Trinitera Malagasy
24 jona: Nahaterahan’i Joany Batista

24 jona: Nahaterahan’i Joany Batista

Njara Pascal
  • Izaia 49,1-6
  • Salamo 138
  • Asa 13,22-26
  • Lioka 1,57-66.80

Mahalala antsika tsirairay avy Andriamanitra. Miantso antsika hatrany am-bohoka Izy (Vak I), mahafantatra ny antsipiriam-piainantsika (Sal 138), izany dia ny nifidianany antsika tsirairay avy ho fitaovana hampiitatra ny famonjeny amin’ny olombelona rehetra. Tsy afaka ny tsy haniry izany famonjena izany izay rehetra aterak’Andriamanitra ka mahatsiaro tena fa asan-tanany maha te hidera sady mahatalanjona.

Vakiana amin’ity  fankalazana ny nahaterahan’i Md Joany Batista (24 jona) ity ny vakiteny manambara ny Mpanompon’i YHWH ity. Amin’ny tononkalo voalohany manambara ny Mpanompon’i YHWH (Iz 42,1-7; tononkalo III: Iz 50,4-9) dia Izy Tompo no maneho ny Mpanompony, fa amin’ny vakiteny I anio dia ilay voafidin’ny Tompo no maneho ny tenany amintsika: mihainoa Ahy ry nosy, mampandria sofina ry firenena any lavitra. Mila fiezahana mafy anefa izany satria “tsy hiantso mafy izy, tsy hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be”. Mampiasa sarisary roa i Izaia hilazana ny teny avoakan’ny vavan’ilay Mpanompo ataon’ny Tompo ho reharehany: sabatra roa lela sy zana-tsipìka maranitra. Tsy miova ny tanjona niantsoana ilay voafidy: ho fahazavana ho an’ny firenena ka hiitaran’ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faran’ny tany.

I Jesoa no ilay Mpanompon’i YHWH nahatratra ny fahalavorariany. Fa ny olombelona rehetra kosa dia antsoiny mba ho toa io Mpanompo io. Hatrany am-bohoka, fony noforonina tao amin’ny miafina sy notenomina tamim-pahakingana tao anatin’ny tany, no ifidianan’ny Tompo antsika tsirairay avy, tahaka an’i Jeremia (Jr 1,5); i Joany Batista (Lk 1,15) na i Md Paoly (Ga 1,15). Fantany isika, Izy ilay nahary tongotra aman-tanana sy mpiaro antsika hatrany an-kibon’ineny (Sal 138).

Ao amin’ny fitantarana henontsika anio aza, dia i “Israely” no ilay Mpanompo, ataon’Andriamanitra ho reharehany. Tsy ny tsirairay no mamaly ny antso maha mpanompo araka izany fa i “Israely”, ilay Vahoaka voafidy, atambatry ny Fanahy Masina ho tena iray amin’ilay Mpanompo tokana dia i Jesoa Kristy. Na i Joany Batista na isika tsirairay araka izany dia tsy manana tanjona iray hisasarana raha tsy ny “hanangana ny firenen’i Jakôba sy hampody ny sisa voatahiry amin’i Israely ka hiitaran’ny famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany”. Izay manaraka an’i Kristy, izay te ho mpianany dia tsy maintsy manao toa Azy koa: tsy mitsara mba hanameloka fa mitsara ka hitady izay hamonjena (Jo 3,17; 12,47).

“Israely manontolo” no antsoin’Izy Tompo ho mpanompony. Tsy hanana fitaovana hafa afa-tsy ny Teny araka izany ilay Mpanompo-Iraka: tahaka ny sabatra roalela hamely izay eo akaiky ary toy ny zana-tsipìka koa hanakatra izay eny lavitra. Tsy maintsy maka hery avy amin’Izy Tompo anefa izay te hampiasa ny Teny ho fitaovana hanitarana ny famonjeny. Mahatsiaro fa sasa-poana raha tsy toy ny “sabatra alofan’ny aloky ny tanan’Izy Tompo” sy toy ny “zana-tsipìka afeniny ao amin’ny tranon-jana-tsipìkany”.

I Kristy maty teo ambony hazofijaliana, no ilay Mpanompo toa sasa-poana nanangona an’i Israely, nitomany an’i Jerosalema hoe “impiry no nitadiavany hanangonana ny zanany tahaka ny hanangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambany elany fa tsy nety izy” (Mt 23,37), saingy natsangan’Andriamanitra Rainy kosa ho “fahazavana” hanilo ny vahoaka eran-tany, ho fahazavana “katôlika”, ho an’ny olon-drehetra.

Tsy fireharehana ho an’ny tenany, fa ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany no hijoroan’izay manaiky ny antson’Andriamanitra ho vavolombelon’ny famonjeny. “Voninahitra eo imason’ny Tompo” (Vak I) no andrasantsika raha toa ka hiandry ihany. Ary ny hahafahana mandray izany voninahitra izany dia ny fahaizana mametra-tena Aminy toa an’i Joany Batista, matoky fa ao amin’ny Tompo ny rariny ary ao aminy ny valisoa (Vak I) ary na inona na inona fahombiazana na voninahitra asalotry ny olona antsika dia hahay hilaza fa “tsy isika no andrasan’ny olona”, tsy avy amintsika ny famonjena fa avy amin’i Jesoa Kristy irery ihany (Vak II, Asa 13,22-26). Tsy misy anaran-kafa hahazoana famonjena afa-tsy ny Anaran’i Jesoa irery ihany (Asa 4,12).

Ny Evanjely ankalazaina amin’ny fankalazana ny nahaterahan’i Joany Batista dia mitantara ny fanomezana anarana azy. Ny anarana moa tsy vitan’ny hoe manambara ny mampiavaka ny olona iray (indrindra ho an’ny tatsinanana) fa hifandraisany koa amin’ny tontolo ety ivelany, ka manambara ny prôgramam-piainana irìn’ilay manome ny anarana. Isika aza, hoy i Joany Apôstôly, ao amin’ny Boky Fanambarana nosoratany dia mbola handray ilay anaram-baovao izay fantatr’ilay nandray azy irery ihany (Ap 2,17).

Fa misy anarana iombonana amin’ny hafa, izay mety tsy hifanaraka amin’ny fiantsoana iantsoana antsika akory, vokatry ny fihainoana ilay rain’ny lainga hoy i Joany (Jo 8,43snm) ka mety hahatonga antsika ho zanaky ny fahatezerana (Ef 2,3), taranaky ny menarana, araka ny filazan’i Joany Batista (Lk 3,7). Ny anarana tian’Andriamanitra iantsoana antsika rehetra anefa dia ny hoe Joany: fanomezana, fahasoavana ombam-pitiavana avy amin’Andriamanitra. Ny olombelona rehetra, hatrany am-bohoka dia fanomezana, eny fa na dia zary fanafintohinana ho an’ny sasany aza izany indraindray ka mahatonga hatramin’ny fandavana izany fanomezana izany (fanalan-jaza, safidy tsy hiteraka, fankahalana ny hafa mahatonga hatramin’ny famonoana…). Ny porofo lehibe indrindra fa tsy tofoka ary mbola tia antsika Andriamanitra, hoy ny olon-kendry iray, dia ny famelany ny olona hitombo eto amin’ity tany ity: ny zaza teraka iray dia mbola fanekeny ny  hiara-dalana amin’ny olombelona mpaniasia.

Ny fiainana no fanomezana voalohany omen’Andriamanitra antsika, ary tiany mba hiainantsika hahafahantsika mandray Azy, ilay hafenoan’ny fiainana sy fahasambarana. Ao amin’i Jesoa ilay “hany mpampakatra” (satria tsy mendrika ny hamaha ny fehikapany, na dia i Joany aza) no hisantarantsika ny fampankaram-bady, fiombonam-piainana feno ao amin’ny fanjakan’ny Lanitra. Sambatra isika fa antsoiny handray anjara amin’izany, tsy ho mpanotrona fa ho toy ny ampakarina, miombona ho Eglizy.

Joany (יוֹחָנָן –Yōḥānān) dia zanak’i Zakaria (זְכַרְיָה – Zekharyāh:Andriamanitra mahatsiaro) sy i Elizabeta (אֱלִישֶׁבַע ‘ĕlîsheba` Andriamanitry ny fianianana): fanomezana avy amin’ilay Andriamanitra nampanantena, fa avy eo nihaino vavaka, tsy nivadika tamin’ny teny nomeny, fa tanterahiny amin’ny fotoana maha mety azy. Ho an’ny mpiara-monina, aleo ny anaran-drainy ihany no omena azy, entina hilazana fa Andriamanitra mahatsiaro ihany ny Andriamanitsika, ao anatin’ny lisitry ny zavatra ataony isika, saingy tsy hay na hotanterahiny izany na tsia… Firifiry ny Kristianina no mino fa tia azy Andriamanitra saingy miantsampy any amin’ny ody sy ny sikidy, any amin’ny risoriso sy ny fahalovana, mba hitadiavana vahaolana amin’ny adim-piainana… “Joany no anarany”, efa eo am-pelatanantsika ny fahasoavana manana amby ampy hahasambatra antsika.

Ny Fanomezan’Andriamanitra no maha sambatra antsika. Ny fahalalana fa fanomezana avy aminy ny aina no mampisokatra ny lelantsika hidera azy. Izay rehetra nataon’Andriamanitra eo am-pelatanantsika dia ampy hahasambatra antsika ka hanombohantsika ny fiderana azy, dieny ankehitriny sy ho mandrakizay. Izany no hahafahantsika matahotra an’Andriamanitra, dia ilay tahotra santatry ny fahendrena (Sal 111,10), hahafahantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy ary hampianatra ny olona fa ny tena famonjena dia ny famelana ny hadisoana, izay hahafahan’ny olona rehetra mizotra amin’ny fiainana vaovao hatrany, fiainana mihavao ao amin’i Kristy ilay Teny tonga nofo mba honina ho antsika sy ho tonga sakafo hamelona antsika.

Hahazo faka ao am-pontsika koa anie ny fitiavana, ka ny fankalazana ny fahaterahan’i Md Joany Batista anie hanova nyfankalazantsika ny tsingerin-taona nahaterahana, hiderana an’Andriamanitra sy hanokanana ny fiainana, fanomezana avy aminy, ho fanitarana ny voninahiny, amin’ny sehatra rehetra misy antsika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha 12 mandavan-taona
PREVIOUS
ALAHADY FAHA 12 MANDAVAN-TAONA – Taona B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA IV KAREMY – Taona A
  • Sabotsy III Karemy
  • Zomà III Karemy
  • Alakamisy III Karemy
  • ALAROBIA III KAREMY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA IV KAREMY – Taona A 14 mars 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.