Trinitera Malagasy
Alarobia faha-dimy mandavantaona

Alarobia faha-dimy mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Jenezy 2, 4b-9.15-17/Salamo 103/
  • Ankasa 1 Mpanjaka 10, 1-10/Salamo 36/
  • Md Marka 7, 14-23

Tsy ny fitandremana ny lalana aty ivelany no hitsarana ny mampadio na tsia ny zavatra izay fa noho izy manampy ny olona hivoatra na tsia. Tsy misy sakafo maloto ka tokony hofadiana raha tsy mifanohitra amin’ny fahasalaman’ny olona. Nanahirana ny fifadiana sakafo fa nampikorontana hatramin’ny fiaraha-mivavaka sy fiaraha-manao lamesa teo amin’ny kristianina jody sy hafa firenena (Galata 2, 11ss).

Izay mivoaka avy amin’ny olona no mahaloto ny olona. Misy 12 no notanisain’i Jesoa ka ny 6 voalohany « au pluriel »: ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny vono olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana; ny 6 hafa kosa « au singulier »: ny hosoka (risoriso), ny fijejojejoana (libertinage), ny fialonana, ny vava ratsy (blasphémie), ny havonavona sy ny hadalana; izay zavatra rehetra izay no avy ao anatin’ny olona ka mampahaloto azy.

Niezaka nojerena ny antony mahatonga ireo fahalotoana ireo hoe enina sy enina, dia hita ho misy fifandraisany, ka ny zavatra atao indray maka monja, mahazo vahana ao am-po dia tonga fahotana miverimberina. Azo jerena ihany koa ny fivoaran’ireo fahotana ka mitondra amin’ny ratsiratsy kokoa raha tsy mibebaka: ny hosoka madinidinika ohatra no mahatonga hatrany amin’ny fakàna ny vadin’ny sasany; ny fijejojejoana sy ny tsy fahaizana mifehy tena no mampiròna any amin’ny fijangajangana; ny fialonana no mahatonga hamono olona; rehefa kamo na tsy mahavokatra ny nitsembohana dia miteny ratsy an’Andriamanitra ary tsy afaka ny hionona amin’izay an’ny tena ka miafara amin’ny fakàna ny zavatry ny hafa, mangalatra (somary noterena ihany); ny fiavonavonana no mahatonga ny tahotra ny hioharan’ny hafa ka aleo tazonina ho an’ny tena izay kely ananana ary izany no mampihidy ny fo tsy hizara (fahihirana); fahaverezan-tsaina ny fanimbana zavatr’olona noho ny hasomparana, na ny marimarina kokoa ny hadalana sy ny tsy fiheverana loatra (ἀφροσύνη aphrosune) no mampiroaroa saina (πονηρία pomeria) izay nadika moa hoe hasomparana sy haratsiana, satria avy amin’io ny πονηρός (poneros), ilay ratsy angatahintsika mba hanafahan’Andriamanitra antsika amin’ny “Vavaka nampianarin’ny Tompo”. Mila mivavaka isika mba tsy ho tratran’izany faharatsiana mampiroaroa saina hisompatra izany.

Ny ratsy manakana antsika tsy hahita an’Andriamanitra dia izay manakana antsika tsy hadio fo, ka ny πονηρός (poneros), ny fiahakahan-kevitra, vokatry ny hadalana, vokatry ny ἄφρων (aphron hamaivanan-doha sy tsy fieritreretana) no loto tian’i Jesoa hesorina ao am-pontsika.

Ny fanesorana ireo rehetra ireo ao am-pontsika no mampadio antsika. Tsy ny fanasana tanana sy tongotra araka ny voalazan’ny Eksaody (Eks 30, 17-21) no atoron’i Jesoa ny mpianany ho fidiovana fa ny fanesorana izay toetra mety mampalahelo sy nahadiso manoloana ny rahalahy: raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny otely ianao ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao dia avelao eo amin’ny otely aloha ny fanatitrao ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray (Mt 5, 23-24).

Tsy sanatria ny tsy fanarahan’ny rahalahy ny fombafomba litorjika no hanaovana izay mampalahelo azy na hanambaniana azy mandritra ny Sorona sy ny Fankalazana. Aza misy anie izany. Handio ny fontsika amin’izay mety ho antom-pahalotoana anie Izy Tompo ka hahatonga antsika ho Sorona velona ankasitrahiny.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady voalohan’ny Karemy – Taona D
PREVIOUS
Talata faha-dimy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fahadimy fankalazana ny Paka
  • Talata fahadimy fankalazana ny Paka
  • Alatsinainy fahadimy fankalazana ny Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • 14 mey- Md Matiasy – Apostoly

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    8 desambra 19 mars 25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy coronavirus ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents Jesoa Joany karemy lavenona lazara Lioka Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay Rano samaritana sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly Teraka Jamba tomany Toriteny tsodrano Zaza mpandany

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2022
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fahadimy fankalazana ny Paka 17 mai 2022
    © 2022   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.