Trinitera Malagasy
ALATSINAINY I FIAVIANA

ALATSINAINY I FIAVIANA

Njara Pascal Comments 0 Comment

Vak I: Izaia 2, 1-5 / Sal 121 / Evanjely Mt 8, 5-11

“Fa avy ao Siona no hivoahan’ny lalàna, fa avy ao Jerosalema no hivoahan’ny Tenin’ny Tompo”. Rehefa sendra ny mangidy tokoa moa isika, rehefa teren’ny fiainana dia manao lalàna, mivoadivoady hoe “tsy hanao an’izao na izatsy intsony aho e, hanao an’izao aho e…” Samy lalàna avy moa no nandikana ny derek (hampianatra antsika ny lalàny izy) sy ny torah (avy ao Siona) amin’ny vakiteny anio. Fa izy roa kosa samy manambara ny lalàna ho toy ny tari-dalana. Ny Torah anefa, avy amin’ny fototeny yarah izay midika hoe: mitifitra amin’ny zana-tsipika: misy zavatra kendrena izany eo ka ny tsy fahatratrarana izany no חַטָּאָה (Hattàh) (manquer le but), fahotana amin’ny teny hebrio. Vokatry ny fahatsapana fa ny lalàn’Andriamanitra irery ihany no hahazoana fiadanana ary ny Teniny (dabar) no aina mamelona no manova ny fon’ny olona hampiasa ny fahefana sy ny hery tsy hanapotehana (sabatra) fa hanorenana, hamokarana (fangady), tsy hamonoana (lefona) fa hamelomana sy hanangonana ny vokatra (antsy fijinjana). Ny fiadanana (shalom) manko tsy hoe tsy fisian’ny ady sy ny fifamonoana fotsiny fa koa fahafahan’ny tsirairay sy ny daholobe manana amby ampy ho an’ny fivelomana. Nolazain’i Bx Paul VI ao amin’ny Ansiklika Populorum progressio (26 mars 1967, n. 76)  fa vokatry ny ezaka ilofosana isan’andro hanorenana fahamarinana amin’ny samy olombelona araka an’Andriamanitra, ary ny anarana vaovao hiantsoana ny fiadanana dia ny Fandrosoana. 

 Matoa mamparisarisa ny fivoriana na ny fiangoanana dia satria tsy hita taratra ao izany fiadanana izany, tsy mifototra amin’ny fanantenana sy ny faniriana hanorina tontolo tsaratsara kokoa ny resaka sy ny ezaka. Raha izany fiadanana hampiasa ny hery famoretana ho hery famokarana izany manko no hiainan’ireo milaza fa mpino dia mazava loatra fa hafaliana lalandava no manentana ny Kristianina hizotra ho any am-piangonana, tsy andry izay hahatongavan’ny alahady mba hihainana ny fiadanana sy ny fiombonana vokatry ny fihaonana amin’i Kristy. 

(amin’ny Taona A moa dia azo vakiana koa ny Izaia 4, 2-6: milaza fa ny voninahitr’izy Tompo no ho kiady ho an’izay naharitra ka tafajanona ao Siona, mahatana ny teny nomena: ho alokaloka amin’ny hain’andro ary ho fialofana aminn’ny orambaratra sy ny ranonorana.)

Ilay tenin’ny Kapiteny averimberintsika isaky ny Sorona Masina: Tompo ò, tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafontranoko aho” dia indraindray hevitra hafa no tonga ao an-tsaintsika. Ankoatra ny fietren-tena hilazana fa tsy mendrika hiditra ao am-pontsika i Jesoa satria mpanota isika (ary indraindray tsy te hiova amin’izany maha-mpanota izany akory), ny tian’i Jesoa asiana tsindrim-peo anefa dia ny finoana nananan’ilay kapiteny: ny miaramilako manaiky ahy, ary ny ratsy manaiky anao. Mino tokoa ve isika fa afaka mamongotra ny fahotana sy ny voka-dratsiny ao am-pontsika, ao an-tranontsika i Jesoa, na ny marimarina kokoa ny Teniny?  Izay mino izany herin’ny Teniny izany no afaka hiova fiainana ka hiara-hihinana amin’i Abrama sy Isaaka ary i Jakoba any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. 

Ny fihetsik’ilay kapiteny, jentily miditra ho anisan’ny mpanara-dia an’i Jesoa, manatona azy noho ny finoana, dia mamintina ny finoana tokony hahanantsika: manantona an’i Jesoa, andrasan’i Jesoa izany mba hanajany ny sitrapo sy ny fahafahantsika, izany no fandraisana anjaran’ny olom-belona manao izay azony atao mba hanatonana an’Adriamanitra, raha ny marina moa dia izy Andriamanitra no naka nofo toa antsika mba hanatona sy hiara-monina amintsika; ilay kapiteny kosa avy eo miangavy an’i Jesoa mba tsy hisahirana akory ho any an-tranony. Tsy azon’ilay Kapiteny atao ve ny nandefa miara-mila mba hilaza izany tamin’i Jesoa? 

Ny fisahiranany hitalaho ho an’ny ankizilahiny izay tsy afa-mihetsika noho ny tazo dia anisan’ny maha-lehibe ny finoany. Sarotra manko ny mahita olona mahavita manokana fotoana, mahavita mihetry tena, hiangavy ny hafa hanao soa tsy ho an’ny tena fa ho an’ny fahasitranan’ny mpiasatrano, misahirana saingy entanin’ny finoana fa mahery ny Teny tononin’ilay nivavahany, tsy afaka ny hiverina aminy, hoy Izaia raha tsy mahatanteraka izay nandidiany (Izaia 55, 11). Izany finoana izany no hananganana antsika ho tonga zanaka handova  ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy Isaaka i Jakôba. 

Angatahontsika ny Fanahy mba hahaizantsika mankafy ny lalàn’Andriamanitra izay mitondra amin’ny Fiadanana tanteraka ka hanekentsika azy ho Tompo, afaka manova sy mandavorary ny fiainantsika tsy ho andevozin’ny fahotana sy ny fahafatesana intsony, fa ho fiainana araka ny fahafahana maha-zanaka: manorina fiadanana. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
TALATA I FIAVIANA
PREVIOUS
Couronne de l’Avent

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy fahavalo mandavan-taona
  • Ny Famangian’i Maria – 31 mey
  • Alarobia fahavalo mandavan-taona
  • Talata fahavalo mandavan-taona
  • Alatsinainy fahavalo mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2023
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    252627282930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy fahavalo mandavan-taona 31 mai 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.