Trinitera Malagasy
Talata faha 12 mandavan-taona

Talata faha 12 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 2Mpanjaka 19,9b-11.14-21.31-35a.36/Salamo 47
  • Tsy ankasa: Jenezy 13,2.5-18/Salamo14
  • Md Matio 7,6.12-14

“Aza omena ny alika ny zava-masina, ary asa atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo (μαργαρίτης – margaritès, azo adika koa hoe teny sarobidy)”. Ny Jody dia nampitaha ny tsy mpino tamin’ny alika sy ny kisoa (Mt 15,26), satria noheveriny fa tsy afaka hahazo ny hasarobidin’ny “zava-masina” ireo. Ny hena sy ny mofo nentina ho fanatitra ohatra dia zava-masina (Lev 2,3) ka hohanin’i Aarôna sy ny zanany lahy ihany, ary izay tsy lany eo anoloan’ny Tranolay Fihaonana fa tra-maraina dia dorana fa tsy zaraina amin’ny hafa (Eks 29,33-34).  Eto anefa tsy izay loatra no heverina fa zava-masina tian’i Jesoa holazaina fa ny fampianarany izay lazain’i Md Matio fa tokony ho an’ny ondry very, izany hoe ny taranak’i Israely (Mt 10,6).

Nony avy nilaza i Jesoa fa tsy tokony hitsara ny rahalahy, dia mampitandrina kosa indray mba tsy hanomezana ny fampianarany amin’ny olona heverina ho alika sy kisoa. Ny alika moa, dia miverina amin’ny naloany, ary ny kisoa kosa rehefa voasasa dia mihosom-potaka indray, hoy ny ohabolana ampiasain’i Md Piera (2P 2,20-22): izany dia entina hilazana ny olona efa nahalala an’i Jesoa ka niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, nefa miverina amin’ny fahalavoany indray.

Raha nanoratra ho an’ny kristianina tany Filipy i Md Paoly dia manafatra mba “hitandrin-tena amin’ny alika” (Fil 3,2), ary i Md Joany kosa dia milaza mazava ao amin’ny Fanambarana fa any alantrano no toeran’ny alika, izay nadikan’ny Baibolintsika (2011) hoe “ratsy toe-panahy” (Ap 22,15).

Izany rehetra izany dia midika fa tsy mitsara ny fitiavana, izany hoe tsy mamoaka didim-pitsarana manoloana ny mety ho fahalemen’ny rahalahy, ka noho izany dia matoky mandrakariva fa hain’ny Fanahy ovana ny zavatra rehetra, Izy no mahary sy manavao ny tany (Sal 104,30), saingy mahay mandanjalanja kosa, tsy manaonao foana fa mitady izay fomba tsara indrindra hahafahana mizara ny fahasoavana sarobidy izay noraisina. Na dia “sinitany mora vaky” aza no hitondrana ny raki-tsarobidin’ny fahalalàna ny voninahitr’Andriamanitra (2Kôr 4,7), dia tsy midika izany fa ataotao foana ny fitoriana ny Evanjely. Ny jiro, raha ataratra any amin’ny mason’ny olona, dia manjemby fa tsy manazava. Izany no tokony hitandremana. Hoy ny bokin’ny Ohabolana hoe: “Raby no azon’izay mananatra ny mpananihany, ary alabaraka no azon’izay mandevilevy ny ratsy fanahy” (Oh 9,7). Izay te hizara ny zava-masina dia hahalala fa tsy afaka hizara rano amin’ny olona tsy nitondra fanovozana. Tsy fitiavana ny olona ary faniratsirana ny zava-masina ny fanomezana azy ho eo an-tanan’izay tsy hahay hitahiry azy akory. Tsy sanatria isika no hitsara ny hafa ho “alika” na “kisoa”, fa ny tenantsika aloha no dinihintsika, satria izay mahita ny lalana tsy “maha alika sy kisoa” ihany, no afaka hanoro lalana ny hafa izay tiany hiara-mandova aminy ny zava-masina.

Mila mivavaka, mitady sy misasatra fa avy eo handondòna mba hovohaina (Mt 7,7) ka hahatsapa fa fanomezan-tsarobidy omena antsika ny fahalalana an’Andriamanitra, izay “Fiainana mandrakizay” (Jo17,3). Izany no lalana hahafahana ho tonga “zanak’ilay tia ny olon-drehetra” ka hanatanteraka ny “Lalàna sy ny Mpaminany”, amin’ny fanaovana amin’ny hafa izay angatahintsika ho antsika, satria isika no zanaka mpandova ny fanjakan’ny Ray, ka ny fiezahantsika hanompo sy hitia no hahalalan’ny olona ny hasarobidin’ny fitiavan’ny Ray. Ny fitiavana dia ny “fahalalana mialoha izay mahasoa ny hafa mialoha ny hisokafan’ny vavany hangataka izany” (Mt 6,8 ).

Tsy mandeha ho azy anefa ny fanarahana ny lalana mitondra ho amin’ny fiainana. Mora ny mieritreritra hoe “hiadam-pinaritra aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza” (Dt 29,18), kanefa izay tsy hanaraka ny lalànan’ny Tompo dia hirehitra amin’izany olona izany ny fitandroan-kasin’ny Tompo. Tsy sanatria Izy Tompo no hanozona ny zanany, fa ny zananyno mazava loatra hitanjozotra amin’ny lalan’ny fahaverezana, raha tsy misafidy ny lalana mitondra amin’ny fiainana.

Nahoana àry no avelan’Andriamanitra higodàna toy izany ny lalana mitondra amin’ny fahaverezana, raha toa ka ny hahavonjy ny zanany rehetra no sitraky ny fony? Tsy Izy tsy akory no mahatonga izany. Safidy mazava no napetrany eo anoloantsika (Dt 30,15-20), saingy ilay rain’ny lainga sy mpamono olona hatrany am-piandohana (Jo 8,44) no mamitaka ka mampiseho ny ratsy amin’ny endriky ny fanangolena, ary mampiseho ny tsara kosa ho toy ny zavatra omen’Andriamanitra tsifoifoy ka ilany tambiny. Ny fahafatesan’i Jesoa teo ambony hazofijaliana anefa dia nentin’Andriamanitra nampiseho amintsika ny maha ratsy ny ratsy sy ny maha fitiavana Azy, mahafoy hatramin’ny ainy, toy izay hamongotra ny mpanota ka tsy hanome azy fahasoavana hibebahana.

Ho haintsika anie ny hisafidy ny lalana mampisy heviny ny fiainantsika, ka hahaizantsika mampiasa izay mety tsy hahafahana miditra amin’ny varavarana ety amin’ny fanasoavana ny hafa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha 12 mandavan-taona
PREVIOUS
24 jona: Nahaterahan’i Joany Batista
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.