Trinitera Malagasy
Talata fahafolo mandavan-taona

Talata fahafolo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Mpanjaka 17, 7-16/Salamo 4
  • Tsy ankasa  2 Kor 1, 18-22/Salamo 118
  • Md Matio 5, 13-16

Ho an’izay te ho mpianatr’i Kristy dia antsoiny hanaraka ny lalana lavorary mitondra amin’ny Fahasambarana. Ireo sambatra sy faly ary manantena ny valisoa lehibe any an-danitra, dia ilay denie iray itovizana amin’ny rehetra (Mt 20, 10) dia antsoiny hanandrana ny fahasambarana amin’ny fijoroana ho vavolombelony manoloana ny fanenjehana sy ny habibian’ny mpanohitra ny Mpaminany (Mt 5, 11-12).

 Antsoin’i Kristy ho Fanasina sy Fahazavana ireo Mpianany ireo. Fomba fiainana mifototra amin’ny Evanjeliny no takian’izany ka izay mahita ny hatsaran’izany ihany ary resy lahatra fa io no hany fahasambarana no hanana herim-po hivarotra ny voahangy rehetra nangoniny hatrizay ka hividy ilay voahangy tokana aman-tany, izay mahita ny hasarobidin’ny rakitra no hahafoy ny fananany mba hahazoana ny saha (Mt 13, 44-45).

“Ianareo no fanasin’ny tany. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.”

Ianareo. Tsy ny tsirairay fa ny mpianatra miombona no afaka ho “sira” sy “fahazavana”.

Misy zavatra telo farafahakeliny tokony ho tsaroantsika amin’ny asan’ny sira eo amin’ny fiainana:

Izany rehetra izany no antony hanasivana sira ny rano hasinina hampahatsiarovantsika ny Hasin’ny Batemy, nananganana antsika ho zanaka, ka mahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana.

Ianareo no Fanasin’ny tany. Ny laoka no asiana fanasina ary izay no mahazatra antsika. Eto dia ny tany (γῆ gê) no ilàna ny sira. Ny sira manko, ἅλας (halas) dia entina ilazana ny akora masirasira entina manamasaka ny tany azo ambolena ihany koa. Tokony hampisy tsirony ny fiainan’ny tany izany izay nandray ny aina avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny fanaraham-bolontany anefa fa amin’ny fiarovana ny tany tsy ho tratry ny fahalovana, mba hahalonaka ka hampamokatra azy. Antsoina isika mba hampamiratra eo amin’ny zanak’i Adama, avy amin’ny tany, ilay endrik’Andriamanitra nahariana azy.

Ny hoe sira, ἅλας (halas) amin’ny teny grika, dia entina hilazana ihany koa ny fahendrena amam-pahasoavana ampitaina amin’ny fomba fitenenana. Tsy azo adinoina na oviana na oviana anefa fa ny laoka no hitan’ny olona fa tsy ny sira. Tsy misy mihitsy nahay nanisy sira amin’ny laoka ka ny sira no lazaina fa tsara: na ny laoka no matsiro na ny mpahandro no mahay.

Na mahay tahaky ny inona aza anefa ny mpahandro, rehefa very tsiro ny sira, satria nifangaro amin’ny zavatra hafa (tadidiko ny sira avy novidiana norarahan’ny pétrole tamin’ny mbola kely), dia tsy misy ilàna azy intsony. Ariana any alantrano, hoy Jesoa satria tsy hahasoa ny tany tsy hahasoa ny zezika (Lk 14, 35).

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany i Jesoa milaza fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao (Jo 8, 12) raha mbola eto amin’izao tontolo izao (Jo 9, 5). Lasa niakatra any amin’ny Ray Izy ka ny mpianany nirahiny tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy (Jo 20, 21) eto no antsoiny mba ho fahazavan’ny fiainana ho an’izao tontolo izao.

Ohariny amin’ny tanàna miorina eo an-tampon-kavoana isika: ny tompon’ny tanàna sy izay nanorina azy no mahazo voninahitra raha mahita ny hatsaran’ny tanàna ny olona. Nantsoin’i Jesoa isika, tsy ho fisehosehoana hahajejo sanatria, fa mba hanomezan’ny olona voninahitra ny Ray any an-danitra. Fahazavana isika, hoy izy, ka mazava loatra, toy ny tanàna fa toa ny jiro ihany koa, tsy afaka afenina any ambany vata famarana (μόδιος modios, famarana voamaina tokotokony ho 9 litatra). Eo ambony fitoeran-jiro no ametrahana ny hazavana mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Tsy isika sanatria no hobanjinin’ny olona, fa kosa hahafahan’izao tontolo izao mahita ny zavatra rehetra araka ny hevitr’Andriamanitra. raha ao amin’ny trano feno fanaka ka hivoaka hamonjy varavarana raha maty tampoka ny jiro ka maizina dia miraparapa sy midona etsy sy eroa. Ary raha arehitra ny jiro, tsy hampikisaka ny fanaka tsy akory fa mba hahitana ny hasiana ny tongotra kosa.

 Indraindray misy olona mimenomenona fa tsy misy azo atao intsony manoloana ny olana mianjady amin’ny fiainany. Matetika tsy ny lalana ivoahana no tsy misy fa ny olona no miraparapa ao anatin’ny haizina ka rehefa sasatry ny midòna etsy misòna eroa, dia mamoy fo. Antsoin’i Jesoa ho fahazavana ny mpianany mba hahafahan’ny olona manome voninahitra an’Andriamanitra, izay tsy mivadika amin’ny Fanekem-pihavanana nataony, ka manohy izany amin’ny asa ataontsika zanany.

Na ny sira na ny jiro dia mampahatsiaro antsika fa ny tany sy izao tontolo izao no niantsoana antsika mba hohajariana ka ho sehatra hamirapiratan’ny voninahitr’ilay Mpahary ka nahita fa “tsara indrindra” ny zavatra rehetra nohariany (Jen 1). Tsy ny hampisy tsirony na ny hampazava na tsia anefa no tokony himatimatesantsika. Tsy anjaran’ny sira sy ny jiro izany. Ny ho fanasina sy ho fahazavana no iantsoana antsika. Anjaran’ny mpahandro sy ny mpitan-jiro ny sisa. Tsy ny ho hita na ny ho banjinina koa no himasoana, ka tsy handà ny tsy ho jiro hanazava, eny fa na dia hahantona eny ambony fanaovan-jiro, eny ambony lakroà, tahaka ilay Fahazavana tokana hahazoantsika ny hazavana aza (Salamo 36, 9), ka sahala amin’ny volana sy ny kintana ihany isika, tsy afaka ny hamiratra sy hanazava raha tsy tarafin’ilay Masoandro avy any ambony hanazava ny firenen-drehetra (Lk 2, 32).

Ho voninahitr’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra, ka tsy hiheverantsika ho “ho mpanisy sira” fa ho fanasina sy fahazavana marina tokoa.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia fahafolo mandavan-taona
PREVIOUS
Evanjelin’ny Fahasambarana (Matio 5, 1-12)
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.