Trinitera Malagasy
Talata faha-18 mandavantaona

Talata faha-18 mandavantaona

Njara Pascal
  • Jeremia 30, 1-22/Salamo 101
  • Boky Fanisana 12, 1-13/Salamo 50
  • (taona B-D) Md Matio 14, 22-36
  • taona A eny aoriana

Araka ny voalazan’ny Evanjely, rehefa avy nampitombo ny mofo i Jesoa, fa ao amin’ny Evanjely, tsy mampiasa io teny “mampitombo io. Mitso-drano no nataon’i Jesoa, ary ny nizara kosa no nataon’ny Mpianatra, ka rehefa avy nivoky ny mofo voatsodrano ihany koa niaraka tamin’ny vahoaka ary samy nahafeno ny sobika tamin’ny tapa-mofo tsy lany nangonina dia nodidian’i Jesoa, na ny marimarina kokoa notereny (ἀναγκάζω anankatzo) hiakatra ao an-tsambokely ka hiampita hialoha Azy. Raha alaina sary an-tsaina ny zava-mitranga dia hafahafa ihany. Ho aiza ireto mpianatra? Hiverina ho any Nazareta ve sa ho aiza? Lazain’ny Evanjely fa avy nandre ny nahafatesan’i Joany i Jesoa dia niala tao mba hitokana samirery any an’efitra (Mt 14, 13). Manahirana ihany koa, satria 11 km no velaran’ny farihin’i Galilea, nefa hatramin’ny telo maraina ireo mpianatra, mbola eny am-povoan’ny ranomasina ihany, ary rehefa tafita ny ranomasina indray, dia tany Genesareta no niantsonany, teo amin’izay nampianaran’i Jesoa ny vahoaka, nanirahany an’i Simona hiroso lalindalina kokoa (duc in altum) mba handatsaka ny haratony indray na dia tsy nahazo na inona na inona nandritra ny alina aza, ary niantsoany ireo mpianatra ho tonga mpanarato olona (ζωγρέω zogreo, Lk 5, 1-10).

Izany rehetra izany (sy ny zavatra hafa tsy ho voatanisa eto) no manintona ny saina handeha lavidavitra kokoa, hahazo ny hafatra tian’i Matio ampitaina amintsika. Ho an’ity Evanjelista ity, ny sambo dia ny Eglizy, ao no anirahan’i Jesoa ny mpianany mba hizorany ho eny am-pita, ho any amin’ny fahasambarana ampanantenain’Andrimanitra ny zanany rehetra. Tany nahavokisana tsy hipetrahana ela, hoy ny Ntaolo, hampahatsiahivana ny tokony hiverenana malaky amin’ny asa miandry.

Raha jerentsika ny nataon’i Jesoa dia tsy nanakana Azy velively hanadino ny fihaonany tamin’ilay Rainy ny fikolokoloana sy ny fampianarana ny vahoaka, ka niakatra teny an-tendrombohitra, Izy irery nandritra ny alina, mba hivavaka. Ny ho any an’efitra samirery hivavaka no anton-diany mialoha ny hahitana ireto vahoaka be nanaraka Azy ireto. Manosika antsika hanome lanja ny vavaka samirery izany, fa sady tsy voasolon’ny fiaraha-mivavaka no tsy voasolon’izay mety ho faharerahana amin’ny asa fanompoana, sanatria. 

Ny Eglizy kosa, toy ny sambo atopatopan’ny onja sy ahilangilan’ny rivom-pampianaran-tsamihafa etsy sy eroa (Efez 4, 14) satria fampianarana tsy mifanaraka amin’ny heverin’ny be sy ny maro no ampitaina. Manaporofo izany ny zava-misy ara-tantara nandritra izay roa arivo taona latsaka kely niorenany izay ary eo anatrehan’izany indrindra no hisehoan’i Jesoa, mandeha ambonin’ny rano satria efa nitsangan-ko velona, nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, kanefa toa heverin’ny mpianatra ho matoatoa ihany. Ny nadika hoe nahilangilana moa eto dia ny matoanteny hoe βασανίζω (basanizo)[1], izany hoe misedra ny volamena sy ny volafotsy mba hahalalana na tena izy na osoka amin’ny alalan’ny fandomana azy amin’ny βάσανος (basanos), karazam-bato mafibe. Ny rivotra mihatra amin’ny Eglizy araka izany dia fitsapana ihany, hanehoany ny maha-izy azy, izany hoe hanehoany fa fitaovana aneren’i Kristy ny mpianany ho eny am-pitan-drano izy.

Anisan’ny fomba entintsika maka fanahy an’Andriamanitra ihany anefa izay nataon’i Piera: “Raha ianao ary Tompoko, asaivo mandeha mankeny aminao eny ambony rano aho”. Adinon’i Piera, ary adinon’ny mpianatra matetika fa ny hitondra ny sambokely ho eny am-pita no nanirahana azy fa tsy ny handeha ambony rano. Ny sambo no mandeha ambony rano fa tsy ny olona. Tsy ny hifaninana hitovy amin’Andriamanitra no heverintsika fa hanaporofoana ny fisiany. Tsy fanarahan-dia izany fa faniriana vokatry ny avonavona ihany. Izay mieritreritra hanao izany, na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hilentika ihany tahaka an’i Piera.

Ny fahatsapana ny fahalemena eo anatrehan’izay hamafin’ny rivotra mifofofofo no mahatonga ny tahotra, ary izany dia tokony hanampy ny fontsika hisokatra amin’ny tena vavaka : « Tompo o, vonjeo aho« . I Kristy eo anivontsika no afaka mampitsahatra ny rivotra sy mameno fiadanana ny fo.  Tsy afaka ny hatoky tena amin’izay heriny sy fahaizany ny mpianatr’i Kristy ary tsy hanadino fa Jesoa (יְהוֹשֻׁעַ Yehôshuwà), “Andriamanitra no famonjena” no anaran’ilay naniraka azy ireo. Tsy ny Apostoly ihany anefa, fa na isika koa aza, rehefa jambenan’ny adim-piainana no mihevitra an’Andriamanitra ho toa “matoatoa” ary mitady famantarana mba hanaporofoana fa tena Izy marina no eo afovoantsika.

Ny finoana tsy matotra (ὀλιγόπιστος oligopistos, finoana kely) no mampisalasala antsika ka hanadinoana ny iraka sy ny tanjon’ny fiainana voalohany indrindra, ary avy eo indray, tsy hatoky akory ny fitiavan’ilay niantso antsika. Izy kosa anefa tsy sasatra ny maninjitra ny tanany mba hamonjy antsika. Izy miakatra eo an-tsambokely no mampitsahatra ny rivotra, mampisy fiadanana, tahaka an’i Elia teny an-tendrombohitra Hôreba. Ao amin’izany fiadanana izany no hahafahantsika manatona Azy sy mitsaoka Azy fa Izy tokoa no tena Zanak’Andriamanitra. Tsy Md Piera irery, toy ny holazain’i Md Matio aoriana kely (Mt 16, 16) fa ny mpianatra rehetra no miara-miaiky ny finoany.

Raha ampifandraisina amin’ny Genesareta ao amin’i Md Lioka 5, 1-10 moa ny fiantsonana ity, dia azo heverina fa io alina nanilangilanan’ny onjan-drano ny sambo kely io no ilay alina tsy nahazoan’ny mpianatra na dia trondro iray monja aza.  Na aiza na aiza anefa hiantsonan’ny sambokelin’ny Eglizy dia vahoaka marobe mandrakariva no miandry azy, ary ny vahoaka “rehetra” no kolokoloiny sy ampahereziny, entiny ho amin’ny lalam-pamonjena. Ireny no anirahan’i Jesoa ny Mpianany, ho mpanarato, hitondra ny hazandrano ho amin’ny fiainana, araka ny voalaza teny am-piandohana.

Ao amin’i Matio koa tsy i Jesoa no irian’ny olona hokasihana fa ny morotongotr’akanjo, izany hoe ilay “sahondran’akanjo”, (κράσπεδον – kraspedon, צִיצִת – tsytsit, en hébreux) didian’ny lalàna mba hatao amin’ny zorony efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana (Fanisana 15, 37-41, Det 22, 12). Ny finoana, izany hoe ny fiekena fa “Izy no Tompo Andriamanitra” afaka manangana ho velona, afaka mamerina amin’ny laoniny ny fiainana, izany no hahafahantsika mandray ny aina avy amin’ilay Tompon’ny aina na velona isika na maty (1 Tes 5, 10).

Iezahantsika ary ny hiaina izany finoana izany, hampisy akony eo amin’ny andavanandrom-piainantsika izay ventsointsika ao amin’ny vavaka, ary hahafahantsika mitondra am-bavaka ny trangan-javatra na an-kasarotana na an-kafaliana. 

[1] βασανίζω : mettre à l’épreuve (des métaux) par une pierre de touche (basanos), pierre siliceuse utilisée pour la vérification de la pureté de l’or ou de l’argent par examen d’une rayure par cette pierre (source : Bibleworks 10)

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-18 mandavantaona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-18 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.