Trinitera Malagasy
8 DESAMBRA: FANKALAZAN AN’I MASINA MARIA NOTOROTORONINA TSY AZON-KELOKA,

Njara Pascal Comments 0 Comment

Mpiaro Voalohany an’i Madagascar (1 aogositra 1644 Mgr Pierre Dalmond)

Jenezy 3,9-15.20 / Sal 97 / Efez 1, 3-6.11-12 / Md Lioka 1, 26-38

Ny fiekentsika an’i Jesoa ho Andriamanitra dia hanajantsika an’i Masina Maria ho Renin’Andriamanitra, ary ny fanajana azy ho Mpanjakavavy dia satria izy no Reny niteraka an’ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka, dia i Jesoa ilay maty fa nasandratra ho be voninahitra, hanehoan’Andriamanitra ny herin’ny Fitiavana, mandresy hatramin’ny fahafatesana. Mazava ny fanambarana nataon’ny Papa Pie faha-9 tamin’ny 1854 fa i Masina Maria tsy azon-keloka dia tandindon’ny Fiangonana be voninahitra tsy misy pandana na ketsona fa masina tsy manantsiny amam-pondro. 

Ny Mpanjakavavy manko dia tsy ny vadin’ny Mpanjaka (izay mety ho marobe, 900 ny an-dry Salomona) fa izay renin’ny zanaka nofidian’ny Mpanjaka handimby azy. Ny fankalazana an’i Masina Maria ho Mpanjakavavy araka izany dia manamafy ny fametrahantsika ny Evanjelin’i Kristy ho kiady sy fenitra ho an’ny fiainantsika. 

Ny tantara entin’ny Bokin’ny Jenezy mitantara ny vokatry ny fahotana sy ny antony mahatonga antsika olombelona hirona amin’ny fahotana no nahatonga an’i Md Augustin hampianatra mikasika ny fahotana tamin’ny fototra, ifandovan’ny olombelona hatrany am-bohoka. Tsara ho marihina anefa fa  ao amin’ny vakiteny faharoa dia henontsika i Md Paoly talohan’izany dia nilaza mazava fa “nifidy antsika tao amin’i Kristy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Andriamanitra mba ho masina isika sy tsy manan-tsiny (immaculés) eo anatrehany… mba ho zanany hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika”. Ahoana ary no hahazoantsika izany?

Henontsika tao amin’ny vakiteny voalohany ny vokatry ny fahotana: henatra. Menatra satria nahatsapa fa adalana ihany ny fiheverana fa ny tsy fanekena dia hampitovy saranga amin’Andriamanitra, hany ka ny fialantsiny azo atao dia ny manome tsiny an’Andriamanitra: “Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho”. Dia toy izany koa ravehivavy: ny bibilava no fositra, raha ny marina moa dia fanomezan-tsiny an’Andriamanitra avokoa ireo…

Ny valitenin’Andriamanitra amin’ny bibilava anefa dia Vaovao Mahafaly ho antsika: hikisaka amin’ny kibony ary hihinana vovotany (Mikea 7, 17) mandrakizay izy. Tsy tokony ho raisina ara-bakiteny anefa izany ka hieritreretana sanatria hoe taloha nitsangana ny bibilava dia izao mandady, sady fantatsika fa tsy mivelona amin’ny vovotany velively ny bibilava. Fomba fiteny ampiasain’ny Baiboly ireo mba hilazana ny faharesena mahafa-baraka. Izy ilay fetsy indrindra (harum), mihevitra ny hitovy amin’Andriamanitra dia ho menatra foana noho ny fahareseny, ho voaozona (harur). Ary tsy ho azy sanatria ny fandresena fa ho an’ilay hateraky ny vehivavy. 

Tsy azo adinoina fa miandalana ny fahafantarantsika an’Andriamanitra, ary tsy tokony hohadinoina izany fivoarana izany ao amin’ny Baiboly. Na i Jesoa (izy ilay hafenoan’ny fanambaran’Andriamanitra) aza dia nilaza tamin’ny Mpianany (izay tsy nanafenany na dia kely aza izay rehetra henony tamin’ny Ray) fa misy zavatra maro tsy mbola zakan’izy ireo fa hambaran’ny Fanahy Mpanafaka alahelo amin’ny fotoana mampety azy. 

Ambaran’i Md Lioka ao amin’ny Evanjely fa ao amin’ny Jesoa no tanteraka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, hanehoany ny fitiavany tapitr’ohatra antsika olombelona. I Masina Maria dia fitaovana ihany, saingy fitaovana nanaiky hiasan’ny fahasoavana ka hahafahantsika manantena miaraka aminy ny Famonjena mandrakizay. Izay te handresy ny bibilava ary, araka izany, dia mila maka tahaka ny « eny » nataon’i Masina Maria, ka ho zary fitaovana mahomby eo am-pelatanan’Izy Ray, haneho ny fitiavany ny olombelona. 

Tsy misy zanak’ikalahafa eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fitiavana nitiavany ny Zanany, izay nitiavany an’i Maria no hitiavany antsika tsirairay avy. Lova nomen’Andriamanitra antsika hoy i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny II ny “tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra”, koa ndeha horaisintsika mba hanova ny fiainantsika ho fanomezana ho an’ny hafa, ho Sorona Velona ankasitrahan’Andriamanitra, ka hahatonga antsika ho fankalazana ny voninahiny. 

Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny Teninao. Ho tanteraka ao amintsika anie ny sitrapon’Andriamanitra ho antsika tsirairay avy. 

Toriteny
8 desambra, Immaculée, Masina Maria

Post navigation

NEXT
ALATSINAINY II FIAVIANA
PREVIOUS
Alahady faharoa Fiaviana Taona A

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.