Trinitera Malagasy
Alakamisy III Fiaviana

Alakamisy III Fiaviana

Njara Pascal
  • Izaia 54,1-10
  •  Salamo 29
  • Md Lioka 7,24-30

Amin’ny vakiteny I anio dia miverina in-droa ny filazana an’i YHWH ho mpanavotra na ga’al. Efa nohazavaintsika tamin’ny Zoma II (Izaia 41) ihany moa izany fa averiko kely mba hahazoantsika azy tsara.

Ny hevitry ny hoe Tompo, mpanavotra (ga’al) izay miverina matetika ao amin’ny Bokin’i Izaia dia entina hilazana ny hetsika ataon’ny olona hoentina hanavotana ny havany sesintany na lasan-ko babo, na velona na maty. Raha maty izy dia hotakìna ny rany (Fan 35, 19-27), raha tsy nanan-janaka dia homena taranaka (Rt 3,12-4,14, sy ny lalànan’ny Levirà). Raha lasan-ko babo na bokan’ny trosa kosa dia aloa ny vidiny na efaina ny trosany (Lv 25, 23-28.47-49). Ny fahatezerana na misy aza dia mandalo, hoy ny Vakiteny, ary izay nahazo henatra noho ny fahamombana sy ny tsy fananan-taranaka, izay narian’ny vady nianteherana dia hakarin’ny Tompo ho vadiny, ary homeny taranaka hameno ny tany tontolo. Andriamanitra mianiana fa tsy ho tezitra amin’ny vahoakany intsony no Endrik’Andriamanitra torìn’ny Bokin’i Izaia ary Andriamanitra mpamindra fo (raham), tsy handrahona intsony satria tsy hihontsona mandrakizay ny fifamatorana ataony hiadanan’ny vahoakany.

Impiry anefa isika no mbola maheno fandrahonana sy fampitahorana amin’ny anaran’Andriamanitra, kanefa ambaran’ny mpaminany mazava fa Andriamanitra mpanavotra, mpamelona fa tsy mpandringana ny Andriamanitsika, Andriamanitra mpamadika ho dihy ny toreo, hoy ny Salamo 29.

Ny filazan’i Jesoa momba an’i Joany dia manampy antsika koa hanomana ny fahatongavany amin’izao Noely izao, satria tsy sasatra ny mandefa ny Mpaminaniny hanomana ny fon’ny olona handray ny famindram-pony Andriamanitra. Isa-maraina dia ventesintsika ny “mission”, iraka lazain’i Zakaria fa hataon’io Mpaminany lehibe io: hanambara ny famonjena izay asehon’Andriamanitra amin’ny famelana ny hadisoantsika. Ary raha lazain’ny Boky Deteronomy fa i Moizy no Mpaminany lehibe indrindra izay nahita tava an’i YHWH (Dt 34,10) dia ambaran’i Jesoa kosa fa amin’ny natera-behivavy dia tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany, saingy izay tafiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia mbola lehibe noho izy.

Mba hahazoantsika izany dia manao ohatra aho: ao anatin’ny haizina dia izay manana jiro mirehitra no mazava indrindra, saingy tsy misy fotony inona izany raha oharina amin’ny hazavan’ny andro rehefa miposaka ny masoandro. Tsy azo adinoina anefa fa izay kely indrindra, izay manaiky ho mpanompo no lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ilay Masoandro miposaka avy any ambony, ary izany no ankalazaintsika amin’ny Noely: Mpanjaka teraka ao amin’ny fahatsoran’ny tranonomby. Indraindray anefa tsy manampy hiaina izany ny fomba fanaingoantsika io “famantaram-pamonjena” io rehefa manao ny Tranonomby.

Tsy volotara hozongozonin’ny rivotra ka mandeha amin’izay tiany hitsofana azy no zahantsika, tsy lehilahy tsara fitafiana koa na olona manao fiainana any an-tranon’ny mpanjaka. Ho haintsika marina tokoa anie ny halahelo amin’ny hadisoana vita ka hahatsapa ny famelan’Andriamanitra mitondra antsika amin’ny hafenoan’ny fiainana (vavaka fangatahana), ka hanandramana ny hafaliana, tsy izay mandalo amin’ny fampiasana ny zavatry ny tany fa ilay hafaliana mampitombo ny faniriana ny lanitra izay maharitra mandrakizay (Kômonio)

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma III Fiaviana
PREVIOUS
Alarobia III Fiaviana
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona
  • Alakamisy fahatelo tsotra mandavan-taona
  • 25 janoary: fibebahan’i Md Paoly
  • Alarobia fahatelo tsotra mandavan-taona
  • Talata fahatelo tsotra mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2023
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona 26 janvier 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.