Trinitera Malagasy
Alahady fahatelo Fiaviana Taona A

Alahady fahatelo Fiaviana Taona A

Trinitaires Madagascar Comments 0 Comment

Izaia 35, 1-10/Salamo 145
Jakoba 5, 7-10
Md Matio 11, 2-11

Andraso am-pitokiana ny Tompo!

Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo!

Alahady « Gaudete » Mifalia!  Koa moa no iantsoana ity alahady ity noho io tononkira fidirana io. Na eo aza ny ahiahy mameno ny fo amam-panahy dia antsoina isika hifaly. Tsy hifaly amin’ny zava-mandalo anefa fa hametraka ny antom-pifaliantsika ao amin’ny Tompo. Hanampy antsika hiaina an’ity alahady fahatelo ity araka izany ny fanokanana fotoana mba handinihana manokana ireo zavatra mahafaly ny fontsika, sao sanatria tsy ao amin’ny Tompo.

Eo amin’izao tontolo izao dia tsy misy hafaliana ka manao fety, manao korana mba hitadiavana “hafaliana”, izay mazàna mandalo ihany, ary mahatonga ny fiatrehana ny fiainana havesatra kokoa aza. Ho an’izay entanin’ny Fanahy kosa dia mandray ny hafaliana avy aminy, ka ny fiainana manontolo no zary fanehoana hafaliana. Ny fialan-tsasatra dia mba hahazoana hery sy fahavononana bebe kokoa hiatrehana ny adidy.

Tamin’ny alahady faharoa dia nihaino ny fampianaran’i Joany Batista isika : « Aoka hanao asa soa maneho ny fibebahana » (Mt 3. 1-12). Mitaky fanetren-tena izany, ary ny fanekentsika ny halemena no manosika antsika hitalaho ny fahasoavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra. Rehefa avy nihaino ny hafany isika tamin’ny alahady heriny, dia antsoin’ny litorjia anio kosa mba hianatra ny nataony: tsy hitoky amin’izay heverina ho marina fa hametra-panontaniana mandrakariva hahalalana marina ilay Mesia nampanantenaina ka hahafahana mandray azy mba hahafeno fatra ny hafaliana. Tsy afaka ny hihaona amin’ilay Lalana sy fahamarinana ary fiainana manko izay mikaroka izany amin’ny fo tokoa.

Ilay Fanahy nanentana an’i Jesoa ary lazain’i Joany fa hanaovany Batemy antsika koa anefa dia tsy mitsahatra ny manadio ny fontsika. Ny vokatry ny Fanahy, hoy i Paoly dia « fitiavana, fifaliana, fiadanam-po… » (Gal 5, 22).

Mahalaza ny votoatin’ny Tenin’Andriamanitra nifampizarantsika anio ireo: fitiavana izay nanentana ny fon’i Kristy hanao soa hatraiza hatraiza, nanasitrana ny rofy rehetra… fifaliana izay mameno ny fon’ireo izay matoky an’Andriamanitra, noho ny soa azon’ny olombelona rehetra… fiadanam-po enti-miandry ny famonjena am-pandeferana sy faharetana (Vakiteny II: Jak 5, 7-10), eny fa na dia mety tsy araka izay irìn’ny fon’ny olona aza, satria « manantena » sy matoky ny Tompo.

Tsy azo adinoina fa mampiavaka ny Mpaminany Izaia ny Fitokisana tanteraka amin’YHWH. Manaporofo izany ny hoe: raha nandindona ny fanafihan’ny fahavalo ka sahiran-tsaina nitady tetika sy nila vonjy tamin’ny Mpanjaka manodidina ny Mpanjakan’i Jodà, Izaia kosa nananatra ny Mpanjaka mba hatoky irery ihany ny Fahefan’Andriamanitra. Tsy azo adinoina fa izany Fanantenana nameno ny fon’ny Mpaminany izany dia mifototra amin’ilay Voninahitr’Andriamanitra (Iz 6) manoloana ny fahotana sy ny fahalemen’olombelona : ny fahatsapany ny tsy fahamendrehany sy ny famindram-pon’Andriamanitra nanadio ny vavany sy maniraka azy hitory ny Teniny (Iz 6, 6-10). Dia izay voninahitra izay no ambarany ombieny ombieny… (Vakiteny I).

Raha tsy masaka ary latsa-paka ao am-pontsika izany finoana izany dia hiantsampy any amin’ny fitadiavana vahaolana araka ny saim-patatsika fotsiny isika. Ny faminanian’Izaia no nandrasan’Israely ary valin-teny nomen’i Jesoa an’ireo iraka nalefan’i Joany Batista: hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina, hitsambikina ny mandringa ary hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana ary hiravo avokoa ny vahoaka manontolo.

Tsara ho tadidiana fa fototr’izany fanantenana sy hafaliana izany ny fifandraisana amin’ilay Andriamanitra sy ny vavaka atao aminy. Tsy mihanona amin’ny vavaka iaraha-manao anefa, fa ilay vavaka « tena samirery » (Ansiklika Spe salvi n° 34) izay hanamafisantsika ny toerana hametrahana an’Andriamanitra marina eo amin’ny fiainantsika. Io no tena fototry ny fanantenana, hoy ny Papa ao amin’ny ansiklika nosoratany, na dia tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa aza ny fiaraha-mivavaka sy ny vavaky ny fiangonana (litorjia) izay manitsy sy manadio ny mety ho vokatry ny fitiavan-tena sy ny faniriana diso toerana ao amin’ny vavaka samirery.

Ny vavaka no mampitombo ao amintsika ny faharetana, ary tsy hifampimonomononana, tsy hampiasa na inona na inona mifanohitra amin’ny fitiavana na dia ho an’ny zon’ny tena manokana aza. Tokony hianatra ny mpiasa tany, hoy i Md Jakoba: mamboly, misasatra saingy mahatsapa fa tsy miankina aminy izay mety ho fahavokarana na tsia, tsy miankina aminy ny ranonorana, saingy tsy afaka ny hamboly izy raha tsy entanin’ny fanantenana ny voka-tsoan’ny tany (Jak 5, 7-10).

Ny fijoroantsika ho vavolombelona die mety hitera-doza ho antsika, tahaka an’i Joany Batista, nilaza ny tsy rariny nataon’i Herôda (Mt 14, 1-12) ka niafara tany an-tranomaizina ary notapahin-doha. Mety hanozongozona ny finoana ny tana-maherin’Andriamanitra miaro ny vahoakany izany, saingy izay tahaka an’i Joany, tsy bararata manaraka izay hitsofan’ny rivotra azy, tsy olona mitady ny tombontsoany sy ny akanjo tsara manamarika ny toeram-boninahiny, fa hijoro ho mpaminany, dia afaka maneho ny halehibeazany eo anatrehan’Andriamanitra: lehibe noho ny mpaminany, eny fa na dia tsy mbola nisantatra ilay Batemin’ny Fanahy fananganan-janaka natolotr’i Kristy antsika aza.

Tsy hohadinointsika fa isika no antsoin’Izy Tompo hanohy ny asa fanavotana natombony: ny hitsarana antsika dia izay ataontsika amin’ny mahantra sy ireo atao tsinontsinona (Mt 25). Isika no tanana hanatontosa ny asam-pahamarinana tanisain’ny salamo setriny (sal 145) : manome rariny ny hampahoriana, hanome sakafo ny noana, hamaha ny mpifatotra…

Enga anie isika amin’izao fiomanantsika hankalaza ny Noely izao mba ho feno hafaliana lalan-dava ary ho loharanon-kafaliana, tsy hanadino ny dingana efa natomboka : hiandry am-pitokiana ny fiavian’ny Tompo, hibebaka sy handray ny Fanahiny, ary ho vonona hovolavolain’io Fanahy io, hanaiky ho diovin’ny Komonio masina amin’ny haratsiantsika rehetra (vavaka aorian’ny komonio) ka ho tonga iraka mpitondra fahafahana! Mpitondra Famonjena (miha-Jesoa isan’andro).

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy fahatelo Fiaviana
PREVIOUS
SABOTSY II FIAVIANA

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.