Trinitera Malagasy
Zoma faha-enina mandavantaona

Zoma faha-enina mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa  Jenezy 11, 1-9/Salamo 32/ 
  • Ankasa Jakôba 2, 14-24.26/Salamo 111/
  • Marka 8, 34-39

Raha misy te hanaraka ahy dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ahy. Ny vahoaka mbamin’ny mpianany no nilazan’i Jesoa izany, eny an-dalana mankany Sezarean’i Filipo. Vahoaka izay moa izany? Tao amin’ny andininy 27 dia ny mpianatra ihany no nolazain’i Marka niara-dia tamin’i Jesoa. Eto kosa dia ny vahoaka koa no hitenenany. Tiany asongadina amin’izany fa tsy an’ny mompera sy ny masera na ny Papa sy ny Eveka ihany ny fandavan-tena sy ny fitondrana ny hazofijaliana ka eo anivon’ny Fiangonana sanatria misy voaantso ho masimasina kokoa ary misy mba manao izay vitany (izay tiany) eny. Ny vahoaka no nilazan’i Jesoa fa izay te hanaraka azy dia tokana ny lalana na iza izy na iza: manao vy very ny aina noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely. Tsy an-tery anefa fa safidy malalaka: rah ate hanaraka Azy. 

Mampalahelo anefa satria indraindray aza misy manararaotra ny Evanjely sy ny Fiangonana mba hanangonana ny haren’izao tontolo izao sy ny voninahiny. Tsy mitsahatra ny maka fanahy antsika amin’izany i Satana, mba hanompoantsika azy, ka hiheverantsika araka izao tontolo izao fa tsy araka an’Andriamanitra. Izay manaiky hivavaka amin’Andriamanitra irery ihany no afaka handroaka an’i Satana (Mt 4, 9). Moramora kokoa anefa ny manompo ny lehibe sy mpanapaka amin’izao tontolo izao mba hahazoana valisoa sy voninahitra (mazava loatra araka an’izao tontolo izao)…

Misy zana-tohatra telo no mitondra antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra marina: 

  1. mandà tena, izany hoe miezaka ny tsy hieritreritra ny tombontsoan’ny tena, mitia tahaka ny ataon’i Kristy ka tsy manao zavatra hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana fa hanasoavana ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza (Mt 5, 44/ Lk 6, 27.35); 
  2. mitondra ny hazofijaliany: tsy ny fijaliana noho ny fahantrana na ny aretina na nendra nilaina anefa izany. Ny lakroà (σταυρός) manko dia fitaovana entina hanasaziana ny andevo. Mandray ny lakroà araka izany izay manaiky ny ho mpanompon’ny hafa tahaka an’ilay “naka ny fomban’ny mpanompo, nilatsa-tena ho ambany” (Fil 2, 7-8) ka mandray izay fahasahiranana sy mety ho andraikitra tandrify izany fanompoana izany; 
  3.  hanaraka an’i Jesoa: hiray aina aminy, hisafidy ny hanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra am-panetren-tena sy amin-kalemem-panahy (Mt 11, 29).

Eo anivon’ny taranaka mpijangajanga sy mpanota isika no antsoina hijoro ho vavolombelona, hoy i Jesoa. Ny fijangajangana dia ny fanaovana ny hafa ho fitaovana fotsiny hahazoana izay ilaina (fahafinaretana, vola, voninahitra …). Na ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra aza dia mety ho fijangajangana raha sanatria adinontsika fa maimaim-poana ny fitiavany ny olona rehetra. Ny fahotana kosa indray, ny חֲטָאָה (Hata’ah) dia izay manakana antsika tsy hihazo ny tanjon’ny fiainana dia ny fahasambarana. Ny hahasambatra ny vadiny no hafalian’ilay Mpampiakatra. 

Izay manome ny fiainany ho sorona, ho laniana amin’ny fanaovan-tsoa sy amin’ny fanorenana ny rariny ombam-piadanana, araka izany, no mampisy heviny ny fiainany fa mamonjy azy, hanome hasina azy. Tsy ny zavatra angonintsika avy amin’ny haren’izao tontolo izao no mampisy lanjany ny fiainantsika fa ny fijoroantsika ho vavolombelona tsy menatra ny Evanjely, ny fandraisantsika anjara amin’ny “nofinofin’Andriamanitra”, dia ny hiadanan’ny zanany rehetra. 

Tsy sanatria fiainana hahamenatr’olona no holokolointsika raha te ho kristianina marina isika, tsy sentom-bavaka hilazana ny fitiavany sy ny voninahiny an-tendo-molotra no maha-kristianina antsika fa ny fiezahantsika isan’andro mahafantatra Azy bebe kokoa mba hanahafana Azy tsaratsara kokoa hatrany. Izany no fiainana tsy hampitsanga-menatra eo anatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra. 

Ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra no ahazoantsika ny hafenoan’ny fiainana. Na izay maty aza, na sanatria nandrinandry tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana dia afaka ny hitsangan-ko velona, hanavao ny fiainany mba ho voninahitr’Andriamanitra. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-enina mandavantaona
PREVIOUS
Alakamisy faha-enina mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.