Trinitera Malagasy
Talata faha 14 mandavan-taona

Talata faha 14 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Ôsea 8,4-13/Salamo 113B
  • Tsy ankasa: Jenezy 32,22-32/Salamo 16
  • Md Matio 9,32-38

Hiverina any Ejipta izay tsy mahita ny Lalànan’Andriamanitra ho harena, ka hitsambiki-mikimpy amin’ny famafazana rivotra (Ôs 8,4-13).

Rehefa avy nanasitrana jamba roa lahy ny Tompo (tsy vakìna amin’ny andavan’andro na ity na ny fahasitranan’i Bartimeo ao amin’ny Mt 20,29-34) dia nitondran’ny vahoaka olona moana sady azon’ny demony ka rehefa voaroaka ny demony dia niteny ny moana. Ny fanandevozan’ny ratsy no manakana antsika tsy hahay hihaino ny Teny mba ho afaka hitory azy. Manoloana izany zava-mahatalanjona izany anefa dia misy ny gaga ka mankalaza an’Andriamanitra, misy kosa ny manamafy ny fony ka mahita holazaina mandrakariva mba hanaratsiana: “ny lehiben’ny demony no androahany demony”. Tsy afaka handresy ny hazavana na oviana na oviana anefa ny haizina na dia handà tsy handray azy aza.

I Jesoa àry, manoloana izany, tsy kivy fa manohy mitety tanàna, mampianatra, mitory ny Evanjely ary manasitrana (Mt 4,23, nitety an’i Galilea manontolo, izao mitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra – κώμη – kômè). Ambaratonga telo tsy afa-misaraka ireo. Ny fampianarana ao amin’ny sinagôga, miainga avy amin’izay mahazatra ny olona, manitsy izay mety tsy mifanaraka amin’ny tena izy, mba hahafahana mitory ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy afa-misaraka amin’ny fikolokoloana ny rahalahy azon’ny aretina sy ny rofy koa anefa ny fitoriana ny Evanjely. Azo heverina fa izany no antony nahatonga an’i Jesoa haniraka hilaza amin’i Joany izay zavatra re sy hita (Mt 11,4), izany hoe hanambara ny fifanarahan’ny fampianarany teny an-tendrombohitra (Mt 5-7) sy ny fampiharany izany tamin’ny andavanandrom-piainana (Mt 8-9).

Ny Fiangonana dia tsy maintsy mampiseho mandrakariva fa tsy mifampisolo fa mifameno ireo zavatra roa ireo: “tsy tsara, hoy i Md Piera, raha ilaozanay mikarakara ny sakafon’ny mahantra ny fitorian-teny” (Asa 6,2). Tsy fanilihana andraikitra izany sanatria fa fampahatsiahivana ny ambaratonga tokony hananana amin’ny firosoana amin’ny finoana. Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra dia homena anareo ho fanampiny ny sisa rehetra, hoy i Jesoa (Lk 12,31).

Raha ny “fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona” no votoatin’ny Evanjely, dia mazava loatra fa mifanaraka amin’izany ny fomba fiaina sy ny fomba fisainan’izay vontony. Tsy mahagaga àry raha onena i Jesoa mahita ny vahoaka mijaly sy afoy toy ny ondry tsy misy mpiahy. Onena: σπλαγχνίζομαι (splanchnizomai, miverina in-dimy ao amin’i Matio: 9,36; 14,14; 15,32; 18,27; 20,34 fa efa ampiasain’i Marka ihany koa Mk 1,41; 6,34; 8,2; 9,22). Io no nandikana ny רַחוּם – (raḥoum). Izay mandray ny fampianaran’i Jesoa dia hahafantatra fa tsara fo sy miantra Andriamanitra (Eks 34,6). Tsy vitan’ny hoe mamindra fo Izy (רַחוּם- raḥoum) fa tsy afaka ny ho faly ary tsy mionona raha tsy mahita ny zanany miadana sy finaritra (חַנּוּן- ḥannoun). Ary izay te handova ny Fanjakany (te hiray aina amin’i Kristy zanany) dia hiala amin’ny toe-tsaina manavakavaka tahaka ny Farisianina (Φαρισαῖος – pharisaios,פָּרַשׁ – pārash: manavaka, manasaraka) izaymihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa ka mitady izay fomba rehetra hanaratsiana izay mahavita soa bebe kokoa noho izy; ny zanaky ny fahazavana dia tsy afaka ny ho faly manoloana ny fahorian’ny hafa, na fahoriana ara-panahy io na fahoriana ara-batana, ka hitady izay fomba rehetra hanasoavana azy ireo.

Ambaran’i Md Matio anefa, fa na manoloana ny horakoraky ny vahoaka, na manoloana ny fialonana sy ny teny ratsin’ny Farisianina, dia manohy ny asany i Jesoa, tsy latsaka amin’ny fakam-panahin’ny voninahitra, sy fieboeboana na sanatria ny hasosorana hitondra amin’ny hakiviana.

Ny antony mampahonena Azy dia satria tsy tanteraka ny vavak’i Môizy ho an’i Jôsoe mba hisy mpiandry hitondra ny vahoakan’Andriamanitra hiditra sy hivoaka ho amin’ny fahasambarany (Fan 27,16-17).

Izy Tompo no mpiandry, porofom-pitiavana Azy no hahafoizan-tena hamahana ny ondriny (Jo 21,15-17) saingy tsy ireo rehetra mamahana ny ondriny no manao izany noho ny fitiavanaAzy,  ary raha sanatria misongona io fitiavana io ny fitiavam-bola sy ny fitiavam-boninahitra dia loza no manjo ny ondry. Ampahatsiahivin’i Jesoa an’ireo te hanara-dia Azy fa Andriamanitra no maniraka mpiasa hikarakara ny ondriny, tsy manira-tena izay mamkeny an-tanimboly fa vokatry ny vavaka atao amin’ny Tompom-bary mba “haniraka” ny mpiasa hitondra ny vokatra any an-tsopitra. ἐκβάλλω (ekballô) moa no nadika hoe « maniraka », fa raha ny tena marina dia hoe manipy any ivelany, ary azo adika hoe: manery mihitsy aza. Tsy hambom-pon’ny mpianatra sanatria fa sitrapon’ny Ray, ary fitokisana Aminy (mandidy ny iraka) no hahafahana miasa ao amin’ny tanim-boalobony. Mila mivavaka araka izany, satria izay miombon’aina amin’Andriamanitra ihany no afaka hitia ny hafa araka ny fitiavan’Andriamanitra. 

Izany no mahatonga an’i Paoly hilaza fa ny fitiavan’i Kristy no manery ny Apôstôly (2Kôr 5,14) ka loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1Kôr 9,16). Hitombo ao am-pontsika anie ny fitiavana hahafahantsika hibanjina ny asan’Andriamanitra mampahavokatra ny zanany ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha 14 mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy faha 14 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy faharoa mandavan-taona
  • Alarobia faharoa mandavan-taona
  • Talata faharoa mandavan-taona
  • Alatsinainy faharoa mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy faharoa mandavan-taona 22 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.