Trinitera Malagasy
29 jona: FANKALAZANA AN’I MD PIERA SY PAOLY

29 jona: FANKALAZANA AN’I MD PIERA SY PAOLY

Njara Pascal
  • Asa 12,1-11/Salamo 33
  • 2Timôte 4,6-8.17-18
  • Md Matio 16,13-19

Amin’ny fankalazana an’i Md Piera sy i Paoly, natambatra ho fety iray, dia antsoin’ny Fiangonana isika handinika ny fifandraisantsika amin’ireo Apôstôly, izay averintsika isaky ny manavao ny finoana: Izaho mino ny Eglizy Apôstôlika. Tany Sezarea an’i Filipo, zanak’i Herôda, eo amin’ny toerana ipoiran’ny iray amin’ireo loharano mitambatra ho Ony Jordany, noheverin’ny olona tamin’izany fa fonenan’ny andriamanitra Pan sy Nymphe, izay ninoan’ny olona fa nameno zava-tsoa an’izay niankohoka nitsaoka azy, indrindra amin’ny fanondrahana ny tanin’izy ireo mba hampahavokatra azy, teo no nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianany, ary hanontaniany antsika rehetra koa hoe: Ataon’ny olona ho iza aho? Ary Ianareo kosa, manao ahy ho iza?

Raha manome harena sy vokatra miavosa ho an’ireo manompo azy i Pan sy i Nymphe, inona kosa no mba antenain’ireo mpianany avy amin’i Jesoa? Inona no mba lazain’ny olona momba Azy? Joany Batista, Elia, Jeremia na iray amin’ireo Mpaminany taloha? Ny fampidiran’i Matio an’i Jeremia eto amin’ny fitanisana dia efa entiny hilazana sahady ny hanjo ilay “Mpaminany vaovao”, ilay “Joany Batista nitsangan-ko velona” araka ny hevitr’i Herôda (Mt 14,2), satria amin’ny Mpaminany rehetra dia i Jeremia no nijaly indrindra tamin’ny fifanoherana sy noho ny nafitsok’ireo Lohandohan’ny Mpisorona sy ny mpanora-dalàna tao Jerosalema.

Efa nahavita dingana niroso ihany ny fahalalan’ny olona an’i Jesoa saingy mbola tsy lavorary. Tsy figagana fotsiny toy izany anefa no hahafahana miaina ny maha mpianatr’i Jesoa. Tsy afaka ho tonga amin’ny fahalavorariana ny finoantsika raha tsy lavovary ny finoantsika an’i Jesoa. I Piera izay misolo tena ny Apôstôly dia mivoatra ihany koa amin’ny fiekeny ny finoana. Ny Apôstôly rehetra no niaiky fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa (Mt 14,33). Eto i Piera dia manampy fa Izy no “Kristy”, ilay Voahosotra, mpamonjy voalazan’ny Mpaminany sy andrasan’ny vahoaka, ilay vatolampy hoenti-mizaha toetra sy hamafana ny fifanekena amin’ny fahafatesana (Iz 28,14-22), handresy araka izany ny vavahadin’ny afobe. Tian’i Jesoa ho azontsika fa ny Fiekem-pinoana dia manova ny fiainana, misy fiantraikany amin’ny fomba fiainana satria hisafidianana ny Andriamanitra marina.

Na dia any amin’ny fifanatrehan-tava hahalalana Azy araka ny tena toetrany aza vao ho lavorary izay maha izy antsika amin’ny fanahafana Azy (1Jo 3,2), dia miainga avy amin’ny finoana fa ao amin’i Jesoa no hahafahana mibanjina ny endriky ny Rainy, dia ilay “Andriamanitra velona”, araka ny nolazain’i Md Piera: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Ao aminy no misy ny fahavelomana ka tsy haharesy izay miorina eo amboniny ny vavahadin’ny afobe. Ny hoe afobe moa, (ᾅδης – hades), toeran’ny maty no andikantsika azy ao  amin’ny fiekem-pinoana dia  fandikàna ny shéol ka ny hades, avy amin’ny a-εἰδῶ eidô, fiainan-tsy hita, hoy ny dikanteny iombonana. Hiditra ny vavahadiny izay mpomba ny demony, hoy ny Boky Fahendrena, fa ny olona kosa, noharian’Andriamanitra ho amin’ny fahavelomana toa Azy (Fah 2,23-24).

Izany finoana an’Andriamanitra velona izany dia fanomezan’ny Fanahy fa tsy sanatria hakingan-tsaina ka hireharehana. Fahasambarana izany ho an’izay mahatsapa fa tsy asan’ny nofo aman-drà no nanambara izany. I Kristy no vato, tokana iorenan’ny Eglizy ka tsy sanatria hisy sahy hitady fototra hafa ankoatrany, hoy i Md Paoly amin’ny Kôrintianina (1Kôr 3, 11), Izy no vatofehizoro mampiray ny fototra dia ny Apôstôly sy ny Mpaminany (Ef 2,19-21), Izy no vatovelona, narian’ny olona fa nofidian’Andriamanitra (1P 2,4-6).   

Ny anarana iantsoana an’i Piera araka izany[1] dia “Πέτρος – petros”, vato arafitra amin’ny fanorenana; ny finoana an’i Jesoa ho Kristy kosa no “πέτρα, petra” vatolampy iorenan’ny Eglizy. Izay rehetra mino ka miaina araka ny finoana nambaran’i Piera araka izany dia mirafitra ho tempolin’ny Fanahy, araka ny fandaharan’Andriamanitra, ireo no olona malina nandray sy mivelona araka ny Evanjely ka mandrafitra ny tranony eo ambonin’ny vatolampy (Mt 7,24-25).

Nandray ny Fanalahidy hamatotra sy hamaha koa i Piera sy ny Apôstôly (Mt 18,18). Manome “lakile” moa dia milaza ny fitokisana apetraka amin’izay hitantana ny fananana. Izay tompon’ny lakile no mandidy sy manapaka, “lakile” nalàna tamin’ny Mpanora-dalàna sy ny Farisianina ary nomena ny Eglizy kosa, tahaka ny nanalàna azy tamin’i Sobnà ka nanomezana azy an’i Eliakima. Ampahatsiahivin’i Matio ihany anefa fa “adidy” ny fanarahana izay mipetraka eo amin’ny fiketrahan’i Môizy, tsy amin’ny toetra ratsiny fa amin’ny fampianarany ny Lalàn’Andriamanitra (Mt 23,2-3).

An’i Jesoa irery ihany, ilay Zanak’ondry voavono ho faty ny fahefana hamoha sy hanidy, hoy i Joany (Ap 3,7), ka izay te hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra nosantariny dia tsy maintsy mandalo amin’ny fiekem-pinoan’i Piera sy ny Apôstôly. Atao ahoana ny hiditra ao an-trano raha tsy fantatra akory aza hoe aiza ny varavarana!

Tsy mpiandry varavarana, araka ny “blagues” marobe atao momba azy anefa i Md Piera. Ny hanampy ny olona hiditra ao amin’ny fiainana no ifandrimbonany miaraka amin’izay rehetra te ho mpianatr’i Kristy. Izany no ankalazantsika ny fetiny miaraka amin’i Md Paoly. Andraikitra nankinin’i Jesoa aminy sy amin’izay dimbiny kosa anefa ny “mamatotra” (δέω – deô), mandrara amin’izay zavatra tsy mifanaraka amin’ny Evanjely, sy “mamaha” (λύω – luô), manome alalana amin’izay azo atao. Tsy tery fa safidy ny maha kristianina ka asan’i Piera ny mamondrona sy mitahiry ny firaisan’ny Mpino, mamahana ny andian’ondry sy mankahery ny rahalahiny ao amin’ny finoana, izy no lohalaharana amin’ny fiainana ny fitiavana.

Mampalahelo fa ny tsy fahavitana ireo andraikitra nankinina tamin’i Piera sy ny mpiara-dia aminy ireo matetika no nahatonga fikomiana sy adilahy teo amin’ny tantara. Io no nahatonga an’i Md Irenée nilaza fa ny Evekan’i Roma dia “ilay mpitari-dalana amin’ny lalan’ny fitiavana”, teny naverin’i Papa François tamin’ny andro naha-voafidy azy ho Papa. Ny hampianatra antsika ny Lalànan’i Kristy sy ny Evanjeliny no laharam-pahamehana ho an’ny Apôstôly sy ny Dimbiny mbamin’izay rehetra maniry hiara-miasa amin’izy ireo ka mialoha ny hitenenana fa “tsy d’accord”, tsy mifanaraka amin’izay eritreretinao ny fampianarany na ny fanapahan-keviny, dia hamafiso mandrakariva aloha ny faniriana marina tokoa hiaina araka ny Evanjely, sao ny hambom-po sy ny avonavona no hanilihan-tena tsy hiombonana amin’ny Eglizy.

Mivavaha isika mba hiainan’ny Mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra ny fiantsoana niantsoana azy, fa indrindra indrindra koa mivavaha ho an’ny andian’ondrin’Izy Tompo mba hahay hihaino ny feon’ilay Mpiandry tokana, nametraka ny fitokisany amin’ny Eglizy, sitrany ho “Reny sy Mpampianatra”.

[1] Tsy dia fanomezana anarana loatra satria i Marka sy i Joany dia efa nampiasa ny hoe Piera, hatramin’ny andro niantsoana ny Apôstôly.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA 13 MANDAVAN-TAONA – Taona B
PREVIOUS
Sabotsy faha 12 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.