Trinitera Malagasy
Sabotsy faha 12 mandavan-taona

Sabotsy faha 12 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Fitomaniana 2,2.10-14. 18-19/Salamo 73
  • Tsy ankasa: Jenezy 18,1-15/Salamo 127
  • Md Matio 8,5-17

Nisy Kapiteny iray nanatona an’i Jesoa rehefa tafiditra tao Kafarnaoma Izy. Tsy misy ao amin’i Md Marka ity fitantarana ity. Na izany aza anefa, ny ἑκατοντάρχης– hekatontarches, tompon-jato dia manam-boninahitra amin’ny miaramila rômanina, ka sarotsarotra ny mahazo ny antom-pisiany any Kafarnaoma (indrindra moa ny lazain’i Lioka fa nanampy hatramin’ny fanorenana ny sinagôga Lk 7,5), raha tsy hoe amin’ny fiambenana ny sisin-tany angamba. I Galilea manko dia Tetrarka nanjaka tany hatramin’ny taona 44 taor. K. (nahafatesan’i Heroda Agripà I) ka noho izany dia mbola tsy tena zanatany rômanina tamin’ny andron’i Jesoa. Manampy antsika hahazo ny atao hoe finoana anefa izany rehetra izany.

Hatramin’ny 63 tal. K., nandresen’ny Jeneraly Pompée ny Siriana moa ka nahazoany an’i Jerosalema no nidiran’ny Rômanina an-tsehatra. Na izany na tsy izany dia mpanjana-tany no fahitan’ny Jodyny Rômanina, na ireo tavaratra aza. Tsy nahasakana ity manam-boninahitra ity tsy hanatona an’i Jesoa anefa izay mety ho vokatry ny fangatahany, na dia fantany aza fa tsy any amin’ny faritra hahafahany manao didin’ny besandry izy. Raha ny marina aza, dia tsy nangataka na inona na inona izy, ilay boka mba nilaza fa “raha mety dia hahay hanadio” azy. Ity kosa dia nilaza tsotra fotsiny fa marary malemy mandry ao an-tranony ny ankizilahiny (παῖς – pais, zanaka na zazalahy no hita eto fa δοῦλος – doulos kosa no teny ampiasain’i Md Lioka – Lk 7,2) ary mijaly mafy dia mafy.

“Dia izaho ve no ho avy hanasitrana azy ? » (Jésus lui dit: «Moi, j’irai le guérir?» TOB). Araka ny TOB dia izay no valin-tenin’i Jesoa. Sahala amin’ny milaza hoe: inona no hidirako amin’izany? Izaho Jody ve ndeha hiditra any an-tranon’ny mpanjana-tany? Raha izay no dikanteny raisintsika, izay mifanaraka amin’ny fitantarana mikasika ilay vehivavy kananeanina na kanaànita (Mt 15,24), dia manampy antsika koa hahazo amin’ny fomba hafa ny valin-tenin’ilay Tomponjato.

Tompoko, tsy “olon-dehibe afaka haniraka anao” ho any ambany tafon-tranoko aho, fa nanonòna teny iray ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko. Tahaka azy, olom-pehezina kanefa mba afaka mibaiko ny olom-peheziny ihany koa, ka sady manaiky ny teny baiko no mampiasa ny teny hibaikoana, mainka fa ilay Tompo (κύριος– kyrios) mibaiko sy mandidy ny zavatra rehetra. Araka izany, tsy teniteny foana hatao tsianjery tsy akory ny finoana fa izany fitokisana amin’ny fahefan’Andriamanitra afaka manasitrana izany. Finoana toy izany no mahagaga an’i Jesoa, lazainy an’ireo nanara-dia Azy, izay mety hihevitra ny toerana azo eo akaikin’i Jesoa dia hanadino ny fitiavany maimaim-poana sy ny fitokisana amin’ny herin’ny Teniny. Izany moa dia entiny hilazana fa na ny jentily aza dia afaka miditra ao amin’ny tontolon’ny finoana, ary ambaran’i Matio mazava fa voaantso ho amin’izany ny olombelona rehetra hatrany atsinanana ka hatrany andrefana (hatrany avaratra ka hatrany atsimo – Lk 13,19), ka ho asakasak’izay te ho any amin’ny haizina any ivelany hitomany sy hikotro-nify, halahelo sy ho tezitra amin’ny fiainana nolaniana tany ivelan’ny fitiavana. Ny fahafahana nomena antsika no hanapahantsika hevitra na hanaraka ny hafaliana ao amin’ny hazavan’ny fiainana na ny halahelon’ny haizina sy ny fahafatesana. Amin’ny ora handraisantsika ny hazavana ka hanehoantsika ny finoantsika no hahazoantsika fanasitranana.

Rehefa tonga ao an-tranon’i Piera kosa i Jesoa, araka ny fitantaran’i Matio, dia tsy nisy nilaza taminy ny fahararian’ny rafozambavin’i Piera fa Izy mivantana no nahita azy, nanendry ny tanany ka nahasitrana azy. Ny boka, nahazo aim-baovao ao amin’i Jesoa, afaka miombona indray amin’ny fiaraha-monina, ny tomponjato efa teo amin’ny fiaraha-monina fa miombona kosa indray amin’ny finoana marina, ary ny rafozam-bavin’i Piera, nositranin’i Jesoa ka nitsangana (ἐγείρω – egeirô, nitsangan-ko velona) mbahanompo, hanasoa ny mpiara-belona. Antsoina ho amin’izany fanompoana izany isika rehetra nahazo fanasitranana avy amin’ny Tenin’ny finoana, “teny indraim-bava” nandroahany ny fanahy ratsy sy hanasitranany ny rofintsika sy ny aretintsika rehetra izay nolanjainy tamin’ny Hazo nentiny nanavotra antsika.

“Nony hariva ny andro”, io ilay andro hariva hilazana ny fijaliana, ilay haizina amin’ny mitataovovonana (Mt 27,45), ny fahafatesana, ny fitsaharan’ny olona amin’ny asany. Amin’izay isika no afaka hitondra eo Aminy ny azon’ny demony sy ny marary rehetra, ka ny Hazofijaliana no faratenin’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona, hilazany ny hafenoan’ny fitiavany.

Hanaiky hositranin’ny feriny anie isika ka ho tonga mpanompo Azy ao amin’ny mahantra izay hisy eo amintsika mandrakariva (Mt 26,11).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
29 jona: FANKALAZANA AN’I MD PIERA SY PAOLY
PREVIOUS
Zoma faha 12 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy fahadimy mandavan-taona 12 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.