Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-11 mandavantaona

Sabotsy faha-11 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa 2 Tantara 24, 17-25/Salamo 88
  • Tsy ankasa 2 Kor 12, 1-10/Salamo 33
  • Md Matio 6, 24-34

“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa”, mikolepaka an-daniny roa izany, hoy Elia Mpaminany (1 Mpanjaka 18, 21). Toy ny eo amin’ny sampanan-dalana isika eo anatrehan’Andriamanitra sy ny sampy: tsy maintsy misafidy. Safidy ho amin’ny tsara hitondra amin’ny fiainana manoloana na amin’ny ratsy mitondra amin’ny fahafatesana anefa izany (Deterônômy 30, 15), ary safidy atao an-kalalahana tanteraka (Jôsoe 24, 14-16). Ny salamo 115 (113B) milaza fa eo anatrehan’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia eo ny “sampin-dry zareo”, asan-tanan’olombelona: manam-bava tsy miteny, mana-maso tsy mahita, manan-tsofin-tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo… ka izay nanao azy sy mitoky aminy dia hanahaka azy, izany hoe: tsy hahavita hampiasa ny zavatra ananana araka ny nahariana azy.

Ny fifidianana ny Andriamanitra marina araka izany dia mahatonga antsika ho lavorary, izany hoe hahay hampiasa izay rehetra nomen’Andriamanitra antsika hanaovan-tsoa, hampitombo ny hafaliana sy ny fiadanana, mba hananana ny fiainana hatramin’ny hafenoany, ka ho “afaka hidera an’Andriamanitra” (Sal 115, 17-18). Tsy afaka ny hanome izany fiainana izany μα(μ)μωνᾶς (mammôna). Tsy ho afaka ho tanjona na oviana na oviana ny harena. Ny Teny folo mitondra amin’ny fiainana natoron’YHWH ho an’ny vahoakany dia ny hitia an’Andriamanitra amin’ny “hery rehetra”, izany hoe miaraka amin’ny harena rehetra (Det 6, 5). Izay mankeny an-tsena hividy sakafo, mangalatra raha toa ka sady mitondra entana mody no mitondra ny volany koa mody. Mila mahafoy ny tsara mba hahazoana ny tsaratsara kokoa sy ny mahasoa.

Izay tsy mandamina ny fiainany dia mety hampifangaro ny zavatra antoky ny aina amin’izay tsy mahasoa akory. Tsy hoe afaka ny ho velona tsy hihinana ny olona, saingy raha toa ka manompo sampy izy, dia hanahaka ny sampy: tsy hahay hampiasa ny sainy, ny tanany, ny vavany sy ny aminy rehetra mba hamokarany ka hahavelona azy. Tsy hahay hanaja izay laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany ka hahavita zavatra hanimba na hamono ny ainy aza. Izay manompo an’Andriamanitra marina kosa dia hanao izay tratry ny ainy hanatsarana ny fiainana, hampivoarana ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, eny fa na dia hahafoizana ny harena rehetra aza izany. Izay manaiky entanin’ny Fanahy Masina dia hahay hanavaka ny zavatra sarobidy kokoa. Na ny razantsika aza, nanaiky ny fahendrena avy amin’ilay Zanahary an-tampon’ny loha, ka niaiky fa “aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”.

Md Paoly moa, manoratra ho an’i Timote, milaza mazava fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Tim 6, 10). Ny Ntaolo ihany koa nahatsapa fa ny fanompoana ny harena dia mampiròna amin’ny ratsy: “Ny fitiavam-bola no volombodin’ny mosavy”, hoy ny ohabolan’izy ireo. Saingy nampiany hoe “ny vola no hozatry ny fiainana”, ka “raha lany harena, lany haingo”. Fakam-panahy mandrakariva araka izany ny fahatahorana ho lany harena sy tsy hanana fidiram-bola azo antoka. Ny mamôna moa, araka ny lazain’ny mpandalina Baiboly sasany dia avy amin’ny ma’amon, izay mitody fototeny amin’ny amen, manambara fitokisana amin’ny harena. Izay mahazo ny hafatra lazain’ny Evanjely ihany araka izany no afaka hanao dingana lalindalina kokoa, ka hitoky amin’ny fitiavan’ilay mamelona ny voro-manidina (na dia tsy manao ny asa ataon’ny lehilahy mamboly, mioty sy manangona an-tsopitra aza), sy mampihaingo ny lisy eny an-tsaha mihoatra noho i Salômôna Mpanjaka teo amin’ny voninahiny (na tsy manao ny asa ataon’ny vehivavy amin’ny fanenomana sy fanjairana aza).

Ny voro-manidina anefa, tsy hoe voky tsy mihinana, hitantsika ny fody, misedra ny fandrika ataon’ny olona mba hihinanana voam-bary vitsivitsy. Tsy mihevitra ny mangalatra izy, satria zavaboarin’Andriamanitra tahaka ny ahitra rehetra ihany ho azy, na izay novolen’ny olombelona aza, misasatra ihany koa izy mba hisidina ho eny amin’ny toerana misy hanina, saingy tsy manahy kosa izay ho ampitso. 

Ho an’izay mino ka matoky ny fitiavan’ny Ray no afaka hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra. “sy ny fahamarinany”: τὴν δικαιοσύνην αὐτοῦ, ny αὐτοῦ  moa dia génitif masculin singulier avy amin’ny αὐτός,izany hoe ny fahamarinan’Andriamanitra izany: Izy izay tia ny zanany mihoatra ny zavaboary rehetra, araka ny ventesin’ny Salamo 8; Izy dia manao soa ho an’ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5, 45). Izany no fahamarinan’Andriamanitra tokony hokatsahintsika mialoha ny zavatra rehetra.  Ao amin’izany fanjakan’ny fitiavana izany no hahafahantsika mampiasa ny harena nomena antsika araka ny sitrapon’ilay nahary ny zavatra rehetra mba ho fiadanan’ny zanany rehetra.

Izay miaina am-pinoana no afaka hihira isan-kariva ny tononkiran’i Simeona (Lk 2, 29-32), tsy hiandry ny ampitso mba hiderana an’Andriamanitra, fa afaka mandeha am-piadanana satria ampy nanandramana izany fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany izany ny andro “anio”.

Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny faniriana hikatsaka izany fahamarinany izany.  

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-12 mandavantaona
PREVIOUS
Zoma faha-11 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia IV Paka
  • Talata IV Paka
  • Alatsinainy IV Paka
  • Sabotsy III ny Paka
  • Alarobia III Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia IV Paka 13 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.