Trinitera Malagasy
Alahady faharoa Fiaviana Taona A

Alahady faharoa Fiaviana Taona A

Njara Pascal Comments 0 Comment

Ny Vakiteny aroso ny alahady II Fiaviana

Izaia 11, 1-10/ Salamo 71
Romana 15, 4-9
Md Matio 3, 1-12

Mibebaha fa akaiky ny Mesia

Mandritra ny Fiaviana moa dia misy endrika telo lehibe manampy antsika hiaina azy: 1- Izaia Mpaminany (יְשַׁעְיָהYesha`yah), zanak’i Amosa (אָמַץ ‘amats, matanjaka, be herimpo), izay maneho amin’ny fomba rehetra ny finoany an’ilay Andriamanitra mampanantena ny Mesia hanatanteraka ny fandaharam-pamonjeny, famonjena hahafahan’ny voary manontolo miriaria satria tsy hisy hanjakan’ny ratsy intsony; 2- I Joany Batista, ilay mpaminany lehibe indrindra amin’ny natera-behivavy (Lk 7, 28), manasa ny olon-drehetra mba hatao batemy eo amin’ny onin’i Jordany, ka hibebaka marina tokoa; 3- Masina Maria: izy no ilay Renin’ilay Andrasana, toky ho antsika fa lalam-pahasambarana ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. 

Nankalaza an’i Masina Maria tsy azon-keloka isika ny 8 Desambra, saingy amin’ny fandaharan’ny Tetiandro litorjika dia ny alatsinainy 9 desambra no ankalazana izany. Fankalazana hahatsiarovana indrindra ny tokony ho fitondran-tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra. I Masina Maria no ilay Eva vaovao. Raha « Renin’ny Velona » no dikan’ny teny hoe Eva, dia mazava loatra fa « Renin’ny Fiainana » i Maria, satria i Kristy no Fiainana. Raha tahotra no nameno ny fon’i Adama satria nanota (Jen 3, 7-15.20), dia hafaliana kosa no nanentana an’i Masina Maria, satria mahatsiaro fa voavonjy sy afa-keloka : « aza matahotra, ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao… » (Lk 1, 26-38) Mpamindra fo ny Andriamanitsika, Fitiavana Izy ka tsy tokony hatahorantsika. Izay notanterahin’Andriamanitra ka ankalazaintsika ao amin’i Masina Maria manko no sitrany hotanterahina ao amin’ny zanany rehetra izay efa nofidiany ho masina sy tsy manan-tsiny (immaculés) eo anatrehany talohan’ny nahariany izao tontolo izao (Efezy 1, 3-12). 

Amin’ity alahady faharoa ity kosa, dia miompana indrindra ny amin’ny « vokatry ny fibebahana » ny Vakiteny : « Manaova asa fibebahana mendrika tsara », na ny marimarina kokoa manaova asa mifanaraka amin’ny fibebahana, ampamokaro ny fibebahanareo (Mt 3, 1-13). Fa inona ny Fibebahana? Metanoia! hoy ny teny grika : fiovana toe-tsaina… Dia izay ny manampy antsika handalina ny fampianaran’i Joany Batista. Adidintsika ny midina ao amin’ny onin’i Jordany, adika ara-bakiteny hoe fidinana (tandindon’ny fanetren-tena),  hanaiky ny maha-mpanota antsika fa hanaiky koa ny hanova ny fiainana hampifanarahana amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy azo adino anefa fa ilay Fanahy hanaovan’i Kristy Batemy antsika no vimiaina manova ny toe-tsaina.

Io Fanahy io no « mampiray hevitra araka an’i Kristy » (Vakiteny II), io no mampifankatia, ka « hahafahan’ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry » (Vakiteny I) satria mahita mandrakariva ilay « endik’Andriamanitra tsy hay vonoina » ao amin’ny olombelona tsirairay… « endrik’Andriamanitra » maratra fa tsy voafafan’ny fahotana! 

Impiry moa isika no mihevitra ny hafa ho mitovy amin’ny alika! Angamba hilaza toa an’i Joany amin’ny hafa koa hoe : « fetsiratsy, taranaky ny menarana« ! Kanefa raha ilay Fanahy nanangana an’i Kristy ho velona, ilay Fanahy fototry ny finoantsika, no mameno ny fontsika, dia tsy ho fanamelohana na ho fankahalana na sanatria ho fanilihana na fitsoahana no asetritsika azy ireo, fa toa an’i Joany Batista koa: torohevitra sy fananarana, fankaherezana… ary tsy miambo akory hahatontosa izany fampibebahana izany satria mahatsapa fa « feo » ihany izy, fa i Kristy no manao Batemy amin’ilay Fanahy Manamasina sy mandio.

Manampy antsika hahazo izany toe-tsaina izany ny fiverenana mandinika ny Vakiteny I (Izaia 11, 1-10): ilay Andriamanitra mamono ny ratsy fanahy amin’ny fofonain’ny molony no mampitoetra ny amboadia amin’ny zanak’ondry, mampandry ny pantera amin’ny zanak’osy. Fanirian’ny zanak’ondry ny haha-ringana ny amboadia, saingy fanirian’Andriamanitra ny hiarahan’ny zava-boahariny manontolo hiriaria ao amin’ny fiadanany. Tsy afaka ny hahazo izany faniriana izany  ka ho sambatra amin’ny fahatanterahany araka izany izay tsy mahazo ka tsy miaina araka ny fitiavany: famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, hoy ilay tonga mba hiantso ny mpanota (Mt 9, 13). Izay matoky ny asan’ny Fanahy Masina ho afaka manova ny fon’ny olona ihany no afaka hiadana ao amin’ny Fanjakan’ny Fitiavana omanin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Ny fahalalana ny Tompo, hoy Izaia no hameno ny tany ka hahatanteraka izany. Tsy afaka ny ho sambatra manko ny ombivavy raha mbola misalasala fa mety mbola hiverina amin’ny habibiany ny orsa miara-mirao-bilona aminy.  

Nampalahelo an’i Md Paoly ny niheritreritra ny fizarazarana nisy tamin’ny Kristianina tany Roma. Nisy manko ireo malemy finoana, mbola mifikitra amin’ny fomban-drazana sy ny fadifady isan-karazany, araka ny lalan’ny jody, misy kosa ireo nantsoiny hoe mahery, tsy nandraharaha izany fombafomba izany intsony fa nanao ho zava-dehibe tokana imasoana ny finoana an’i Kristy. Ny malemy moa milaza ny mahery ho olona “superficiel”, tsy mahafehy tena; ny mahery kosa manaraby ny hafa ho olona tery saina, tsy afaka mivelatra, ntaolo be. Izany no niangaviany azy ireo mba hahatsiaro fa ny fiaraha-mankalaza ann’i Kristy Tompo amin’ny fo sy vava iray no tanjona sy fahasambarana na ho an’ny andaniny na ny ho an’ny ankilany. Tsy manesotra ny maha-izy azy ny liona na ny omby ny Tompo, fa manesotra kosa izay ratsy ao, hahafahana mifandefitra sy mifanala alahelo, ho voninahitr’Andriamanitra. 

Dia hialona ve isika raha mibebaka ka tonga masina kokoa noho isika ny « Jentily » izay mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony! (Rm 15, 9) Mahafaly antsika ve ny mahita ny olona mety nahavita ratsy tamintsika na tamin’ny havantsika kanefa notsilovin’ny Fanahy Masina ka niova fiainana! Amporisihin’i Md Paoly isika amin’ny vakiteny faharoa hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fiovan-toetra sy ny fibebahan’ny tsy mpino, hahay hisaotra an’Andriamanitra amin’ny asa soa tanterahin’ny hafa satria entanin’ny Fanahy Masina. 

Ny fibebahaba marina araka izany dia manova ny fontsika hijery ny zavatra rehetra, handray ny olona rehetra tahaka ny andraisan’i Jesoa azy, hahatsiaro fa zanaka tian’Andriamanitra isika rehetra, ka antsoiny mba ho dioviny amin’izay rehetra mety ho mololo sy akofa ao anatintsika ao. 

Tsy mora anefa ny mivoaka ny tanàna mahazatra: ny tao Jerosalema sy Jodea sy ny tany manododina rehetra dia nivoaka nankany amin’i Joany; tsy mora koa ny miaiky ny fahotana fa indrindra tsy mora ny manaiky atao batemy. 

Araka ny fanazavan’ireo mpandalina ny Soratra Masina dia teo Betabara no nanaovan’i Joany Batemy, 400 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, ny toerana iva indrindra eto ambonin’ny tany, fa teo ihany koa araka ny lovan-tsofina no niampitan’ny Zanak’Israely avy any amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny Batemin’i Joany araka izany dia mampahatsiaro antsika ny hasarobidin’ny fahafahana iantsoana ny zanak’Andriamanitra rehetra: tany an’efitra dia ny mana no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Josoe (Jos 5, 12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana. 

Ny tena fibebahana marina araka izany dia ny fandraisana ny andraikitra mba hampamokatra ny tany ka hahafahana misaotra an’Andriamanitra tsy misolo ny olona amin’ny asany, saingy mampamokatra kosa ny fisasarany hikolokolo ny zava-boary. Tsy sakana fa lalana amin’ny fizorana ho amin’ny fiainana araka izany ny filofosana mandavorary ny zava-boary, hahatonga izao tontolo izao ho zaridaina hisantarana sahady ny hamamin’ny fifankatiavana sitrak’Andriamanitra hiadanan’ny voariny rehetra. 

« Manaova asa fibebahana mendrika tsara », na ny marimarina kokoa manaova asa mifanaraka amin’ny fibebahana, ampamokaro ny fibebahanareo (Mt 3, 1-13). Tanisain’ny Salamo 71 ireo asam-pibebahana sahaza ny zanak’Andriamanitra: hanafaka ny ory mitoloko sy ny madinika tsy manan-kanampy, hitsimbina ny osa, hamonjy ny ain’ny malahelo. 

Hanampy antsika ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny tontolo misy antsika anie ny fiainana izao Fiavian’ny Tompo izao. 

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny
Alahady, Fiaviana

Post navigation

NEXT
8 DESAMBRA: FANKALAZAN AN’I MASINA MARIA NOTOROTORONINA TSY AZON-KELOKA,
PREVIOUS
SABOTSY I FIAVIANA

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy faharoa mandavan-taona
  • Alarobia faharoa mandavan-taona
  • Talata faharoa mandavan-taona
  • Alatsinainy faharoa mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy faharoa mandavan-taona 22 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.