ALAHADY FAHA-22 TAONA D MANDAVAN-TAONA
- Siraka 3,17-18.28-29
- Salamo 67
- Hebrio 12,18-24
- Md Lioka 14,1.7-14
“Izay manetry tena no hasandratra.”
Lalana mankany amin’ny fahamboniana araka izany ny fanetren-tena. Lalana mitondra mankamin’ny voninahitra ary raha mbola olombelona koa ka misaina, dia ny hampisy lanjany ny fiainany no katsahiny. Ny hoe Voninahitra manko: amin’ny teny grika doxa (doksa) dia midika ho fanomezana toerana ambony, fiheverana ho zavatra sarobidy…; fa amin’ny teny hebrio (kabhod – na kav’od) dia milaza kosa ny lanja, ny vesatry ny zavatra iray: ny maha-izy azy ny zavatra iray. Mba hahazoantsika tsara ny fampianaran’ny Evanjely androany dia tsara ny manoritsoritra ny fampianaran’i Jesoa, mampiditra indrindra ny maha-sarobidy ny Famindrampon’Andriamanitra. Ny Evanjely araka ny nosoratan’i Md Lioka moa dia lazaina hoe Evanjelin’ny Famindram-po, ivon’izany fanambarana izany ny toko faha-15 hovakiana amin’ny alahady faha-24D)
Ny Vakiteny I dia milaza fa misaintsaina ny fanoharana momba ny fahendrena ny olona manan-tsaina (Si 3, 29). Ny fahendrena moa dia entina ilazana ny fahaiza-miaina mifanaraka amin’ny lalam-pahasambarana izay tsy hanenenana mandrakizay. Tsy vokatry ny hakingan-tsain’ny olombelona anefa no hahatakarana izany lalam-pahasambarana izany fa tsiambaratelo miafina ao amin’Andriamanitra ka tsy atorony afa-tsy ho an’izay manetry tena (ταπεινός – tapeonos : and. 19 tsy misy ao amin’ny vakiteny), izay lasain’i Matio hoe tso-po (νήπιος – nepios : Mt 11, 25).
Misy torohevitra tsy novakiana amin’ny vakiteny anio moa (and 19-27) izay mitanisa ny Salamo 131, mampianatra ny olona hahalala ny fetrany ary hihanona amin’izay tratry ny heriny sy ny fisainany, saingy hangilan-tsofina mandrakariva, hahazo fahafinaretana amin’ny fihainoana ny tenim-pahendrena avy amin’Andriamanitra (and. 29). Tsy mahagaga ary raha toa ka voalohany sady mamintina ny didy rehetra nomena an’Israely ny fahaiza-mihaino: שְׁמַ֖ע יִשְׂרָאֵ֑ל – Mihainoa ry Israely (Dt 6,4), ary ny vavaka lafatra indrindra lazain’ny Baiboly dia izay nataon’i Salomona nangataka ny fo mahay mihaino, (leb soméa, 1 Mpanjaka 3, 9) izay nadikan’ny Baibolintsika hoe “saina mahiratra”, satria izay mahay mihaino no mahay manavaka, hahira-tsaina, ary hahay hanaiky satria feno fitokisana.
Tsy fijanonana ao anatin’ny habadoana araka izany ny fanetren-tena fa ny fahatsapana ny fetran’ny tena ka isokafana amin’ny famindram-pon’Andriamanitra ka anovozana avy ao ny Tenim-pahasoavana dia ny Tenin’ny fiainana mandrakizay (Jo 6, 68). Ary raha i Jesoa no hafenoan’ny fanambarana ny Fahendren’Andriamanitra ho an’izay “voaantso” (1 Kor 1, 18snm) dia mazava ny lazain’ny vakiteny I hoe ny mahita sofina mitandrina no faniriany, maniry ny hiainoantsika Azy izy.
Alahady roa lasa izay, nilaza tamintsika ny faniriany ny hirehetan’ny afom-pitiavany Izy (Lk 12), afo izay manery antsika hiditra amin’ny varavarana ety (Lk 13). Izy no varavarana, Izy no lalana mitondra antsika ho amin’ny famonjena. Miara-monina amintsika Izy, miara-misakafo amintsika ka mandinika ny ataontsika.
Ny Evanjely anio dia manamafy io fiarahan’i Kristy monina amintsika io. Mampianatra antsika ny tokony hatao raha mahazo fanasana isika na raha toa ka hanasa olona. Tsy azo hadinoina fa ny Fanasana no maha-Fiangonana ny Fiangonana. Eglizy : voaantso hiombona ao amin’i Kristy ary voaantso hizotra ny lalam-pahamasinana, lalana izay izorana miaraka (syn-odos). Ny Lakolosy izay velomina, tsy dia hoe famantarana lera loatra fa fampahatsiahivana fa voaantso ho amin’ny fampakaran’ny Zanak’Ondry isika, ary fahasambarana izany.
« Ny teny hoe “Eglizy (Fiangonana)” [ekklèsia, avy amin’ny teny grika hoe ek-kalein, “miantso ny any ivelany”], dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriam-bahoaka , izay ankapobeny amin’ny endrika ara-pivavahana. Io no fiteny nampiasaina matetika tao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny teny grika amin’ny famoriana eo anatrehan’Andriamanitra ny vahoaka voafidy, indrindra ny famoriana teo Sinaia izay teo no nandraisan’i Israely ny Lalàna sy nanorenan’Andriamanitra azy ho vahoakany masina. Amin’ny fiantsoana hoe “Fiangonana” ireo ankohonana mpino voalohany izay nino an’i Kristy dia mahatsiaro tena ho mpandova an’ io fiangonana io » (KFK 751).
Eo am-pamaliana izany antso izany dia tsy sanatria fifaninanana ho lehibe sy ho hitan’ny olona no hiezahana, fa ny mba hapetraky ny mpanasa amin’ny toerana tokony hisy ny tena. Izany no fanetren-tena : ny fiekena ny maha-izy azy ny olona sy ny tena (ny fahaizana sy ny mety ho fahalemena na kilema na ny fetra ananan’ny tsirairay).
Mba azontsika bebe kokoa ny atao hoe fanetren-tena dia azo jerena ny foto-tenin’ny humilité entin’ny teny frantsay milaza azy : humus, dikan-teny latinina (midika hoe tany) lazain’ny grika ταπεινόω (tapeinoō), mampitovy tantana amin’ny tany, mametraka ny tongotra amin’ny tany. Izay manetry tena dia mahatsapa ny maha-vovoka azy ka mbola hody vovoka. Mahatsapa ny fahalemena sy ny fetra ka izany no mampisokatra amin’ny filàna ny hafa, amin’ny fahitana ny hafa ho mpirahalahy mianala fa tsy mpifanandrina sanatria. Tsy izany ihany anefa, ny fahaizan’ny tany mandray ny fako sy ny loto, manaiky hiangonan’ny ravin-kazo nanintsana ka aorian’ny masoandro sy ny orana mifandimby dia manova ireo ravina lo ho zary zezika, antsoin’ny teny frantsay hoe humus, ka manjary mahalonaka ny tany, hitàna hamandoana sy hanome aina ny tany. Ny fahaizana mampiasa zezika dia hahafahana mioty voka-tsoa lehibebe kokoa.
Tsy moramora anefa ny hanaiky ny fetran’ny tena, vao mainka moa ny miaiky ny fetran’ny hafa ka hiandry azy hamokatra. Mazava anefa ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra anio : “arakaraka ny hisondrotana no hanetrena tena” (Vak.I). Ny adidy tsy an’olon-dratsy, hoy ny Ntaolo, ka na izy ireo aza mahatsapa fa ny fanaovana adidy no mampisy hasina sy maha-olom-banona. Mampalahelo indraindray ny mahita olona omena andraikitra ka ny tahotry ny tsy hahomby na tsy hahazo ny tombony kendrena no hanitsakitsahana ny zon’ny hafa.
Eo amin’ny fiaraha-monina dia mampalahelo fa anabeazana hatrany am-pianarana ny hifaninana ho ambony noho ny hafa, ary indraindray aza misy mahavita mamingana ny hafa mba hanamafisana ny toerana heverina ho tratrarina. Mifaninàna mifanaja, hoy i Md Paoly, προηγέομαι (proègeomai) ny matoanteny ampiasainy, izany hoe hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12,10). Lazain’i Ben Siraka amin’ny Vakiteny I fa ny fon’ny olona manan-tsaina misaintsaina ny hainteny ary ny sofina mahay mihaino no fanirian’ny hendry: “Mihainoa ry Israely” (Dt 6,4) no voalohany amin’ny Didy ary “sambatra ny olona mifaly amin’ny Lalànan’ny Tompo sy misaintsaina azy andro aman’alina”, hoy ny Sal 1,2. Efa nazavaintsika teo ambony moa izany.
Ny mahagaga anefa dia izay nitranga teo amin’ny zanak’i Israely izay tsy te haheno ny feon’Andriamanitra mivantana intsony ka na ny biby aza mikasika ny tendrombohitra fihaonana dia notorahim-bato (Heb 12,20; Eks 19,12snm), ka toa Andriamanitra mampangovitra ilay Andriamanitra ivavahana. Tsy tahotra hampandositra anefa ny fahatsapana ny herin’Andriamanitra fa vao mainka aza tokony hanampy antsika hitoky amin’ny fitiavan-dRay. Izany no nahatonga an’i Md Paoly hampahatsiaro antsika fa tsy Fanahim-panandevozana no noraisintsika, ka hatahotra indray isika, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! (Rm 8,15).
Ny Salamo 67 dia mampianatra antsika ny toetran’io Andriamanitra Raintsika io, ary toetra izay tokony halain-tahaka hoenti-manatanteraka ny adidy takian’ny andraikitra hanondrotan’ny fiaraha-monina sy ny Eglizy antsika, satria tsy misy fahefana na andraikitra azon’ny olona raisina raha tsy nomena azy avy any ambony izany (Jo 19,11) :
1. toetra mahafaly ny olo-marina: raha sanatria ny mpieboebo sy ny ratsy fanahy no faly amin’ny ataontsika dia mila mihevi-tena;
2. Rain’ny kamboty sy ny manome rariny ny mpitondratena;
3. Manome fianakaviana ny tokan-tena ary manafaka ny gadran’izay voafatotra (אָסַר’āsar);
4. Arotsany toy ny orana ny zava-tsoany, izany hoe tsy mila hisasarana, ary omeny tsy misy fiangarana, ary raha sanatria lavo izay nomeny ny fahasoavany dia tohanany mba hiarina. Izany no nataony ka nahafahan’ny Zanak’Israely milaza fa ny mana dia sakafo avy amin’Andriamanitra;
5. Amin’ny toerana misy azy no hikolokoloany ny ondriny ary soa no ataony amin’ny mahantra.
Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka dia im-betsaka no voatantara i Jesoa miara-mihinana amin’ny olona : ao amin’i Simôna ilay Farisianina (Lk 7,36); any amin’i Maria sy Marta (Lk 10,38); any an-tranon’ny Farisianina iray (Lk 11,37); ao an-tranon’ny Loholon’ny Farisianina indray (Evanjely anio); any amin’i Zake (Lk 19) ary Izy manasa ny Apôstôly (Lk 22). Tsy mahagaga araka izany raha noheverin’ny sasany ho lehilahy lian-kanina sady mpisotro Izy (Lk 7,34).
Amin’ireo fiarahana misakafo ireo, ny telo dia ao an-tranon’ny Farisianina. Tamin’ny voalohany, nosasan’ny vehivavy ratsy fitondran-tena tamin’ny ranomaso ny tongony, nofaohiny izany tamin’ny volon-doha izany avy eo ary nohosorany ilomanitra ka atolotr’i Jesoa ho ohatra hotahafin’ny rehetra amin’ny fitiavana be izy satria voavela heloka (Lk 7). Ny sakafo faharoa (Lk 11): i Jesoa tsy nisasa tanana fa avy eo niafara tamin’ny fitanisàna ireo zavatra mampalahelo rehetra manjo ny Farisianina sy ny Mpanora-dalàna izay nizezika fanontaniana betsaka mba hamandrihana Azy (and. 53-54).
Ny Evanjely androany moa Lk 14,1.7-14 izay mampahatsiaro antsika ny voalazan’ny Ekleziastika hoe: “Raha ny manam-pahefana no manasa anao, mijanona eny lavidavitra ianao, fa hanery anao mafimafy kokoa ny fanasany; Aza dia manakaiky azy loatra, fandrao roahiny ianao;ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadinony” (Si 13,9-10). Aleo asandratra toy izay haetry, hoy i Jesoa.
Misy andininy 5 tsy novakiana moa eo mitantara ny nanasitranan’i Jesoa an’ilay lehilahy manirano.
Ny toko faha-13 sy 14 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka dia mahavaky loha raha dinihina amin’ny antsipiriany: ny varavarana ety (Lk 13,24) saingy tian’ny Ray kosa mba ho feno ny efitrano fihinanana ka tereny hiditra ao avokoa ny olon-drehetra (Lk 14,23). Amin’ny Evanjely anio anefa dia tiany ny mitantara ny Sabata farany niainan’i Jesoa, niarahany nihinana tamin’ny Loholon’ny Farisianina iray. Manaiky ny hifampizara ny mofon’izao tontolo izao Izy mba hahafahany manolotra antsika kosa ny mofon’ny fiainana (mbola hataony amin’i Zake koa io : jereo Lk 19).
Voaasa hihinana ao amin’ny fanasana ny olona rehetra, satria ny hanina dia miantoka ny aina. Tian’Andriamanitra ho velona ny olona. Tonga mba hamelona antsika i Jesoa ary tonga mba hahalafatra ny aina ao amintsika (Jo 10,10). Nisy lehilahy iray manirano anefa, izany hoe mibinabina feno rano ny vatany (ὑδρωπικός- hydrōpikos), mangetaheta lava kanefa arakaraka ny hisotroana no mampibinabina, ka mazava loatra tsy afaka ny hiditra amin’ilay “varavarana ety” nolazain’ny Evanjely tamin’ny heriny. Mety hilazana ilay Farisianina mieboebo ambaran’i Lioka any amin’ny toko faha-18 io (Lk 18,11snm). Fa na iza na iza, dia mila sitranina. Ny andro anefa Sabata. Hanao izany tahaka ny nataony tamin’ilay vehivavy maty tanana ve Izy (Lk 6,6snm) na tahaka ny tamin’ ilay vehivavy nanjoko tsy afa-nitraka (Lk 13,10-17)?
Tsy ny Farisianina ihany anefa no ametrahan’i Jesoa ny fanontaniany fa ny mpampianatra ny lalàna koa : azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro Sabata? Ho azy ireo kosa, na ny famaliana an’i Jesoa aza tsy nataony akory. Fa i Jesoa kosa nanasitrana ary nanafaka ilay nabontsin’ny rano nosotroiny, namaha ny fatorany (ἀπολύω- apoluō) ka namela azy handeha. Ambony noho ny lalàna rehetra manko ny lalànan’ny fitiavana.
Tsy didy fa fety no vonjentsika ny alahady. Ny Lalànan’i Môizy manko dia manoro mba hitandremana ny Sabata ka hanamasinana azy, didy nomen’i YHWH mba hahatsiarovana ny nanavotany ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta (Dt 5,15). Isika kosa dia mankalaza ny Pakan’i Kristy, ny fandreseny ny fahafatesana sy ny fahotana, ka manamasina izany amin’ny fampifanarahana ny fo amam-panahy amin’izany fandresena izany.
Fa raha iverenana ny vakiteny anio, ny ao amin’ny boky Alahady sy Andro fety moa nijanona amin’ny and.11. Tsy hita ao amin’ny Evanjely voasoratra ao amin’ny Sorona Masina Alahady sy andro fety araka izany ny and. 12-14 ary mety tsy voavaky ao am-piangonana.
[Ary hoy kosa Izy tamin’ilay nanasa azy: Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.]
“Raha manasa olona ianao dia aoka izay tsy hanan-kavaly no hasainao”. Fampianarana natolony ilay Loholon’ny Farisianina io, fampianarana mifanohitra amin’ny mahazatra. Ka raha izany ve amin’ny fanamasinana pretra na amin’ny fanambadiana na amin’ny voadin’ny Relijiozy ireny, iza no hasaina voalohany? Efa nisy hatramin’ny andron-dry Md Jakôba no nahitana ny fahasarotan’izany (Jak 2,2-4). Ahoana no andraisantsika ny fampianaran’i Jesoa? Mety hilaza ianao hoe ka tsy azo raisina ara-bakiteny anie ny Tenin’Andriamanitra fa voaasa tany amin’ny lamesa ny olon-drehetra, dia izay tsongoin’olom-bolo no mba hasaina any amin’ny sakafo. Dia ahoana ary no hampiharantsika izany tsy ara-bakiteny?
Ho an’ny Jody, ny sakafo atoandron’ny Sabata dia tsy sakafo fe sakafo fotsiny fa fiaraha-mihinana maharitra mba hiresadresahana sy hifampizarana ny fiainana. Mazava loatra araka izany fa ny fanasana atao amin’ny mahantra dia fifampizarana amin’izy ireo ny fiainana ary koa fanekena handray izay mety ho takatr’izy ireo ka azony hifampizarana, mety ho resaka tsy hifampitohy akory aza. Ny fanasana azy ireo araka izany dia midika ho fandraisana azy ireo ho tapaka sy namana.
Heveriko fa ezaka isan’andro ny mandavorary ny fitiavantsika : isan’andro no hanamafisana ny faniriana ho masina. Isan’andro no hizahana ny endrik’i Jesoa ao amin’ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba… ao amin’ireo hanaovan-tsoa satria tsy manan-kavaly…
Tsy afaka hahita ny endrik’i Jesoa ao amin’ny hafa anefa isika raha tsy ao am-pontsika aloha no hanombohana izany fikarohana ny endriny izany, hibanjinantsika ny Lakroà, fahalavoana ho an’izao tontolo izao fa fandresena kosa ho an’Andriamanitra. Mila havaozina mandrakariva araka izany ny maha-kristianina antsika. Mila manontany tena matetika hoe : inona no maha-kristianina ahy? Izay endrika tiantsika manko no zahantsika amin’izay alehantsika. Raha ny voninahitra sy ny harena araka izao tontolo izao no endrika mahababo ny fontsika dia ho amin’izany no hanompanantsika ny fiainana manontolo. Raha toa ka i Kristy Voafantsika kosa sy ny ho an’ny fanjakany dia izay vao ho fointsika ho an’ny mahantra hatramin’ny fiainantsika manontolo aza… satria fointsika noho i Kristy sy ho an’i Kristy manontolo.
Ny Eokaristia no sakafo hanasana (καλέω – kaleō, hiantsoana) antsika hiray aina Aminy ka hianarantsika ny fifanompoana, ny fanasana tongotra, ny fanekena ho mpanompon’ny hafa, satria ny hafalian’ny hafa no antom-pahasambaran’ny tena. Raha sanatria mba manan-katao isika dia tsarovy fa tsy fiantrana sanatria no antony hanampiantsika ny mahantra fa isika aza no miangavy azy ireo mba hizara amintsika ny Fanjakan’ny Lanitra, satria izy ireo no tompony, an’ny mahantra ny fanjakan’ny lanitra, hoy i Jesoa (Mt 5,3), ka loharanon-kafaliana dieny ety an-tany ny mifampizara fiainana sy hafaliana amin’izy ireo. Ny mahantra nandray ny fanomezantsika no hitsena antsika kosa any amin’ny hafalian’ny lanitra, miaraka amin’Izy Tompo izany nampisamborantsika (Ohab 19,17).
Ny hafaliana vokatr’izany fiombonam-pitiavana izany no valisoa omanin’Andriamanitra ho an’izay mampiasa ny harena sy ny fiainany hanasoavana ny hafa: izy ireo no zanak’ilay Avo indrindra (Lk 6,35).
Ho tia an’Andriamanitra tokoa anie ny fontsika, hazoto hanompo Azy ka hampitsiriany sy hotahiriziny ao am-pontsika ny hatsaram-panahy, hitovizantsika endrika tanteraka Aminy, ka hahatonga antsika ho zanaka mpandova ny fanjakany satria sitrak’Izy Fanahy Masina ny hanome antsika ny toe-panahin’i Kristy ilay nentanim-pitiavana ka nanetry tena hatrany eo anatrehan’ny hafa (Vavaka fangatahana).
Ry Ray Tompon’ny voninahitra ô, sitrak’i Kristy endrik’ilay voninahitrao ny nahafoy ny tenany noho ny fitiavana tamin’Izy naka ny toetranay olombelona, sy ny nanetry ny tenany ho tsinontsinona ho anay hatramin’ny fahafatesana tamina Hazofijaliana; fa Ianao kosa nanandratra Azy ambony. Koa enga anie ny Fanahinao homba anay sy hanome anay ny toe-panahin’i Kristy: mba hoentanin’ny fitiavanao hatrany izahay, ho vonona hanetry tena eo anatrehanao sy eo anatrehan’ireo namanay, hahay mizara ny haninay ara-nofo, tsy amin’ireo afaka mamaly anay ihany fa amin’ireo tsy afaka indrindra koa, satria amin’izay, dia ao Aminao no hifampizaranay amin’ny mijaly rehetra; ary haka tahaka ny Zanakao hatrety an-tany, mba hiombona anjara Aminy mandrakizay, any amin’ilay hizaranao aminay ny hasambaranao (Vavaka 22D).