Trinitera Malagasy
Zoma faha-19 mandavan-taona

Zoma faha-19 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa:Ezekiela 16,1-15.60.63/Izaia 12,2-6
  • Tsy ankasa:Josoe 24,1-13 /Salamo 135
  • Md Matio 19,3-12

Taratry ny fiombonan’i Kristy sy ny Fiangonana ny Fanambadiana, hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Efezy. Nahoana i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy, raha toa ka ny fikambanana tanteraka toy ny lamban’akoho ka aina no fetra ny fanambadiana araka ny nandaharan’Andriamanitra azy? Ny toko faha-19 n’ny Evanjelin’i Md Matio moa dia mampianatra antsika hifandray araka ny hevitr’Andriamanitra amin’ny “vady” (and. 3-12), amin’ny zanaka (ankizy and. 13-15) ary amin’ny harena (and. 16-30), ka izay mahafoy izany ho an’ny fanjakan’ny lanitra no handova ny zato heny dieny ety ka hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny fiainana araka ny fandaharan’Andriamanitra hatrany am-boalohany ihany anefa no hahafahana mizotra amin’ny lalam-pahasambarana. Tsy ny trangan-javatra ety ivelany no hahafahana mitsara ny olona: misy eonoka (εὐνοῦχος – eunouchos[1]) satria tsy fidiny ho azy, misy tsy manao ratsy noho ny tahotra na noho ny faneren’ny hafa fa tsy noho ny safidy ho an’ny Fanjakan’ny lanitra. Mila dinihina mandrakariva araka izany ny antony hanaovana na tsy hanaovana zavatra iray, sao sanatria tsy fikatsahana ny Fanjakan’ny lanitra, izany hoe tsy firosoana amin’ny fanahafana ny fahalavorarian’ny endrik’Andriamanitra mpamindra fo.

Ny habibiana na ny ditran’ny olona entina indraindray dia mahatonga ny mpitondra hanao lalàna izay mety tsy mifanaraka amin’ny sitrak’Andriamanitra, fa miezaka kosa hiaro ny zon’ny madinika farafaharatsiny ahay (graduelle). Tany am-boalohany dia lahy sy vavy (monogamie) no noharian’Andriamanitra. Ny fitantaran’i Md Matio moa dia mametraka mialoha izany ho fototra iaingan’ny fampianarana (mampifamadika ny fitantaran’i Marka 10,1-12). Tamin’ny andron’i Môizy dia noheverin’ny lehilahy ho fananany ny vehivavy ka anaovany izay tiany atao (isam-bady; fandroahana sns). Rehefa mankaleo azy dia roahiny hiala ny trano. Raha sanatria anefa ilay voaroaka any aoriana any mahita olona hafa ka miaraka amin’io dia ampangainy ho mpijangajanga ka dia toraham-bato ho faty. Izay no nahatonga an’i Môizy hanery (ἐντέλλομαι – entellomai, handidy) azy ireo hanao taratasy fisaoram-bady, ka raha sanatria mahita olona hampakatra azy ilay voasaotra dia manana taratasy manaporofo fa tsy mijangajanga tsy akory fa efa noroahin’ny vadiny.

Ny “fanambadiana lamban’akoho” dia tsy lalàna fotsiny sanatria, fa “evanjely” mihitsy. Tsy misy fitiavana tsy maniry ny ho mandrakizay raha fitiavana marina. Tsy ny hampiasa ny hafa ho fahasambaran’ny tena tsy akory no tanjona fa ny hampiasa ny tena, ny hiezaka ho fahasambaran’ny hafa. Araka izany tsy hisy olona manam-bady ka afaka hiteny hoe tsy vitany intsony ny hitia, na sanatrian’izany hilaza fa tsy hainy izay atao mba hahasambatra ny hafa; ny hanova ny hafa hifanaraka amin’ny heverin’ny tena ho fahamarinana mazàna no imatimatesana, ka rehefa tsy miova izy dia kivy ny tena, ka mitady izay fomba rehetra izao hisarahana.

Ny manokana ny tena ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ivelan’ny fanambadiana dia fanomezam-pahasoavana manokana fa tsy ezaky ny maherifo sy ny be saina, izany no fisantarana ny fiainan-ko avy (Mt 22,30) ka tsy afaka ny haharitra amin’izany izay tsy mikatsaka afa-tsy ny haren’ny tany.

Hoentintsika am-bavaka manokana anio ireo tokan-trano gejain’ny fitiavan-tena ka tsy afaka ny mifaninana ho antom-pahasambaran’ny hafa. Hotohanantsika am-bavaka koa ireo nanokan-tena satria matoky ny fahasoavan’ilay niantso, mba hahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona, hamokatra be dia be ho an’ny fanjakan’Andriamanitra. 

[1] Gardien de lit – Mpiandry fandriana

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-19 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-18 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • TRINITE MASINA TAONA D
  • Sabotsy fahafolo mandavan-taona
  • Zoma fahafolo mandavan-taona
  • Alakamisy fahafolo mandavan-taona
  • 11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • TRINITE MASINA TAONA D 13 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.