Trinitera Malagasy
Zoma fahafito mandavan-taona

Zoma fahafito mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Ekleziastika 6,5-17/Salamo 118/
  • Ankasa: Jakôba 5,9-12/Salamo 102
  • Md Marka 10,1-12

Amin’ity toko fahafolo ity dia mandao an’i Galilea i Jesoa ary mihazo an’i Jerosalema (andininy 32). Ara-jeôgrafia ny sisin’ny tanin’i Jodea, andafin’i Jordany (Perea) dia azo heverina ho tany tsy dia nonenan’ny olona loatra, saingy lazain’i Marka fa nivory teo ny vahoaka, izany hoe tonga mba hihaino ny fampianaran’i Jesoa, liana amin’ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hatramin’ny Farisianina aza moa tonga, saingy ny haka fanahy azy no anton-dian’izy ireo.

Mahazo misao-bady va ny lehilahy? Fanontaniana ihany koa no navalin’i Jesoa azy ireo, mba hilazany ny antony nahatonga an’i Môizy hanome alalana hisao-bady, araka ny Boky Deoterônômy (24,1-4). Ny fisaraham-bady manko efa nisy hatrizay, ary saika nanaiky izany avokoa ny kolontsaina rehetra, eny fa na dia ny Hebrio izay nahazo lalàna mazava avy amin’Andriamanitra mikasika ny hasin’ny fanambadiana aza (Jen 1,27; 2,24). Satria mafy hatoka, fo vato tsy mbola afaka hanaraka ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, dia noezahin’i Môizy harovana farafaharatsiny hahay ny zon’ny vehivavy.

Nisy lehilahy tsy valahara indraindray, mandroaka ny vadiny tsy amin’antony ka raha sanatria manambady olon-kafa any ilay ramatoa voaroaka dia endrikendrehany ho nijangajanga ka dia toraham-bato. Izy amin’izay afaka manao izay tiany hatao sy miverina manambady malalaka. Araka izany, ny fanomezana taratasy fisaoram-bady an-dravehivavy dia ny mba hahafahany manambady koa raha toa ka misy lehilahy tia azy, ary mba hampisaina an-dralehilahy mialoha ny handroaka azy satria tsy afaka ny hiverina aminy intsony izy aorian’ny taratasy fisaorana.

Tsy izany anefa no fandaharan’Andriamanitra, hoy i Jesoa. Tsy mandrava ny lalànan’i Môizy Izy sanatria fa kosa mamerina amin’ny tena izy ny hasin’ny fanambadiana izay firaisam-po mahatonga ny mpivady ho nofo iray, ho tena iray, nofo, σάρξ– sarx izay nandikana ny בָּשָׂר – (bāsār) izay avy amin’ny hoe בּשׂר, mitondra hafaliana: tena iray miombom-pifaliana araka izany. Ny firaisan’ny mpivady araka izany dia mariky ny fifanolorany hasambarana feno, ka ny fandaozana ny ray aman-dreny dia midika ho fahavononana feno hanolo-tena manontolo ho an’ilay tiana mba hahasambatra azy. Ny firaisana tsy manambara firaisam-po sy fanoloran-tena ho fahasambaran’ny hafa araka izany dia fitaka sy fitiavan-tena fa tsy fitiavana. Tsy ifanerena araka izany fa sitra-po malalaka asesiky ny fitiavana no mahatonga ny mpivady haniry hifankatia ho doria, atambatry ny jiogam-pitiavana avy amin’Andriamanitra (συνέζευξεν, συζεύγνυμι – synezeuksen, suzeugnumi ny matoanteny ampiasanin’ny Evanjely dia midika hoe ampiraisina amin’ny jioga – ζυγός).

“Nony mby tao an-trano”, raha ny marina dia eny an-dalana mankany Jerosalema i Jesoa sy ny mpianatra, araka izany dia azo heverina fa tian’i Marka asiana tsindrim-peo ny hevitry ny fampianarana ho an’ireo izay mivondrona ho trano iray, ho Fiangonana. Ho an’izay te hanara-dia an’i Kristy manko, dia  tsy vitan’ny hoe tsy afaka hisaraka amin’ny vadiny (and. 9) satria tsy azo atao, fa fijangajangana ny fampakarana vady faharoa, na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy.

Ny fiangonana anefa dia mila mijery mandrakariva ny fianan’ny olona, mazàna rotidrotiky ny fahotana sy ny fahalemena, tahaka ny nataon’i Paoly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1Kôr 7,10-16) hikatsaka izay hizoran’ny mpino ao amin’ny fiadanana, indrindra raha tafalatsaka amin’ny firaisana amin’ny olon-tsy mpino izy, sao izay no lalana hitondrana azy amin’ny famonjena…

Ny Toko fahavalo amin’ny Amoris Laetitia dia mila iverenana mandrakariva mba hahafahana manampy ireo mitondra ny hazofijaliany  sy misedra ny sarotra amin’ny lalan’ny Tokantrano Kristianina.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahafito mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy fahafito mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona
  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy voalohany mandavan-taona 16 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.