Trinitera Malagasy
Zoma faha 12 mandavan-taona

Zoma faha 12 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 2Mpanjaka 25,1-12/Salamo 136
  • Tsy ankasa: Jenezy 17,1-2,9-10,15-22/Salamo 127
  • Md Matio 8,1-4

“Mety aho, madiova ianao”.

Rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa dia narahin’ny vahoaka betsaka. Ny toko faha 5-7 amin’ny evanjelin’i Md Matio moa dia milaza ny Teny izay tokony hohenoina ka hiainana. Ny toko faha 8 sy faha 9 kosa dia mitantara amintsika ny ohatra nomen’ilay Mpitory, naneho tamin’ny asany ny faniriany hanavao ny olombelona. Tsy mahagaga raha naverin’i Matio indroa fa “nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra i Jesoa, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mt 4,23; 9,35). Ny Teny voatory dia manavao ny olona amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona (Evanjely anio), manana hery hanasitrana sy hanome aina, eny fa na dia anatrehan’ny fahafatesana aza (Mt 8,5-13), manome hery hanompoana (Mt 8,14-17). Tsy miverina any amin’Ilay naniraka azy ny Teny raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy (Iz 55,11).

Ao amin’i Matio 8-9, dia fitantarana “asa folo” (satria ny mitambatra ny fitantarana ny fananganana ny zanak’i Jaira sy ilay vehivavy mitsi-drà) no manohy ny fidinan’ilay Môizy vaovao avy eny an-tendrombohitra: fanasitranana olona telo nailiky ny fiaraha-monina (boka, ny jentily – goHim, vaviantitra mararin’ny tazo – Mt 8,1-17);  famantarana anehoana ny fahefany (ranomasina mitony, azon’ny demony, kilemaina); ary fanasitranana miaraka telo (zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagôga sy ilay vehivavy nitsi-drà samy 12 taona; ireo jamba roalahy; ilay lehilahy sady moana no azon’ny demony Mt 9,18-35). Ireo famantarana roa ambin’ny folo nahazoana fahasoavana ireo dia tandindona ihany, sahala amin’ny foko roa ambin’ny folo teo amin’i Israely, santatry ny vahoaka maneran-tany hanirahana ny Apôstôly.

Ny vahoaka marobe avy nihaino ny Fampianarana teny an-tendrombohitra no manaraka an’i Jesoa. Ireo no antsoin’ny Evanjely handalina ny finoany ilay “Môizy Vaovao”, ka handray marina tokoa ny Teniny sy hampihatra azy amin’ny fiainana. Amin’ny Evanjely anio dia boka tsy niaraka tamin’ny vahoaka, voailiky ny fiaraha-monina araka ny lalàna, ka tsy maintsy hiantsoantso ny “tsy fahadiovany” (Lev 13,45). Tsy misy afa-tsy ilay “madio” no afaka hanadio indray. Tsy afaka mangataka ny fahadiovana amin’i Jesoa izay tsy mino ny fahadiovany. Ny Lalàna dia namaritra fotsiny ihany ny ratsy mety hifindra ka hampidi-doza ny rehetra. Araka ny Bokin’ny Fanisana dia ilaina mandrakariva ny hafa mba handeha hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra (Aarôna nitalaho ho an’i Maria teo anatrehan’i Môizy: Fan 12,11snm). Ilay Môizy vaovao kosa dia azon’ny olona rehetra atonina, ka ny “fahalotoany” indrindra no hahafahany manatona ka “mitsaoka Azy”. I Jesoa kosa haninjitra ny tanany satria tsy afaka ny tsy hanao soa na amin’iza na iza Izy.

Ny fitsaohana an’i Jesoa moa no mamaritra ny Evanjely nosoratan’i Md Matio (Mt 2,2.11: Fitsaohan’ny Majy; Mt 28,17: fitsaohan’ny Apôstôly). Ny fangatahana Aminy hanasitrana ny habokana dia fiekena Azy ho Andriamanitra afaka mandidy ny ho velona sy ho faty (2Mp 5,7). Tsy afaka hanery an’Andriamanitra anefa isika: “raha mety ianao”, raha sitrakao.

Tsy vitan’ny hoe “nety” i Jesoa fa sady naninjitra ny tanany no nikasika ilay boka. Fandikan-dalàna izany raha ny marina, saingy izay no hanehoany ny maha Andriamanitry ny famindram-po Azy. Tsy natahotra ny hifangaro amin’ny olombelona mpanota Izy fa tonga iray petsapetsa amintsika, mba hanehoany ny fitiavany amin’ny famelàna ny hadisoana izay maha boka antsika. Ao amin’i Matio dia ny “habokana no nadio”, ao amin’i Md Marka dia niala ny habokana ka nadio ilay boka (Mk 1,42).

Tsy miala ao amintsika fa lotoin’ny fahotana ihany, ilay endrik’Andriamanitra nahariana antsika. Ny Teny nahariany izao tontolo izao no mbola hamerenany ny olombelona “maloton’ny habokana” ho tonga madio tahaka Azy. Ary satria ny fahatanterahan’ny Lalàna no kendren’i Jesoa dia asainy miseho amin’ny mpisorona ilay voadio (Lev 14,2-32) ka ny fanatitra atolotra dia tsy inona fa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahasitranana. Tsy ho tonga ny farandro raha tsy izao tontolo izao no handre izany Vaovao Mahafaly izany (Mt 24,14).

Tsy ho sanatria ho filan-dera araka izany, fa ho fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra ny fanarahantsika ny lalàna rehetra sy ny fiezahantsika mitandrina azy mba ho soa ho antsika sy ny besinimaro.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha 12 mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy faha 12 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia faha-30 mandavan-taona
  • 28 Oktôbra : Fankalazana an’i Md. SIMONA sy JODA, Apôstôly(Taonjato voalohany)
  • 23 ôktôbra: Fankalazana an’i Kristy Mpanavotra
  • Alarobia faha-29 mandavan-taona
  • Talata faha-29 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    novembre 2025
    D L M M J V S
     1
    2345678
    9101112131415
    16171819202122
    23242526272829
    30  
    « Oct    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia faha-30 mandavan-taona 28 octobre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.