Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-19 mandavantaona

Sabotsy faha-19 mandavantaona

Njara Pascal Comments 0 Comment

Ezekiela 18, 1-32/Salamo 50
Josoe 24, 14-29/Deteronomy 32
Md Matio 19, 13-15

Avelao ny zaza hanatona ahy

Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona ahy, fa an’ny tahaka azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Tamin’ny talata, henontsika tamin’ny evanjely ny fanontaniana hoe: “Iza no ambony indrindra (μείζων meizon: lehibe, zokiolona) amin’ny fanjakan’ny lanitra?” Izay tonga toy ny zazakely (παιδίονpaidion) izay avy amin’ny παῖς(pais) tovolahy mpanompo, na andevo mihitsy aza. Izay te ho lehibe aminareo no ho tonga mpanompo faran’izay zandriny, izany hoe tsy haniraka na iza na iza intsony, tsy mahaleo tena fa miankin-doha tanteraka amin’ny hafa. Ny antsika anefa heverina fa izay manome baiko na izay tompon’ny teny farany no lehibe. Mety ho eo anatrehan’ny olona izany fa tsy eo anatrehan’Andriamanitra. 

Ireo παιδίον(paidion) ireo dia manahirana antsika indrindra rehefa misisika hanatona an’i Jesoa, atahorantsika soa mangalatra ny toerantsika, na sanatria an’izany misongona antsika amin’ny fitiavana asehon’ny Mpampianatra azy ireo. Dia aleo roahina sao mangalatra ny fotoana tokony hisehosehoantsika amin’ny hafa fa isika no tena tanan-kavanan’ny Mpampianatra. Impiry aho no mahatsapa izany rehefa mahita kristianina mahavita manankiana ny pretra satria miresaka maharitra amin’ny olona iray kanefa izy efa miandry eo mba hiresaka koa. Rehefa tonga anefa ny anjarany dia mora aminy ny milaza hoe: mba anjaran’ny hafa koa izao no miandry. 

Teo amin’i Israely, ny παιδίον(paidion), na adika hoe zaza madinika na koa hoe andelolahikely, dia natao tsinontsinona satria sady tsy mahalalana ny Torah (Lalàna) no mahantra fadiranovana, mivelona amin’ny hafaliam-pon’ny hafa (raiamandreny na mpampiasa). Raha endrika isehoan’i Kristy ny mahantra ary izy ireo no tompon’ny lova any amin’ny Fanjakan’ny lanitra (azy ireo sy ny toa azy ireo ny fanjakana: jereo Mt 5, 3 sy mt 18, 3), ho sahintsika ve ny hanilikilika azy ireo? Tsy ao amin’ny pretra na ny eveka na ny mpitondra fanjakana no lazain’ny Evanjely fa hahitana an’i Kristy fa ao amin’ny madinika sy ny mahantra (Mt 25) ka izay mandray ireto farany ireto no mandray Azy. Tsy midika izany fa hatao tsinontsinona ny mpitondra, fa kosa manampy antsika (ary manampy izay nahazo andraikitra hanompo eo amin’ny fitondrana) hibebaka ka hiaina araka ny Evanjely marina tokoa, hahatsapa fa fanompoana ny maha-mpianatra fa tsy fanilikilihana ny madinika sy ny mahantra. 

Ho haintsika anie hihonona sy hangina toy ny zaza vao notazana eo afofoan-dreniny ka hametraka ny fitokiana aminy irery ihany (Sal 130) satria zanaka tian’Izy Ray hiara-mandova amin’i Kristy ny fiainana mandrakizay. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-20 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-19 mandavantaona

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.