Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-18 mandavantaona

Alatsinainy faha-18 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Jeremia 28, 1-17/Salamo 118
  • Tsy ankasa Fanisana 11, 4-15 /Salamo 80
  • (taona B- D) Md Matio 14, 13-21
  • (taona A) Md Matio 14, 22-36 – jereo Talala faha-18

Raha alalinina ny fizotry ny Evanjely, avy naka ka nandevina ny fatin’i Joany ny mpianany no nandeha nitantara ny zava-nitranga tamin’i Jesoa, izay niala teo, niondrana an-tsambokely mba handeha hitokana samirery tany an’efitra. Ny toerana naha-lehibe Azy, ny tanindrazany (πατρίς patris), i Nazareta izay niverenany nampianarana tao amin’ny Sinagoga no nialan’i Jesoa indray, nefa vao eo izy no niala tany Kafarnanoma mba ho any, ary tao no nidirany farany tao amin’ny Sinagogan’ny Jody. Mampianatra antsika zavatra maro amin’izay tokony atao manoloana ny adin-tsaina izany: ho any an’efitra mba hivavaka.

Nolazaintsika fa mora ny mimenomenona amin’ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina, saingy tsy mora ny manatona ny Tompo satria mangetaheta marina tokoa izany fahamarinana izany. Amin’ny fitantaran’i Matio sy Marka, raha haravona, na noho ny fankahalan’i Herôdiada na dia noheverin’i Herôda ho lehilahy marina sy masina ihany aza i Joany (Marka 6, 17-20) na noho ny mety ho olana ara-politika manokana nateraky ny fampianaran’i Joany ka nahatonga an’i Herôda nitady hamono azy saingy natahotra ny vahoaka izay nanano azy ho mpaminany (Mt 14, 5), dia samy manambara ny hiafaran’izay mikatsaka marina tokoa ny fahamarinana.

Izany no hilàna ny fihatahana masina sy ny laretirety, handinihana ny tokony hatao, hananana hery hirosoana hatramin’ny farany amin’ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra (Mt 6, 33). Izay mahatsapa fa fahasambarana ny fanagadrana sy ny famonoana ny martiry toa an’i Joany Batista ihany (Mt 5, 10) no afaka hanasoa ny vahoaka, hisikim-ponitra hikolokolo (θεραπεύω therapeuo) ny farofy tahaka an’i Kristy, satria honena ny fony (σπλαγχνίζομαι splagchnizomai), alahelo ho azy ny mahita ny vahoaka marobe mandeha an-tongotra, miaritra ny andro manontolo manaraka an’ilay Lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy sanatria ho azon’ny fakam-panahy isika rehefa sorena amin’izay manahirana ka ny hafa mba mila vonjy indray no vingavingaina. “Miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy Md Paoly (Rom 12, 15).

I Herôda namory ny namany tao an-dapany, i Jesoa sy ny Mpianany kosa nahavory ny olona any an-tany efitra. Ny andro efa mandrorona, ny “ora” efa nipaika, ny tao an-tsain’ny mpianatra dia ny handrava ny vahoaka mba samy hitady izay harapany. Tsy araka ny hevitr’Andriamanitra anefa izany hoe samy manavotra ny tenany izany. Tsy ampy koa ny mitanisa ny fahorian’ny vahoaka. Izay no nanomezany baiko ny mpianany tsy hiala andraikitra fa “hamahana ny olona” naharitra nihaino an’i Jesoa tany an’efitra, hamaly ny fanirian’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ka hahatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Izay vonton’ny Evanjely dia tsy hamela izay nanatona azy, tsy ho voky ny hanina mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay ka sanatria hitondra tanam-polo hody any an-trano.

Tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa anefa ny Mpianatra. Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny avoakan’ny Vavan’Andriamanitra koa. Ny boky dimin’i Moizy (ny Lalàna) sy ny Mpaminany ary ny Salamo, izay Boky voalohany ao amin’ny Soratra (TNK) no lovam-panahy nananan’ireo mpianatra taorian’ny andro hariva, ilay nanoloran’i Jesoa ny ainy ho antsika. Ny hazandrano roa moa azo hanoharana ihany koa an’i Kristy sy ny baikony hitia an’Andriamanitra sy ny namana tahaka ny tena amin’ny fo manontolo. Ho ampy ny vahoaka ve izany? Hahavoky ny vahoaka ve izany? Ny fahendrena kely norantovina tao amin’ny seminera ve hahafahana mamoky ny vahoaka ho anay pretra? Ho ampy inona izany amin’ny famahanana ny vahoakan’Andriamanitra?

Tsy mangataka amintsika zavatra tsy ananantsika na oviana na oviana Andriamanitra fa mangataka kosa mba hanolorantsika manontolo izay ananantsika, mba hampiasantsika izany amin’ny “famokisana” ny vahoakany. Raha haintsika ny mitondra izay ananantsika any amin’i Jesoa dia hainy koa ny manova izany ho tso-drano (εὐλογία eulogia = berekhà, berakot), hankalazan’ny olona ny hatsaram-pon’ny Tompo. Izay mahatsapa fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny harena eo an-tanany dia tsy afaka ny tsy hizara izany amin’ny hafa. Tsy milaza fampitomboana ny mofo tsy akory ny Evanjely fa milaza ny tso-drano fisaorana sy ny fizarana izay eo am-pelatanana ho an’ny olona rehetra. Izay manaiky ny baikon’i Jesoa dia sady hamoky ny hafa (Sal 22, 27), no hameno ny sobikan’ny hafaliana eny an-tanany, tahaka ny Apôstôly roambinin’ny folo. Hafenoan’ny hafaliana no valisoan’ny fanaovan-tsoa. Isaory ny mahantra nandray ny fiantranao, hoy Md Basile, satria raha tsy izy tsy afaka mandray anjara amin’izany hafaliana izany ianao.

I Jesoa no ilay Mpiandry ondry (Salamo 22) mitondra ny ondriny amin’ny tanimbilona maitso. Aiza ho aiza any an-tany efitra moa no mba hisy ahitra hipetrahan’ny olona! Ambaran’ny Evanjely amintsika amin’izany ny asan’izy Tompo izay mampamokatra ny tany efitra (Izaia 35, 1-4), ny hatsaram-pon’ilay Mpiandry mitarika antsika ondriny ho amin’ny vilo-maitso, ka hahafahantsika misantatra ny fanasan’ny Paka mandrakizay omaniny ho antsika any amin’ny fanjakany.

Izay rehetra ananana no amidy mba hahazoana ny saha, ny voahangy rehetra efa voahangona no amidy mba hividianana ny voahangy tokana tsara indrindra. Tsy sanatria hitadiavana voninahitra anefa ny antony hamokisana ny vahoaka. Izany no antony naneren’i Jesoa ny mpianany hiondrana an-tsambokely vantany vao voky ny vahoaka. Ny fahaizantsika mizara izay ananantsika amin’ny hafa no hahafahantsika miditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra ka handraisantsika anjara amin’ny fanatanterahana ny fampanantenana nataony. “Fahagagana” mandrakariva no vokatry ny fahalalaham-po. Mahatalanjona satria asan’Andriamanitra.

Mazava ny hafatra azo tsoahina avy amin’ny Evanjely fa tsy misakana velively ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra ny fiahiana ny hanina, ary tsy ny hanadinoantsika ny fivelomana no takian’Andriamanitra amintsika. Tsy manakana antsika hanamasin-tena ny fiahiana ny fivelomana ary ny fahatsapana fa ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no tena mahavelona antsika (Izaia 55, 1-11) dia manampy antsika hitoky ny fitiavany sy hanatontosa an-tsakany sy an-davany izay adidy miandry antsika.

Hanampy antsika hisaotra an’Andriamanitra amin’ny fanomezana omeny antsika anie ny fankalazantsika ny Eokaristia, ary hanokatra ny fontsika hizara amin’ireo izay toa “niangaran’ny vintana”, hiantsoan’Andriamanitra ho hendriky ny fitiavany.  

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-18 mandavantaona
PREVIOUS
Sabotsy faha-17 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.