Trinitera Malagasy
Sabotsy fahafito mandavan-taona

Sabotsy fahafito mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Siràka (Ekleziastika) 17,1-15/ Salamo 102/
  • Ankasa: Jakôba 5,13-20/Salamo 140
  • Md Marka 10,13-16

Nisy nitondra zazakely (παιδίον – paidion) maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, kanefa notenenin’ireo mpianatra mafy ireo nitondra. Tsy izay naharoaka demony amin’ny anaran’i Jesoa ihany no nanaovan’ireo mpianatra toeran-tsy zaka fa ny zazakely koa, satria matahotra sao tsisy toerana ho azy ireo intsony angamba any amin’ny fanjakan’ny lanitra fa ho lasan’ny zazakely avokoa (Mk 9,36).

Tezitra i Jesoa nahita izany, na ny marimarina kokoa nalahelo mafy (ἀγανακτέω– aganakteô: agan=  feno, achthos – alahelo) satria tsy azon’ireo mpianatra fa tsy mampihena ny anjaran’izy ireo akory ny fitomboan’ny olona miditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy lova vokatry ny fahamendrehana sanatria fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Ny kely sy ny zaza no afaka mandray azy an-kafaliana araka izany, satria ny mpanankarena tsy mila zavatra omena maimaim-poana (mampitovy zo amin’ny mahantra izany ka tsy tantiny). Iza àry, mihoatra noho izy ireo no afaka hanatona an’i Jesoa?

Izay te ho mpianatr’i Jesoa koa, manaraka ny ohatra nomeny, dia manokan-tena handray ireo mahantra sy toy ny zaza, satria tsy manan-kavaly. Tsy amin’ny anarany anefa no anaovany izany fa amin’ny anaran’i Jesoa (Evanjely Alakamisy teo), mba tsy hahavery ny valisoa miandry azy ireo. Mahatsapa manko izay manao soa fa tsy azy fa “talenta” napetrak’Andriamanitra eo am-pelatanany no entiny hanaovan-tsoa, ka ny fikolokoloana ny madinika sy ny tsy manam-piahy no fampamokarana tsara indrindra hahafahana mampitombo izany “talenta” izany.

Tsy afaka hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra hoy i Jesoa izay tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely. Izay mihevitra ho mahavita tena, mihevitra fa ny fahaizany sy ny fiezahany no ahafahany manao zavatra na manan-javatra dia tsy afaka hiaiky fa fitiavana Andriamanitra ka izay manam-be dia hotakiana be, satria nomeny mba ho afaka hitia bebe kokoa. Izay mihevitra ny tenany ho mahavita azy dia tsy afaka ny hiantso an’Andriamanitra ho “Ray” “Abba”.

Fihinin’i Jesoa ireo zaza, ilazana ny fitiavany manokana azy ireo, ilazana fa vonona ny ho fiarovana ho azy ireo izy. Tsy maintsy ho mpiaro ny madinika sy izay verezin-jo (toy ny zaza tamin’ny andron’i Jesoa) ihany koa ireo te hanara-dia Azy. Hitso-drano sy hanamasina no iantsoan’i Jesoa ny Mpianany fa tsy hanjakazaka na sanatrian’izany hahavita handroaka tahaka ireo Mpianatra fahiny. Hahay hanaja ny safidin’ny hafa koa anefa raha toa ka mbola tsy vonona ny hiaina ny Evanjely izy ka “hiala amin’alahelo” (tahaka ilay mpanan-karena lazain’ny Evanjely amin’ny alatsinainy).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy fahavalo mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma fahafito mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona
  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy voalohany mandavan-taona 16 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.