Trinitera Malagasy
Alarobia faha 11 mandavan-taona

Alarobia faha 11 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 2Mpanjaka 2,1.6-14/Salamo 30
  • Tsy ankasa: 2Kôrintianina 9,6-11/Salamo 111
  • Md Matio 6,1-6.16-18

“Misy fitiavana roa mandrafitra Tanàna roa: ny fitiavan-tena mipaka hatrany amin’ny fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra manorina ny tanànan’ny tany; ny fitiavana an’Andriamanitra mipaka hatrany amin’ny fanaovana tsinontsinona ny tena manangana ny Tanànan’ny Lanitra. Ny iray voalohany mitady voninahitra ao amin’ny tenany, ny iray hafa ao amin’Andriamanitra. Ny iray mangataka ny olona hanome voninahitra azy, ho an’ilay iray kosa, Andriamanitra izay vavolombelon’ny feon’ny fieritreretany no voninahiny lehibe indrindra” (Md Augustin, Cité de Dieu XIV, 28).

Tsy manao afa-tsy ny mamerina ny Evanjely i Md Augustin, mampahatsiaro antsika fa ny soa ataontsika, ny asa fiantrana sy ny vavaka ary ny fifadian-kanina dia mba handraisana ny valisoa avy amin’Andriamanitra. Inona moa izany valisoa izany? Ny hiainantsika ny maha zanany, ny hiantsoany antsika ho “zanany malalany, ankasitrahany indrindra”. Io no fahalavorariana (τέλειος – teleios, fahatratrarana ny tanjona irina) iantsoany antsika.

Raha manao fiantrana ianao dia aza mampaneno ny kipantsona eo alohanao mba hankalazan’ny olona anao.  Ny tanana havia tsy tokony hahita ny ataon’ny havanana, izany hoe tsy fifaninanan’izay mahavita be na izay mahavita tsaratsara kokoa no heverina. Mampalahelo rehefa ny fisehosehoana no fitaovana mahomby mba hanangonam-bola hanaovan-javatra. Mbola lavitry ny Evanjely izany. Ny asa fiantrana moa raha araka an’Andriamanitra dia fizarana izay noraisintsika avy Aminy, ka mazava loatra fa tsy isika no hahazo voninahitra fa Izy. Fitaovana ihany isika, taratry ny fahazavany, ka mahita ny soa ataontsika ny olona dia manome voninahitra Azy any an-danitra.

Ampianarin’i Jesoa isika hivavaka marina tokoa, ka hiditra ao amin’ny efitrano (ταμεῖον – tameion) nasiantsika ny harena sy izay rehetra noheverintsika ho sarobidy, ka ao no hahitantsika an’Andriamanitra Raintsika, hahafahantsika manesotra izay harena mety haka ny toerany, fa hahafahantsika koa mankasitraka amin’izay rehetra efa nangonintsika ao. Tsy fisehosehoana ny vavaka fa fandaminana nyταμεῖον(tameion, magazay), ka hahafahantsika mampiantrano an’Andriamanitra Raintsika ao, amin’ny fitahirizana ny Tenin’i Jesoa (Jo 14,23).

Ny Lalàna dia mandidy ny Jody hanao fifadian-kanina amin’ny andro fanonerana ihany (Lev 16,29-31). Tsy ny fifadian-kanina lasa fanaon’izy ireo indroa isan-kerinandro (Alatsinainy sy Alakamisy) tamin’ny andron’i Jesoa no ratsy. Mba hiavahana amin’ny Jody dia nanao ny azy ny Alarobia sy Zoma (Didakè 8,1) ny kristianina. Ambaran’i Jesoa fa raha tsy hafaliana no vokatry ny fifadian-kanina, raha tsy fihosorana zava-manitra no setriny (mandany vola kokoa noho ny hanina), dia ho lasa filan-dera sy fizahozahoana. Izay ataontsika am-pitiavana ka tsy hitadiavana ny voninahitry ny tena no handraisantsika anjara amin’ny fanorenana ny Tanànan’Andriamanitra (Md Augustin). Ny fifadian-kanina tena izy dia izay mampaha-mirana ny tarehintsika sy ny tarehin’ny hafa, mba ho voninahitr’Andriamanitra, ka hahafahantsika mitondra ny hanitr’i Kristy (2Kôr 2,14) ho an’ny olon-drehetra.

Ny asa fiantrana mba hanitatra ny fo ho tia bebe kokoa, ny vavaka mba hahitana ny harena miafina ao am-po izay porofon’ny Fitiavan’ny Ray, ny fifadian-kanina mba tsy hifikirana amin’izay mety ho hafaliana mandalo (toy ny faly aman-kanina) ka hahafeno fatra ny hafaliana ifampizarana, izany no fiainana mifanaraka amin’ny maha zanak’Andriamanitra, fiainana hitomboana amin’ny hasambaran’ny fahalavorariana.

Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra. Aleloia.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha 11 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha 11 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.