Trinitera Malagasy
SABOTSY II FIAVIANA

SABOTSY II FIAVIANA

Trinitaires Madagascar Comments 0 Comment

Ekleziastika 48, 1-4.9-11 /Sal 79 / Md Matio 17, 10-13

Sambatra izay hahita anao ary nodimandry voahaingon’ny fitiavana, satria azo antoka fa ho velona. Ho an’Israely, tsy misy mpaminany lehibe toa an’i Elia ary nandrasan’izy ireo fatratra ny fiverenany mba hanomana ny fiavian’ny Mesia. Izay no nahatonga an’i Md Lioka hanamafy fa i Joany Batista no ilay Elia voatendry hanambara ny famonjena amin’ny fampitoniana ny hatezerana, amin’ny famelana ny hadisoana ka hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka (Lk 1, 17).  

Ny dikan-tenin’ny salamo moa milaza hoe: Izahay tsy handao anao intsony fa velominao izay miantso ny Anaranao. Manahirana ihany satria sahala amin’ny hoe avelan’Andriamanitra ho faty any izany izay tsy miantso ny anarany sanatria. Raha ny marina, וּ dia midika hoe “avy eo dia”, [και amin’ny teny grika no nandikana azy], ka ny dikan-teny mahalaza ny hevitry ny salamo araka izany dia hoe: Velomy izahay dia hiantso ny anaranao. Izay velomin’Andriamanitra manko no afaka midera ny anarany, izay ampamirapiratany ny tavany ka mahazo ny famonjena no afaka mitory ny halehibeazany.

Ny Evanjely dia manamafy izany. Araka ny lovam-panahin’Israely, mifototra amin’ny faminanian’i Malakia (Ml 3,23) dia tsy maintsy ho avy Elia hanomana ny fiavian’ny Mesia amin’ny fampibebahana sy ny fampivondronana ny olona. Lazain’i Jesoa anefa fa nanaovan’ny olona izay sitraky ny fony izy. Tsy ny fibebahan’ny olona araka izany no niavian’ny Mesia, fa ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny famonjena antsika. Izay no nahatonga ahy nanatsidika teny aloha fa “hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka” no asan’i Elia. Tsy ny fibebahan’ny zanaka fa ny fitiavan’ny ray no toriany.

Indraindray, hoy ny Mompera Curé d’Ars miheritreritra isika fa tsy tokony handray komonio satria tsy mendrika. Tena marina fa tsy mendrika isika ary tokony hekena izany. Saingy ny handraisantsika an’i Jesoa dia satria mila azy isika. Tsy valisoa ho an’ny 99 tsy mila fibebahana tokoa manko ny Komonio fa fanafody manasitrana ny fon’ilay tokana nania lavitra ny vala. Tsy isika no mandray azy fa Izy no manao antsika eo an-tsorony, hoentiny ho ao am-bala.

Izany no ampahatsiahivin’ny Papa ny Pretra hoe : tsy valisoa ho an’ny olona lavorary ny Eokaristia fa fanafody mamimaim-poana ary tohan’aina ho an’ny osa (Evangelii Gaudium 47).

Ny fiomanantsika amin’ny fankalazana ny Noely anie hampibebaka ny fontsika ho afaka amin’ny haratsiana ka ho afaka hibanjina ny endrik’Izy Ray, Fitiavana.  

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady fahatelo Fiaviana Taona A
PREVIOUS
ZOMA II FIAVIANA

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • TRINITE MASINA TAONA D
  • Sabotsy fahafolo mandavan-taona
  • Zoma fahafolo mandavan-taona
  • Alakamisy fahafolo mandavan-taona
  • 11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • TRINITE MASINA TAONA D 13 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.