Trinitera Malagasy
Alarobia faha-21 mandavan-taona

Alarobia faha-21 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 2 Tesalônisianina 3,6-18 /Salamo 127/
  • Tsy ankasa:1 Tesalônisianina 2,9-13/Salamo 138
  • Md Matio 23,27-32

[Loza (οὐαί ouai) ho anareo, mila loza ianareo ry Farisianina mpihatsaravelatsihy (ὑποκριτής- hypokritès).

Tohizantsika ny fandinihana ireo loza roa farany lazain’i Md Matio amin’ity toko faha-23 ity.

Loza raha fisehoana ivelany ihany no heverina ho fahatsarana. Ny fasana voalalotra fotsy moa dia fanaon’ny Jody, manodidina ny vanim-potoana fankalazana ny Paka, mba hanavahan’ny mpandalo azy tsy ho voahitsaka ka sanatria handoto azy tsy hahafahany mankalaza ny Paka satria tsy maintsy midio fito andro (Fan 19,11) ary ny volana faharoa fa tsy ny 14 Nissan (volana I) no hahafahany mankalaza izany (Fan 9,10-11). Mety hanakana ny olona amin’ny fahalotoana araka ny lalàna izany ny “fasana” nolokoina fotsy, saingy tsy afaka hanadino ny maha-fitoeran’ny maty sy ny taolam-paty azy.

Ny voankazo teo afovoan’ny saha dia tsara endrika sy maha-te hihinana (Jen 3,6), saingy feno poizina sy nitondra tamin’ny fahafatesana ny fihinanana azy. Mampalahelo tokoa matetika fa ny fisehosehoana ety ivelany mety hanafenana ny haratsiana kobonina ao anaty. Lazain’ny mpahay psikôlôjia aza fa ny fahakizintinana matetika dia fanafenana kilema tsy tiana horesena na kilema te hafenina (toy ny taolam-paty) ao anaty ao. Tsy afaka ny hiaina ao anaty fihatsaram-belatsihy sy faharatsiana izay te ho mpianatr’i Kristy.

Ny filàna loza farany dia ny fanaovana tsangam-bato sy fasana ho an’ny mpaminany sy ny olo-marina, satria sady hahazoana laza izany no mety hampidi-bola satria mampitombo ny mpivahiny sy ny mpivavaka tonga “mitalaho fahasoavana”. Ny Mpaminany dia olo-malaza, ny olomasina dia mendrika hohajaina sy italahoana “hivavaka mba hahazoana fahasoavana”, saingy tsy nisy nahazaka izy ireny fahavelony. Ny Mpaminany maty no hajaina fa ny velona anaovana toeran-tsy zaka. Fihatsaram-belatsihy tsy tontan’ny ela ny manentsin-keloka ka ny fahotan’ny hafa sy ny razana hitomaniana sy helohina mba hanafenana ny fahotana sy hanamarinan-tena, hilazana sy hisehoana ho tsaratsara kokoa noho ny hafa, ho tsy mitovy amin’ny ray aman-dreny nanabe, satria izy ireo mpamono ny mpaminany. Matetika anefa ny harena sy ny tombontsoa nangonin’ireo razana tamin’ny fahotana izay lazaina fa tsy niraisana tetika dia ilibàna sy ampiasaina tsotra izao. Raha nandova ny harena azon’ireo ray aman-dreniko tamin’ny tsy rariny aho dia tsy misy porofo hilazako fa tsy miray tetika aminy sy ny fahotany afa-tsy ny famerenana amin’ny tompony ny harena tsy marina nolovaiko.

Izay mihevitra fa tsy miray tetika amin’ny “mpamono ny mpaminany”, kanefa mandova ny tombontsoa sy ny voninahitra azon’ireo razana nahavanon-doza, dia tsy iza fa vavolombelona mitsangana hanohitra ny tenany ary mandavorary ny ratsy efa natomboky ny razany, izay no mameno ny famaran’ny razany.

Ampahatsiavina fa oὐαί (ouai) moa amin’ny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny aina hanasoa saingy nolavin’ilay notiavina kosa. Na ny dikan-teny vaovao hoe “mila loza ianao” aza, tsy mahadika azy. Ny marimarina kokoa dia hoe “loza ho ahy noho ianao…”, izany hoe loza satria tsy miankina amin’ilay te hamonjy intsony ny fandehan-javatra, saingy efa nanao izay ho efany izy hanavotra ary izany no noporofoin’i Jesoa maty teo ambony hazofijaliana. Safidin’ny tsirairay izany ny hisafidy ny hazavana mitondra amin’ny fiainana na hijanona ao amin’ny haizin’ny fahotana mitondra amin’ny fahafatesana.

Ho haintsika anie ny hiala amin’izay rehetra mifamatotra amin’ny fahotana, ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelon’ny marina sy ny rariny, eny fa na dia hanariana ny tombontsoa sy ny voninahitra aza.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA-22 TAONA D MANDAVAN-TAONA
PREVIOUS
Talata faha-21 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.