Trinitera Malagasy
Talata faha 11 mandavan-taona

Talata faha 11 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 1Mpanjaka 21,17-29/Salamo 50
  • Tsy ankasa: 2Kôrintianina 8,1-9/Salamo145
  • Md Matio 5,43-48

“Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo, mba ho zanaky ny Rainareo any an-danitra ianareo”. Iza no afaka milaza fa tsy manam-pahavalo? Ho an’izay mino anefa fa Rainy Andriamanitra dia mino fa zanany ny olombelona rehetra, zanak’Andriamanitra Raiko ka iray tampo amiko ny fahavaloko. Tsy misy lalàna afaka hanery ny olona iray hitia anefa, kanefa ny fampianaran’i Jesoa dia manafaka antsika amin’ny mety ho “fahamarinan’ny Farisianina sy ny Mpanora-dalàna”, ka hidirana amin’ny tena fiainana.

Amin’ny toe-tsain’i Israely, eny fa amin’ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny koa, dia mbola hita taratra ao ny “ady masina” (Dt 7,2; 20,16), ny fankahalana ny hafa izay lazaina fa “fahavalon’Andriamanitra” (Sal 139,12-22)… Efa nisy koa anefa ny fampianarana mandrara ny famalian-dratsy ny ratsy (Oh 24,29); ny bokin’ny Eksaody aza mandidy ny Jody hanavotra ny ampondran’ny fahavalony voatsindrin’ny entana (Eks 23,5). Ho an’i Izaia kosa, ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra dia rehefa hotefena ho angady ny sabatra ary hovana ho antsy fijinjàna ny lefona (Iz 2,4) fa ho feno ny fahendren’Andriamanitra ny tany tontolo ka hiaina am-piadanana, ka na ny amboadia aza hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry (Iz 11,6-9).

Mitia sy mivavaka kosa no lalana atoron’i Jesoa ny mpianany raha sendra ka alaim-panahy izy manoloana ny ratsy nafitsoky ny hafa aminy.

Mitia ny fahavalo. Misy olona milaza fa tsy manam-pahavalo. Raha marina izany dia mpanara-drian-drano izy, tsy hanana fahavalo noho izany mazava loatra fa tsy hanana namana ihany koa, tsy hanana olona tia sy tiavina ihany koa. Na amin’ny tsara na amin’ny ratsy dia misy mitsangan-kanohitra mandrakariva ny olona. Tandremana anefa sao ny olona mitady ny soa ho anao indray no atsanganao ho fahavalonao satria mety mitady ny soa ho anao ka mandrara anao tsy hanao izay tianao atao. Tsy tokony ho gaga amin’izany isika ary lazain’i Jesoa mazava fa Izy no enjehina sy ankahalaina alohan’ny mpianany (Jo 15,18).

Raha dinihina ny fiainantsika andavanandro dia mazàna ny tenantsika ihany no fahavalontsika voalohany: ny fitiavan-tena, ny tsy fahafehezan-tena, ny hakamoana mbamin’ny zavatra maro isan-karazany manakana antsika tsy hiainana ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Eo koa ny halemena sy ny kilema ka raha tsy haintsika ny mandray ireny am-pitiavana dia mety ho ny fitiavan’Andriamanitra no hihozongozona, ary na ny fifandraisana amin’ny hafa aza dia ho zary fifaninanana hifanindriana fotsiny ihany.

Ny fitiavana no mampiavaka ny kristianina, satria mahalala ilay Andriamanitra fitiavana izay Rainy izy ireo. Tsy manana fahavalo io Ray io fa zanany avokoa ny olombelona rehetra (vakio Iz 19). Ireo rahalahy, mitsangan-ko fahavalo ka manakana ny tena tsy hiaina am-piadanana sy am-pahalalahana araka ny sitrapon’Andriamanitra aza, dia tokony hotiavina koa.

Ny fivavahana kosa dia fanehoam-pitiavana satria ny fitadiavana izay mahasoa ny hafa eo anatrehan’Andriamanitra izany, ka tsy mianina amin’ny firarian-tsoa fa zary tolona isan’andro hitadiavana sy hanaovana izay mahasoa. Izay tsy mitady ny fomba hanatanterahanaizay niriny ao amin’ny fivavahana manko dia mbola tsy nivavaka tsara. Vavaka ny “fiarahabana”, izay firariana ny “shalom”, firariana ny fiadanana ho an’ny olona rehetra fa tsy ho an’izay heverina ho tapaka sy namana ihany.

Ny vavaka no hahafahantsika mijery araka an’Andriamanitra, ka amin’ny fibanjinana ny endriny, Izy ilay Raintsika manao soa amin’ny olona rehetra na iza izy na iza, dia mitombo ao amintsika koa ny fanahafana Azy. Ny antsika aza moa, indraindray ny zavatra nomen’Andriamanitra hanovozan’ny olona fahasoavana (sakramenta, sakramentaly…) mbola hanavakavahantsika ho an’izay “mendrika” sy “tsy mendrika”. Andriamanitra mandrotsaka ny fahasoavany ho an’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ka tsy afaka hanao zavatra mifanohitra amin’izany izay te ho zanany. Izany no fahalavorariana, τέλειος– teleios, izany hoe ny fahatratrarana ny tanjona atorony antsika ka irintsika, dia ny maha zanak’Andriamanitra.

Ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana, hoy ny Ntaolo, saingy raha izay mahavaly ihany no tiavina, efa tsy fitiavana intsony izany fa “atero ka alao”, “do ut des”. Ny fitiavana dia tsy miandry valiny. Nanome ny Didy ho antsika i Kristy, ka tsy hafatra am-bava fa ohatra no navelany ho antsika. Ny fitiavana nitiavany antsika no sitrany hitiavantsika ny hafa. Eo amin’izao tontolo izao, ny fenitra dia ny “atero ka alao” (do ut mihi des), ka izay tsy hahazoako tombony na valiny dia ataoko tsinontsinona. Ho an’i Jesoa, ny fitiavana dia fiitaran’ny fanjakany: izaho manome anao, mba hahafahanao manome ny hafa (do ut aliis des). Manome ny aina ho an’ny hafa, milatsa-tena ho mpanompon’ny hafa, mitia izay tsy tokony hotiavina (fahavalo, mpankahala) sy izay tsy manan-kavaly: didy vaovao.

Tsy mifaly amin’ny soa (na voninahitra) azon’ny tena fa mifaly amin’ny fahasambaran’ilay notiavina. Ny fahasambaran’izay mandray ny tenin’i Jesoa ka te hivelona araka izany dia ny fiezahany hiaina ny maha zanak’Andriamanitra azy, ka hahay hitia toa an-dRainy. Raha izay tiantsika ihany no arahabaintsika, hirariantsika fiadanana (Shalom), dia mazava loatra fa hisy zanaky ny Ray voailikilika, ary tsy hisy hampiavaka antsika amin’ireo tsy mino.

Ny hany valisoa andrasantsika dia ny hiantsoan’Andriamanitra antsika hoe: “zanako tokoa ity”, “avia ry nosoavin’ny Ray, handova ny fanjakana”. Ny zanaka ihany no afaka mandova.Angatahontsika ary ny Fanahy mba hanandramantsika izany fahasambarana maha zanak’Andriamanitra antsika izany

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha 11 mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy faha 11 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Talata fahadimy mandavan-taona
  • Alatsinainy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy fahadimy mandavan-taona 11 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.