fahazavany dia manova tanteraka ny fomba fisainana. Tsy afaka ny higoka ny hasoan’ny divay vaovao any amin’ny fanasany izay mbola mahazo tsirony amin’ny divay tranainy atolotry ny fisainan’izao tontolo izao (Lk 5,39). Tsy afaka ny hitafy an’i Kristy izay mankafy ny voninahitr’izao tontolo izao. Izay mandray ny lalàna vaovao avy amin’ny Fanahy Masina dia mazava loatra miditra ao amin’ny lalàn’ny fiainana (2 Kor 3, 6). 

Efa manandrana ny hafalian’ny fanasana miaraka amin’ilay Mpampakatra isika, sahala an’ireo mpianatra ny harivan’ny alakamisy masina, saingy mbola eny an-dalana kosa mizotra mankany amin’ilay fanasana mandrakizay, sahala amin’izy ireo, hifady satria tonga ny fotoana nanalana tsy ho eo amin’izy iroe intsony ny Mpampiakatra (maty teo ambony hazofijaliana), saingy izany andro izany no hanombohan’ny lalàna vaovao (divay vaovao), dia ny lalàn’ny fitiavana, mitondra mankamin’ny hafenoan’ny aina. 

Angatahontsika ny fahasoavany hanampy antsika hadio fo, hibanjina ny Tavany, “22hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filan-dratsy,  23mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo hianareo,  24ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa” (Efez 4, 22-24). 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faharoa mandavantaona
PREVIOUS
Alahady faharoa mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.