Trinitera Malagasy
TALATA II FIAVIANA

TALATA II FIAVIANA

Njara Pascal Comments 0 Comment

Izaia 40, 1-11 / Sal 95 / Md Matio 18, 12-14

Ampionony ny vahoakako: voaonitra ny helony: ny Tanan’ny Tompo no handray ny roa heny onitry ny fahotany. Araka ny ampanarin’ny Boky Eksody (Eks 22, 3.6. 8) dia mila honerana avo roa heny izay zavatr’olona nalaina tsy an-drariny. Ary satria heverintsika fa misaina tahaka antsika Andriamanitra matetika dia nanjary nivilana ny nandikana ny Vaovao Mahafaly nambaran’Izaia: izay nanota dia mila faizina, mila saziana, ary Andriamanitra mihitsy no hanome sazy avo roa heny (kapoka indroa mihantoana) avy amin’ny tanany. Izany ve dia hampionona? Manjary mifanohitra amin’ny fanonerana ny heloka voalaza etsy ambony anefa izany. Olona hosaziana indroa ve dia ho faly? Isika faly satria ny ota natao dia voavela avokoa. Ny fanonerana in-droa miantoana dia efa nataon’ny Tompo ho antsika. Ny Zanany maty teo ambony hazofijaliana ho antsika no porofo fa tsy nivadika tamin’ny teniny Izy. 

Tsy midika anefa izany fa afaka manao izay tiany atao ny olona satria mpamindra fo Andriamanitra.  Ny antony tsy hanotàna tsy sanatria ny tahotra ny ho voasazy fa satria isika ihany no hizaka ny vokatry ny tsy fiainana araka izay mahasoa. Misy fiantraikany ratsy mandrakariva eo amin’ny fiainana manko ny fahotana, ary tsy sanatria manampy trotraka izany voka-dratsin’ny fahotana izany Andriamanitra fa kosa toy ny Mpiandry ondry: mitady mandrakariva izay hahasoa ny ondriny. Ary raha sanatria misy iray nania, dia tsy mampaninona azy ny handeha hitady iny ary hamela ny 99 ao am-bala. I Md Matio moa tsy mampiasa ny hoe ondry very, fa ondry nania (πλανάω planao), entiny hilazany ireo madinika izay tsy tokony atao tsinontsinona, ireo madinika izay nania satria mety ho tafintohina noho ny tsy firaharahana na sanatria an’izany noho ny drafitra mipetraka ka tsy manafaka fa manandevo ny olona. Ny fanontanian’i Piera amin’ny and. 21 (Mt 18, 21) hoe raha diso im-piry no azo avela, dia vokatr’izany. 

Araka ny nolazaintsika omaly ihany, tsy fahefana tahaka ny an’ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna manko ny an’i Jesoa. Ny azy ireo manko dia ny mampianatra ny manavaka ny tsara sy ny ratsy araka ny lalàna no ataony, ka manameloka na manafaka izay heveriny ho mifanaraka na tsia amin’izany. Ny an’i Jesoa koa, fahefana hitadiavana izay hitondrana ny olona rehetra amin’ny famonjena. Mpitsabo mamono ny aretina mba hamelomana ny marary izy fa tsy sanatria mpitsara mamono ny marary miaraka amin’ny aretiny. Ny famelana ny fahotana no lalana itondrany antsika kosa ao amin’ny fahasambarana amin’ny maha-zanaka. Hafaliana kokoa ho an’ny mpiandry ondry ny fahitana ny iray izay nania, hoy i Jesoa. 

Mifanohitra amin’ny fahendrena takatry ny mpivavaka ao amin’ny testamenta taloha izany: ny salamo 1 milaza ny olo-marina tsy mba miaraka amin’ny mpanota, ny salamo 101 aza milaza fa isa-maraina dia mandringana ny mpanao ratsy ao amin’ny fanjakany (Sal 101, 8). I Jesoa kosa miara-mihinana amin’ny mpanota sy ny poblikana (Mt 11, 19), ary nolazain’Izaia Mpaminany aza fa dia nosokajiana ho izan’ny ratsy fanahy (Izaia 53, 12). 

Mba mampiseho izany toetran’Andriamanitra izany ve ny Eglizintsika? Ny mpivavaka alahady sy ny Komity mbamin’ny isam-baomiera ary ny herivelona rehetra ao am-piangonana ve vonona ny hanao fety amin’ny fiverenan’ny ondry nania? Isika mihevi-tena ho mpianatr’i Kristy ve vonona ny hihosy amin’ireo reraky ny fiainana fa very, nania, tsy mahita ny lalana hombana intsony? Tandremo sao ataonareo tsinontsinona ny iray amin’izy ireny hoy i Kristy mananatra antsika (Mt 18, 10, mialoha ny Evanjely anio). 

Aleoko mahita Eglizy maratra nitady ny very toy izay Eglizy bobongolo mihidy amin’ny mahazatra sy ny drafitra ivelany fotsiny, hoy Papa François, teny am-piandohan’ny maha-evekan’i Roma azy. Ampahatsiahiviny anefa (fihaonany tamin’ny pretra tany Assise) fa mialoha ny hivoahana hitady ny very dia tokony ho vonton’ny hanitr’i Kristy, mba tsy hitondra ny saim-patatra fa kosa ny hanitra sy ny fihavaozan’ny Evanjely. 

Ndeha isika hiakatra eny an-tendrombohitra, hiakatra tsy an-tongotra fa amin’ny fiainana vonton’ny Evanjely, ka hidradradradra mafy fa tonga ny Tompo Andriamanitra. Hampionona antsika no antony hiaviany. 

Toriteny
Fiaviana

Post navigation

NEXT
ALAROBIA II FIAVIANA
PREVIOUS
ALATSINAINY II FIAVIANA

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faharoa Fiaviana Taona B
  • SABOTSY I FIAVIANA
  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2023
    D L M M J V S
     12
    3456789
    10111213141516
    17181920212223
    24252627282930
    31  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faharoa Fiaviana Taona B 8 décembre 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.