Trinitera Malagasy
Talata faha-dimy mandavan-taona

Talata faha-dimy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Jenezy 1,20-2,4a/Salamo 8/
  • Ankasa 1 Mpanjaka 8, 22-23. 27-30/Salamo 83/
  • Md Marka 7, 1-13

Ny fampifanarahana ny fomban-drazana sy ny kolontsaina malagasy amin’ny Evanjely dia tsy lalan-tokana azo fintinina amin’ny fampanaraham-bolontany fotsiny. Misy fomba nentim-paharazana manko tsy mifanaraka akory amin’ny Evanjely, ka tsy maintsy diovina izy ireny. Ny Evanjely tsy mahakasika ny fiainan’ny olona koa dia tsy avy amin’i Kristy, ilay Teny tonga nofo. Ny fandanjalanjana izany dia miteraka fifandirana mety hiafara amin’ny ady sy ny fisarahana aza indraindray, raha tsy mafy orina izay mampitambatra. 

Ho an’ny Jody dia mizara roa izao tontolo izao: ny madio (pur) izay mitondra amin’ny fiainana ary ny maloto mila diovina raha tsy te hifatratra any amin’ny fanjakan’ny haizina sy ny fahafatesana (hadès). Araka izany dia mila manaraka amin’ny antsipirihiny ny fomba fidiovana, satria izay “maloto” dia mila sarahana amin’ny tontolo mahakasika an’Andriamanitra Velona sy ny mpino azy ary tsy afaka miverina hiombom-piainana sy hafaliana indray amin’ny mpino “madio” raha tsy efa avy midio, araka ny fomba nifandovana. Ny tsy fanarahana ireny fomba aman-dalàna ireny dia maha-voasazy ary mety haha-voaozona mihitsy aza (Jn 7, 49). 

Ny mpianatr’i Jesoa dia tsy nanaraka iznay fomba izany. Tsy dia resaka fahadiovana loatra no tian-kambara eto fa ny fombafomba nentim-paharazana. Azonareo alaina sary an-tsaina izany rehefa mahita zinga mifatotra eo amin’ny paompy fanasana tanana ianao, satria tsy fomba ny manasa tanana amin’ny rano mandeha fa tsy maintsy tovozina… rehefa avy any an-tsena manko, dia mazava loatra avy nifampikasokasoka tamin’ny tsy mpino tany fa mila midio. Lazain’ny Boky Eksaody fa mila misasa tanana sy tongotra ny mpisorona rehefa miditra sy mivoaka ny tempoly sy ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty (Eks 30, 17-21) ary tsikelikely dia lasa fahazaran’ny olona rehetra, tonga didy mila tandremana toy ny anakandriamaso mihoatra noho ny Didin’Andriamanitra. 

Rehefa izay no mitranga dia zava-doza no aterany. Rehefa mahavita ny fombafomba ny olona dia mihevitra fa efa milamina ny konsiansy ka afaka mandeha am-piadanana. Diniho ohatra ny fomba fivavaka izay lasa fahazarana fotsiny ka tsy ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fikatsahana ny sitrapony intsony no mahamay fa ny fahaizana na tsia tsianjery ny vavaka ary ny fanononana azy antendro-molotra (pli-vava). Mpiatsaravelatsihy no manao izany hoy i Kristy. ὑποκριτής moa dia entina hilazana ny mpilalao an-dapihazo, miseho ho mpivavaka, nefa ny fiainany lavitra izany fivavahana izany. 

Sao sanatria an’izany mbola mihatra amintsika ny fananaran’i Jesoa ka rehefa mahavita denier de culte sy mandrotsaka rakitra ho an’ny pretra sy ny fiangonana dia milamina ny konsiasy, ka na maty noana aza ny mpifanolo-bodirindrina, na hahantra eo aza ny raiamandreny dia tsy mampaninona satria efa nahavita ny adidy masina (Korban). 

Tsy ho sanatria antsika anie ny hanao vavaka an-tendromolotra ka hanana fo manalavitra an’Andriamanitra (Izaia 29, 13gr). Tsy ambony na oviana na oviana noho ny Tenin’Andriamanitra sy ny didim-pitiavany ny fanajana izay mety ho tenin’olombelona sy fomban-dazana sy fomban-tany nifandovana. Tsy hanaovana tsinotsinona ny fomba sy ny soatohavina izany sanatria, fa fahamailoana kosa sao sanatria mifanipaka amin’ny fitiavana ny fiheverana ho fanajana azy ireny. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-dimy mandavantaona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-dimy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.