Trinitera Malagasy
Zoma III Fiaviana

Zoma III Fiaviana

Njara Pascal
  • Izaia 56,1-3a.6-8
  •  Salamo 66
  • Md Joany 5,33-36

Amin’ny Vakitenin’ny alakamisy fahatelo (Office des lectures : Izaia 32, 15—33,6) dia ambaran’Izaia Mpampinany fa ny fahamarinana no miteraka fiadanana ary vokatry ny rariny sy ny hitsiny ny fandriampahalemana maharitra, ary ny vahoakan’Andriamanitra honina amin’ny akanin’ny fiadanana, ao amin’ny fonenana tony, amin’ny toerana azo antoka na ho ripaka aza ny ala ka ho rava ny tanàna (and. 17-18). Ary amin’ny famaranana ny vakiteny dia ambaran’ny Mpaminany fa ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra no misy ny antoka rehetra ho amin’izany.

Izany lalàna izany no averin’Izaia Faharoa: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Fitandremana ny didin’Andriamanitra ny fitandremana ny sabata, izany hoe ny fametrahana Azy sy ny fandinihana ny Lalàny ho laharam-pahamehana. Fahatsiarovana ny Asany sy ny famonjeny amam-pahamarinany moa no antony hankalazana ny Sabata.

Mandeha lavidavitra kokoa anefa ny fampianarana ampitain’ny Mpaminany: ny fifikirana amin’ny Tompo sy ny fanompoana Azy no maha-vahoakany, ka ny sabata sy ny fanekem-pihavanana no fototra ijorian’izany fanompoana izany. Tsy natokana ho an’ny Jody ihany fa ho an’ny olon-drehetra ny trano fivavahan’ny Tompo izay hamenoany hafaliana izay voaangona ao.

Mila mandinika mandrakariva isika fa hafaliana no valisoa omen’ny Tompo izay manolotra sorom-pisaorana (Eokaristia) Aminy. Matoa tsy feno fatra ny hafaliantsika dia mazàna tys lavorary ny  fisaorana, tsy misy toerana hahitana ny lafitsaran’ny fiainana intsony. Izany no hanentanan’ny Eglizy antsika mba hivavaka ny Prefasy mandrakariva, hikolokolo ny antom-pisaorana isaky ny handeha hamonjy Lamesa, indrindra ny alahady: mendrika sy rariny, ary mety sady mahavonjy, ka mahafeno fatra ny hafaliana ny misaotra an’Andriamanitra lalan-dava. Misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho antsika rehetra ao amin’i Kristy Jesoa (1 Tes 5, 18).

Ny fahaizan’ny tsirairay misaotra an’Andriamanitra no hahalalan’ny mpiray tanàna ny vonjin’ny Tompo ary ny mpiray tanàna miara-midera no hitaran’ny famonjena maneran-tany ka haha-masina ny anaran’Andriamanitra eran’ny vazan-tany (Sal 66 setriny).

I Joany dia jiro nirehitra sy nazava amin’ny teny nolazainy. Ambaran’i Jesoa mazava amintsika anefa fa ny fanatanterahana ny asan’ny Ray, izany hoe ny hanangonana ny firenen-drehetra ho tonga vahoaka midera Azy an-kafaliana (araka ny henontsika amin’ny vakiteny I) no hanarahantsika ny lalam-pahamarinana natoron’i Jesoa ka mameno fiadanana ny fontsika.

Angatahontsika ary ny fihasoavana mba ho voatahiry ao am-pontsika maharitra ny hafaliana entin’ny Teny sy ny mety ho hazavana entin’i “Joany” ka hanova ny fiainantsika manontolo ho fanahafana an’i Kristy, ilay mivelona amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray sy ny manatanteraka ny Asany (Jn 4, 34).

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-efatra Fiaviana Taona A
PREVIOUS
Alakamisy III Fiaviana
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista
  • Alakamisy faha-24 mandavan-taona
  • Alarobia faha-24 mandavan-taona
  • Talata faha-24 mandavan-taona
  • Alatsinainy faha-24 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    septembre 2023
    D L M M J V S
     12
    3456789
    10111213141516
    17181920212223
    24252627282930
    « Août    

    Archives

    Articles récents

    • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista 21 septembre 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.