Alahady voalohan’ny Karemy – Taona D
- Deterônômy 26, 4-10
- Salamo 90
- Romana 10, 8-13
- Md Lioka 4, 1-13
Karemy, fahafoizana ho an’Andriamanitra.
Ny Herin’ny Fanahy no hahafahana mandresy ny Fakam-panahy.
Eto am-panombohana ity 40 andro hiomanana amin’ny Paka ity, vanim-potoana antsoin’ny Eglizy ho sakramentan’ny fibebahantsika, dia manampy antsika ny Litorjia handalina ny fifandraisantsika amin’ilay Andriamanitr’Israely, amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana telo atolotry ny Fiangonana hoentintsika manamasin-tena, manomana ny Paka: ny fifadian-kanina, ny vavaka ary ny fahafoizana ho an’ny hafa, mba handresena ny fahotana ka hihavaozana tanteraka.
Ampahatsiahivin’ny Papa amintsika amin’ny hafatra nosoratany moa, araka ny teny fanentanana nataon’i Md Paoly ho an’ny Galata hoe : “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin’ny fotoana isika raha tsy ketraka. Koa dieny mbola manana andro (καιρός kairos) isika, manaova soa amin’ny olona rehetra” (Gal 6, 9-10a).
Fotoana hanadiovantsika izay tsy mifanaraka amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ny Karemy, mba hiomanana amin’ny fanavaozana indray ny hafaliana maha-Kristianina amin’ny alin’ny Paka. Tsy mandeha ho azy anefa fa safidy sy tolona tsy maintsy hatrehina ny fihavaozam-panahy kristianina.
Raha raisintsika izay nolazain’i Joely Mpaminany tamin’ny alarobia fanosorana lavenona (Joely 2, 12-18) dia hahafahantsika mandini-tena sy miroso marina tokoa amin’izany lalam-pahamasinana izany: miverina (שׁוּב shōb) amin’ny Tompo amin’ny fo manontolo amin’ny fifadian-kanina (צוֹם tsôm, tsōm) sy amin-dranomaso (בְּכִי bekì, bakah) amam-pitarainana (מִסְפֵּד misep’d, safad), izany hoe hanitsy ny lalana ho amin’ny lalam-pahasambarana atorony, ka hifady izay rehetra tsy mifanaraka amin’izany, hitomany amin’ny voka-dratsin’ny fahotana izay nampihetry antsika, ary hitaraina, hidradradradra satria malahelo ka misaona ny soa sy ny tsara nafohy vokatry ny fahotana. Tsy misy olona afaka amin’ny fahazaran-dratsy iray raha tsy tsapany ka mampitomany azy ny vokatra aterak’izany ho an’ny tenany sy ny hafa.
Ny tena fifadian-kanina moa dia fizorana ho amin’ny fiainana irin’i Kristy ho antsika (Jn 10,10), mba hahazoana valisoa avy amin’ilay Ray mahita ny ao amin’ny mangingina! (Mt 6). Ny fanekena, izany hoe ny “manao ny sitrapon’ny Ray” no zary sakafo ivelomana (Jn 4, 34), ka ny loha asiana zava-manitra, hitondrana ny hanitr’i Kristy, hoy Md Paoly (2 Kor 2, 15) ary ny tarehy hosasana, izany hoe diovina mba hifanaraka amin’ny endrika itovizantsika amin’Andriamanitra ny fahitan’ny olona antsika. Raha fintinintsika ireo “vokatry ny fifadian-kanina” ambaran’ny prefasin’ny Karemy amintsika dia mampahatsiaro antsika fa “fiomanana amin’ny Paka ny Karemy”, izany hoe “fizorana ho amin’ny hafaliana” (Prefasy Karemy I) ka “hanesotra ny faniriana diso tafahoatra mba tsy hiraiketana amin’ny zava-mandalo” (Prefasy Karemy II), “hampilefitra ny avonavona sy hampahazo hanina ny mahantra” (Prefasy Karemy III), “hanaketraka ny haratsiana ka hanondrotra ny fanahy ho mendrika ny valisoa mandrakizay”(Prefasy Karemy IV).
Hoy i Md Pierre Chrysologue hoe : Ny fifadian-kanina no ain’ny fivavahana, ny famindram-po no fiainana ny fifadian-kanina, ka izay te hivavaka tsy maintsy hifady hanina, ary izay mifady hanina mila mamindra fo. Izay te hohenoim-bavaka dia hihaino ny fitarainana ataon’ny hafa aminy. Izay te hanokatra ny fon’Andriamanitra mba hidirany dia tsy ho afaka ny ho mafy fo velona amin’izay mba mitaraina aminy…
Amin’izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany no ampahatsiahivin’ny vakiteny I (Det 26, 4-10) fa manana adidy isika hanatitra ny santa-bokatra ho an’ny Tompo, hahatsiaro fa nomeny antsika ny tany nampanantenainy ny razantsika [Andriamanitra nanome ny tany nefa tsy mamokatra ho azy. Anjarantsika araka izany ny miasa sy mampahavokatra ny tany, eny fa na dia miankina aminy koa aza ny hampitsimoka ny voa sy mampamokatra azy (Sal 126)]. Ny antom-pisaorana araka izany dia tsy voatery noho ny soa azon’ny tena fa mety koa soa nolovaina tamin’ny razana, fahatsiarovana ny fanafahana (paka) teo ambany fanandevozan’ny Ejipsiana. Moa tsy izany ve ny mofo sy ny divay izay atolotsika ho santa-bokatra, hanoloranana ny hasasaran’ny olombelona sy ny fahasoavan’Andriamanitra nampamokatra ny tany, fa indrindra indrindra, hahatsiarovana sy hanavaozana ny Soron’i Kristy, nijaly sy maty ary nitsangana ho antsika, ilay Paka, santatra ho antsika.
Ho an’Israely dia ny fitanisana ny soa ataon’Andriamanitra no atao hoe fiekem-pinoana. Izany koa moa no ampahatsiahivin’i Md Piera amin’izay voa voafidy mba hitory “ny hatsaran’ilay niantso [azy] hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Piera 2, 9). Tsy am-bava anefa no hitanisana izany fitiavany izany fa amin’ny fitondrana ny fanatitra “zava-masina” ho fanampiana ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, tsy hisehosehoana fa kosa noho ny fanekena ny Tompo, hahasahiana hiteny eo anatrehany fa efa nahavita ny adidiny marina tokoa ho an’ireo vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena (tohin’ny vakiteny I Deteronomy 26, 13).
Fankalazana ny fahafahan’Israely sesitany tany Ejipta ny Paka, ary fankalazantsika koa ny nanafahan’i Kristy antsika tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Indraindray anefa adinontsika fa ny fanafahana, eny fa na dia tamin’ny tana-mahery sy sandry ahinjitra aza (Det 20, 4-10), dia làlana maharitra efapolo taona, efapolo andro… izany hoe mitaky faharetana sy finiavana. Mampalahelo fa noho ny toe-tsaina te hahazo eo noho eo, dia mazàna jamba ny masontsika tsy hahita intsony ny fanafahana nataon’ny Tompo, ka himenomenona any an-tany efitra, hihevitra fa ny “olona afaka” dia izay tsy handalo fitsapana intsony, satria ny “fahafahana” (liberté) dia zary fahafahana manao “izay tiana atao” (libertinage) fa tsy fahafahana hanao “izay tokony hatao” (responsabilité) ho amin’ny fahalavorarian’ny fiainana intsony… Ny olon’afaka araka ny Evanjely dia izay misafidy ny ho faty toy izay handà ny marina. Indraindray anefa, hitantsika eo amin’ny andavan’androm-piainana dia misy olona terena hanao ny tsara, kanefa aleony mifidy lalana hafa izay mety hanenenana mandrakizay.
Tsy mora ny hahazo ny fampanantenana lazain’ny Salamo 90 setriny hoe: “hiaro izay mialoka ao amin’ny efitry ny Tompo sy ny aloky ny Mahery ny Anjely ka tsy ho tafintohina ny tongony ary ny bibidia sy menarana hodiaviny, ny liona sy ny dragona itsahina”. Ao amin’ny Pakan’i Kristy izay iomanantsika ny fankalazana azy no hahafahantsika mibanjina sy mandray anjara amin’izany fandresena izany. manampy antsika handalina izany ny Evanjely.
Aorian’ny batemy, tahaka an’i Kristy nentin’ny Fanahy tany an’efitra, ka nalain’ny demony fanahy (Evanjely Lk 4, 1-13), dia alaina fanahy koa isika. Tsy fahataperan’ny lalana manko ny firosoana amin’ny batemy sy ny sakramenta, fa fanomezan-toky kosa hiady ka handresy, satria matoky miaraka amin’i Kristy, loha sy filoha. Raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona isika (Joany 15,5). Izany firaisan’aina amin’i Kristy izany no antitranterintsika amin’ny fankalazana ny sakramenta, ka hahafahantsika mihatrika miaraka Aminy koa ireo fakam-panahy, amin’ny maha-mpanjaka, mpisorona ary mpaminany antsika. Tsy Andriamanitra anefa no maka fanahy antsika (Jak 1,13) ary tsy hamela antsika halaina fanahy mihoatra izay mety ho zakantsika, fa isam-pakam-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakana azy, hoy i Md Paoly (I Kor 10, 13). Tsy inona izany fa ilay Hery avy any ambony (Lk 24, 49) izay manambatra antsika amin’ny fandresen’i Kristy: ny Finoana izay handraisantsika ny Fanahy, hahafahantsika miantso ny Ray ho Abbà, hiombonana amin’ny rehetra ka hanekena fa i Jesoa no Mpamonjy.
Ireo fakampanahy ireo ary, azontsika jerena amin’ireo fiantsoana nanandratana antsika tamin’ny Batemy ho Mpanjaka, ho Mpisorona sy ho Mpaminany, araka ny efa natsidika teo ambony.
MPANJAKA isika rehefa mahay manolotra ny “volamena”, izay mety ho haren’ny tany ho an’i Jesoa izay miseho amin’ny mahantra, ny noana, ny mangetaheta, ny tsy mitafy, ny mpivahiny, ny marary sy ny voahilikilika. Sitrak’Andriamanitra tsy amin’ny fahagagana fa amin’ny fisasaran’ny olombelona no hahazoany hanina avy amin’ny vokatry ny tany. Mandresy isika rehefa mahatsapa fa tsy fahavitan-tena hitadiavana ny tombontsoa handresena ny hanoanana ny maha-zanak’Andriamanitra, ka tsy manaiky hanova ny vato ho mofo, ho an’ny tena, saingy hampitombo mofo kosa amin’ny fitsembohantsika mba hamelomana ny noana. Afaka mandresy izay mahay mandanjalanja ny zavatry ny tany ka mahatsiaro fa “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona” (Det 8). Ny fahavelomantsika dia miankina amin’ny Teny izay tonga nofo mba hananantsika ny fiainana ary mba hananantsika azy amin’ny hafenoany (Jn 10,10). Mpanjaka tokoa isika rehefa mivelona amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray, tahaka an’i Kristy (Jn 4, 34) ka miezaka mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny. Ny Tenin’Andriamanitra “izay voasoratra” no lalàna tokana. Fandresena ho antsika ny fanekena hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavan’Andriamanitra, indrindra manoloana ny tombontsoa manokana, mety hiverenana amin’ny vilany feno hena sy ny tongolon’i Ejipta, ka hanadinoana ny tena fahafahana marina dia ny hitahiry ny Teny ao am-bava sy ao am-po (Rm 10, 8-13). Manova ny toe-po sy fitandremana entintsika mihaino ny Tenin’Andriamanitra izany, fa indrindrra ny fiomanana sy ny hafanam-po enti-mandray ny Eokaristia, Ilay tsy nanova ny vato (zavatra) ho zary mofo fa nanova kosa ny mofo ho zary Andriamanitra, mofo velona zary aina mamelona antsika.
Amin’ny maha-MPISORONA antsika dia mazàna isika no alaim-panahy hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka amin’izay mety hahazoana ny harena mandalo sy ny voninahitra miserana, ka hanome ny fotoana, ny fiainana sy izay antsika rehetra mba hahazo anjara amin’ny fanjakan’i Satana. Firifiry no lasa mpanemboka, manesoeso sy misolelaka amin’ny fahefana sy ny fanapahana mba hiarovana ny tombontsoa manokana, na dia mety hitondra fahavoazana ho an’ny hafa aza izany! Dia adino fa Andriamanitra irery no hivavahantsika, Izy irery no hotompointsika. Raha hadihadiana ny loharanon’ny olana ara-politika mianjady amin’ny firenena sy izao tontolo izao, dia tokony samy handini-tena ny kristianina, na ireo mitonona ho kristianina, raha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany tokoa no katsahin’izy ireo mialoha ny zavatra rehetra (Lk 12, 31). Dia mahasahy mivarotra ny fanahiny amin’ny devoly mba hahazoana fahefana sy voninahitra ary harena ny sasany. Tenin’i Jesoa izany (Lk 12, 30-31), kanefa toa jentily amin’izao tontolo izao ihany ny rehetra, miahy ny amin’ity fiainana ity, ka manadino ny hiafarana (Mt 16, 26). Tsy sitrakao ny Sorona dorana sy ny emboka fa nanamboatra vatana ho ahy ianao (Hebrio 10, 5). Mpisorona izay mivavaka amin’Andriamanitra irery ihany ka manaiky Azy ho Tompo tokana ary vokatr’izany dia vonona hisolo vaika ny akalana, tsy hanolotra “emboka” fotsiny fa hanolotra ny tenany mihitsy ho solo voina ho an’ny hafa. Tsy manompo Andriamanitra mamaly vavaka ho takalon’ny emboka manko fa midera ilay Andriamanitra “efa tia antsika mialoha, fony isika mbola mpanota” (Rom 5, 8). Izay mahazo ny lazain’i Kristy fa ny fahefana dia tsy fanjakazakana fa fanompoana ilay efa tia antsika ka miantso antsika ho toa azy, dia hanaiky ny hanolotra ny tenany, ho Sorona velona, masina, ankasitrahan’Izy Tompo (Rm 12, 1ss) ho famonjena ny hafa…
MPAMINANY isika, rehefa manaiky hotolorana ny “mira” [Ditinkazo manitra ampiasaina amin’ny fandevenana… manambara ny maha-olombelona antsika], manambara fa na dia eo anatrehan’ny fahafatesana aza, dia matoky fa tsy mivadika Andriamanitra: Ray fitiavana izy. Alaim-panahy hisehoseho ho mahery sy mahavita zava-mahatalanjona isika ka hitsambikina avy eny ambonin’ny tilikambom-piangonana mba hanaporofoana marina fa tia antsika Andriamanitra. Firifiry ny olona azom-pakam-panahy mivavaka fa raha fitiavana Izy Andriamanitra dia hanesotra izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapo sy ny fanirian’ny zanany, ka mazava loatra tsy hamela antsika anatin’ny fijaliana sy ny sedram-piainana isan-karazany. Mpaminany isika ka voaantso hitory ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, ka tsy haka fanahy Azy, tahaka ny vahoaka Jody fahiny (Fanisana 20, 2-13) ka sanatria raha ao anatin’ny manahirana dia himenomenona sy hiteny ratsy an’Andriamanitra mbamin’ny mpanompony Moizy sy Arona… izay nendrikendrehana ho nampiditra ny vahoaka Israely amin’ny lalam-pahafatesana, any an-tany efitra tsy misy rano…. Tsy maka fanahy an’Andriamanitra ny Mpaminany (Det 6, 16) fa matoky mandrakariva azy, ary tsy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra hamitahana na hitadiavana tombontsoa ho an’ny tena, fa hitory azy kosa ho famonjena ny olombelona rehetra.
Ampahatsiahivin’i Md Paoly fa ny finoana amin’ny fo no hahazahoana fahamarinana. Mino amin’ny fo isika rehefa mifanaraka amin’ny finoantsika ny fiainana, rehefa ny Evanjelin’i Kristy no torolalana ho antsika. Tsy resaka kobaka am-bava ny finoana fa mahakasika ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana manontolo. Ary satria “izay be ao am-po no hitenenan’ny vava” (Lk 6, 45) dia ny fanekentsika izany amin’ny vava no hahazoana famonjena (Vak. II: Rom 10, 8-13). Tsy afaka ny ho menatra ny Evanjely ary tsy afaka ny tsy hitory azy izay nahazo ny famonjena. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 16).
Tsy hohadinointsika ary, fa amin’ity efapolo andro hoentintsika manomana ny Paka ity, dia ho tsaroantsika fa lalan’ny hazofijaliana ny fiainantsika, vonona ny hitondra azy isan’andro isika ka hanaraka an’i Kristy, ary matoky fa tsy ny fandresena araka ny heverin’izao tontolo izao no fandresena sy tena fahafahana marina, fa ny fahafahana mitia, hatramin’ny mahafoy ny aina (Jn 15, 13), mba ho vavolombelon’ilay efa tia antsika (I Piera 2, 9), ka hahatsiaro mandrakariva fa ny Fitiavana no hitsarana antsika…
Ndeha ho raisintsika ho harena ho antsika ny hafatry ny Papa (2022), mametraka ny Tenin’Andriamanitra ho fototry ny fizorantsika ho amin’ny fahafahana marina, ho amin’ny Paka, fa hoy indrindra izy amin’izany.
« Voaantso isika mandritra ny Karemy hamaly ny fanomezan’Andriamanitra amin’ny fandraisana ny Teniny izay “velona sy mahery” (He 4, 12). Ny fitozoana mihaino ny Tenin’Andriamanitra no maha-matotra ny fahavononana handray amin-kalemem-panahy ny asany (jereo Jak 1, 21) ka hahafahany mampamokatra ny fiainantsika. Raha toa efa mahafaly antsika izany dia mbola lehibebe kokoa noho izany ny hiantsoana antsika ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” (1 Kor 3, 9), hahay hanararaotra hampiasa tsara ny fotoana (jereo Ef 5, 16) mba hamafazantsika ihany koa amin’ny fanaovan-tsoa. Tsy tokony ho vesatra anefa izany fiantsoana mba hamafy ny soa izany fa fahasoavana entin’ilay Mpahary mampandray anjara antsika mavitrika amin’ny halehiben’ny fitiavany mamokatra. [..]
Amin’izao fotoana fibebahana izao, dia miantehitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny fiombonana amin’ny Eglizy isika ka tsy ho sasatra ny hamafy ny soa. Ny fifadian-kanina moa manomana ny tany hamafazana, ny vavaka hanondraka, ary ny fitiavana hampamokatra. Antoka ho antsika ny finoana fa “hijinja amin’ny fotoana isika raha tsy ketraka”, ary miaraka amin’ny fanomezana haharitra hatramin’ny farany dia hahazo ny soa nampanantenaina rehetra (jereo He 10, 36) ho famonjena antsika sy ny hafa (jereo 1 Tim 4, 16). Amin’ny fiainana ny fifankatiavana toy ny mpiray tampo amin’ny olon-drehetra no hiombonantsika amin’i Kristy, ilay nanome ny ainy ho antsika (jereo 2 Kor 5, 14-15) ary hanandramantsika sahady ny hafalian’ny Fanjakan’ny lanitra, rehefa tonga “zavatra manontolo ao amin’ny zavatra rehetra” Andriamanitra (1 Kor 15, 28).
I Masina Maria Virjiny ilay kibo nitsimohan’ny Mpamonjy no sady nitahiry ny zavatra rehetra tamin’ny “fandinihana azy tao am-pony” (Lk 2, 19) anie hampahazo antsika ny fanomezana mba hanam-paharetana, ary mba ho henontsika ho toy ny Reny akaiky antsika Izy ka hitondran’izao fotoana fibebahana izao ny vokatry ny famonjena mandrakizay ».
Miantso antsika hametraka ny finoantsika sy ny fanantenantsika ao amin’ny Tompo (jereo 1 Piera 1, 21) ny Karemy, satria amin’ny fibanjinana an’i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona irery ihany (jereo He 12, 2) no hahafahantsika mandray ny fanentanan’ny Apostoly hoe: “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (Ga 6,9).
Tsy hanao tondro miandra reny anefa isika manoloana ny fahasoavan’Andriamanitra fa hampiasa izany, handray anjara amin’ny famafazana ny soa ho an’ny hafa mba handraisana anjara feno amin’ny hafalian’ny mpijinja mpiara-mifaly amin’Andriamanitra, dia ny ankehitriny ka hatrany amin’ilay Paka mandrakizay.