Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-28 mandavan-taona

Sabotsy faha-28 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Efezy 1,15-23/Salamo 8
  • Tsy ankasa: Rômanina 4,13.16-18/Salamo 104
  • Md Lioka 12,8-12

Manamafy ny fitokisana tokony hananan’ny mpianatra miatrika ny mety ho fanenjehana sy ny tsy fahafahana mitory an-kalalahana ny Tenin’Andriamanitra i Jesoa: tsy misy takona izay tsy haseho ary mbola ho toriana eny an-tafon-trano izay bitsihina amin’ny sofina ao an-trano. I Jesoa ilay Zanak’Olona, ben-‘ādām, araka ny filazan’ny Jody hilazana ny taranak’olombelona, fa mampahatsiaro antsika kosa ny endrik’ilay Adama noharian’Andriamanitra hitovy endrika sy hanahaka Azy (Jen 1,27; 5, 1-3), ampiasain’i Ezekiela Mpaminany in-93. Ao amin’i Daniela Mpaminany kosa, izay boky fankaherezana ireo Jody niaritra ny fanenjehana tamin’ny fotoana nanjakan’i Antiochus Epiphane, izay nihevitra haka ny toeran’Andriamanitra ka namoritra izay rehetra heveriny fa mitondra fisarahana sy mety hanembatsembana ny voninahiny, dia mampahatsiaro ilay Zanak’Olona hipetraka eo amin’ny fiandrianan’Andriamanitra (Ez 28,2), mampahatsiaro ny Masin’ny Tompo (Dan 7), ilay Olona tokana lazain’i Md Paoly hahafahan’ny olo-marina hanjaka ao amin’ny fiainana (Ro 5, 15-17). Io ilay mpisolo vava ny olomasina rehetra eo anatrehan’ny fiandrianan’Andriamanitra.

Izay marina araka izany, izay milaza fa mahafantatra (ὁμολογέω homologeo) Azy eo anatrehan’ny olona dia ho fantany koa eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra fa izay handà (ἀρνέομαι arneomai) Azy kosa, dia ho lavina. Iza no handà azy? Ao amin’ny Matio dia ny Zanak’Olona no handà Azy (Mt 10, 33).

Eto no ampidiran’i Md Lioka ny mikasika ny fahotana manohitra ny Fanahy Masina, izay lazain’i Md Matio aza fa tsy hahazo famelana na amin’ity fiainana ity, na amin’ny fiainan-ko azy (Mt 12, 32). Ao amin’i Matio sy Marka moa dia ao amin’ny fifamalian’i Jesoa sy ny Farisiana mikasika ny fandroahana demony amin’ny anaran’i Belzebola niantombohan’ny resaka (jereo koa Mk 3, 28-29). Ho an’i Lioka, ny fahotana manohitra ny Fanahy Masina dia ny fandavana tsy hiasan’ilay Fanahy efa nanangana an’i Kristy ho velona, ka tsy hanaiky hatsangany ho velona miaraka amin’i Kristy ao amin’ny fiainam-baovao.

Azo heverina manko fa izay miteny ratsy ny zanak’Olona, izany hoe niteny ratsy an’i Jesoa, ilay zanak’i Maria sy Josefa, dia hahazo famelana ihany, fa aorian’ny Fitsanganan-ko velona kosa, izay hilaza fa hadalàna sy fahaverezana ny fahafatesan’i Jesoa ary handà ny fitsangany ho velona ho amin’ny voninahiny, handà fa ny fisandratana eo amin’ny Hazofijaliana no fiakarany any amin’ny voninahitry ny Lanitra (KFK 662), izany hoe hiteny ratsy (βλασφημέω blasphemeo) ny Fanahy Masina nanangana Azy ho Velona, dia tsy ho voavela mandrakizay.

Izay mankalaza ny hasambaran’ny voavela heloka kosa (Sal 32) dia hatoky ny asan’ny Fanahy izay hanoro azy ny valin-teny omena ny mpifehy izao tontolo izao. Izany fitokisana ny Fanahin’ny Fahamarinana izay hanoro ny Mpianatra ny marina rehetra sy hampahatsiahy azy ireo izay rehetra nampianarin’i Jesoa (Jo 14) izany no hahafahana miaina ny fahafahana marina, hanafaka amin’ny tebiteby sy izay mety ho kajikajin’olombelona fotsiny ihany, ka hihainana amin’ilay fiadanana nampanantenain’i Kristy (Jo 14, 27).

Ho hery ho an’ireo Kristianina miaritra ny fanenjehana noho ny finoana anie ny vavaka ataontsika, matoky fa mifehy izao tontolo izao Andriamanitra ary maniraka ny Fanahiny hanavao sy hanamasina ny tany (Sal  104).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-29 mandavan-taona Taona B
PREVIOUS
18 OktobraMd Lioka Evanjelista.
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.