Trinitera Malagasy
Hateloana hankalazana ny Paka: ny Triduum sacrum paschale.

Hateloana hankalazana ny Paka: ny Triduum sacrum paschale.

Njara Pascal

Ny Vavaka mitohy (Triduum) dia fanomanam-panahy amin’ny fotoan-dehibe iray no hiheverantsika araka ny mahazatra, tsy hangatahana fahasoavana anefa fa hankalazana ny fahasoavana efa azo, hahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mety lefy ho antsika olombelona. Ny hateloan’andron’ny Paka araka izany dia tsy fiomanana fa fankalazana mitohy  sy amin’ny fomba manetriketrika ny misterin’ny nahafatesana sy ny nitsanganan’i Kristy ho velona.

Ny Alakamisy Masina (Coena Domini), araka ny hamporisihin’ny Fiangonana, dia handinihana manokana ny Sakramentan’ny Eokaristia, ny Sakramentan’ny Filaharana ary ny fifankatiavan’ny Mpirahalahy amin’ny fifanompoana. Ny Dingana voalohany amin’ny hateloan’ny Paka ary, ialohavan’ny fanamasinana ny menaka masina (tsy tafiditra amin’ny Triduum, ary araka ny fandaharan’ny eveka azo atao amin’ny andro hafa), izay hoentina hanamasinana ny vahoaka kristianina (voahosotra), dia ny fahatsapana fa eo anivontsika i Kristy, Izy no mamory antsika, ny Eokaristia navelany ho antsika dia sakramentam-pitiavana ankalazaina ho fahatsiarovana Azy: izany no fanekem-pihavanana, nasiany tombon-kase tamin’ny Ra nalatsany mba hanaporofoany ny faratampon’ny fitiavana, nahafoy ny ainy ho antsika mpanota.

Mba hananantsika anjara amin’i Kristy, dia mila manaiky hosasàna tongotra isika. Ny fanekena hosasan’Andriamanitra tongotra dia mba hanalàna ny endrik’Andriamanitra mety ho diso ao an-tsaintsika, satria ny olona dia tsy afaka ny tsy hanahaka ny endrik’izay Andriamanitra tompoiny. Manaiky isika araka izany fa mila ny hafa, tsy amin’ny zavatra lehibe ihany, fa na amin’ny zavatra tsinontsinona heverina ho asan’ny mpanompo sy ny andevo aza. Manaiky fa tsy andriamanitra manandevo fa Andriamanitra mpanafaka ny Andriamanitsika, Andriamanitra mpanompo. Voaantso isika araka izany hanao toy ny nataon’i Jesoa : hanompo ny hafa, hanasa ny tongotry ny hafa (Jn 13, 1-15).

Tsy zavatra mandehandeha ho azy anefa izany sanatria. Fantatsika ny hasarotry ny fiaraha-miaina, na any an-tonkantrano, na any amin’ny fiombonam-piainana na any an-toeram-piasana, eny fa na dia ny aty am-piangonana aza. Angamba tsy mahazatra antsika loatra, saingy mila hizarantsika mandrakariva, ny hanontany tena hoe : “raha i Kristy no eto, inona no nataony!” Ny fahatsapantsika fa malemy isika, mora mivadika amin’ny teny nomena, no hamporisihana antsika “hiambina sy hivavaka” satria “marisika ny fanahy fa ny nofo no osa” (fiaretan-tory mivavaka sy “reposoire”)

Ny Zoma masina, handinihana ny fijalian’i Kristy, “androm-pisaorana” fa tsy androm-pisaonana. Ny fifadian-kanina sy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra (fahanginana) dia manampy antsika hahatsapa ny halehiben’ny fitiavana nasehon’i Kristy ho antsika, ka ho setrin’izany no hampipololotra ny vavaka ho an’izao tontolo izao (ranombavaky ny mpino). Andro hanombohana ny hasivian’andro amin’ny fitondrana am-bavaka ny sokajin’olona rehetra tahian’ny Famindrampon’Andriamanitra…

Tsy andro manjombona hisaonana loatra anefa, araka ny efa voalaza teo, ka afangaro amin’ny fandevenana (miakanjo mena ny mpisorona ny zoma masina) fa andro hilazana ny fandresena, andro hanavaozana ny finoantsika fa ny lakroà no lalana mitondra amin’ny fandresena. Impiry isika no mandini-tena ka tsy mahita valiny manoloana ny fijaliana mianjady amintsika na amin’ny havantsika… Indro i Kristy manoro antsika ny tena fiainana: tsy ny fandosirana ny fijaliana akory no hampisy hasiny ny fiainana fa ny fitiavana hatramin’ny fara-fofon’aina. Ny fitiavana no hitsarana antsika.

Ny Sabotsy masina, andro fahatelo kosa, no hankalazantsika ny ivon’ny taona litorjika: Paka, fandalovana. Tsy fandalovana vetivety any am-piangonana sanatria fa fandalovan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika ka hiampitantsika avy amin’ny fiainana andevozin’ny fahotana ho amin’ny fiainam-baovao ao Aminy. Ity andro ity no hahatsiarovan’ny Fiangonana an’i Jesoa nidina any amin’ny toeran’ny maty, tononina amin’ny fiekem-pinoana, hanamafisana ny maha-olombelona Azy (1 Kor 15, 3-4), fa koa hanavaozana ny fanantenan’ny olombelona fa na manoloana ny fahafatesana aza, manoloana ny voa nafafy ka maty, dia fiainam-baovao no andrasana am-pinoana ka hamelonana ny fanantenana vaovao.

Isika tsirairay avy ary no voaantso handinika manokana ny fiantsoana niantsoana antsika, ary handalina manokana ny maha-kristianina antsika, amin’ny fanahafantsika an’i Kristy. Mazàna manko, ny fahadalana sy ny fitiavan-tena narafitry ny tontolo manodidina no toa zary fahendrena entintsika miaina, ka ho zary fahazarana hanandevo ny marina ka hanesotra ny fitiavana ao am-pontsika. 

Isika rehetra no voaasa amin’ny Fanasan’ny Zanak’ondry : Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo… Samia misotro amin’ity ianareo. Saingy tsy isika rehetra no madio… Tsy misy mendrika handray an’i Kristy, saingy nomeny antsika kosa ny Fanahiny handio antsika amin’ny fahotana, “tsy mendrika isika fa kosa mila azy” (Curé d’Ars). Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy (Jn 15, 5).

Ny Sabotsy alina, miaraka amin’ny afo vao, dia porofointsika fa tsy maharesy ny hazavana ny haizina, na mikitroka toa inona aza, ary ny tantaran’ny Famonjena, tarafin’i Kristy mitsangana ho velona (Jiron’ny Paka, atao eo akaikin’ny Famakian-teny, Ambon) dia mahazo heviny vaovao, ary hanome hery ireo izay vonona hanavao ny Toky nomeny tamin’ny Batemy, ka hivelona amin’ny Teny sy ny Tenan’i Kristy.

Ireo tsy afaka manantona amin’ny latabatry ny Tompo kosa (izay mitoetra amin’ny toe-pahotana) tsy hoe voahilikilika tsy akory, fa tokony hivelona amin’ny faniriana tsara handray an’i Kristy, ary hivoky ny Teniny izay Kristy ihany koa, izay hanome azy ireo ny hery hoentina mandray fanapahan-kevitra hivoahana amin’ny toe-pahotana. Tokony hampandini-tena antsika mandray Azy koa izany, araka ny handidian’ny Fiangonana hanao komonio tsara amin’ny Paka, ka hahatsiarovantsika ireo zavatra telo lehibe hanomanana ny komonio tsara : 1- ny faniriana handray an’i Kristy, 2- ny Finoana fa i Kristy no ao amin’ny Eokaristia ary 3- ny fitiavana vokatry ny fiombonana aina amin’i Kristy. (jereo eto katesizy http://katolika.org/fandalinam-pinoana/sakramenta/manaova-komonio-tsara ).

[ny Taona 2020 dia tsy afaka ny hanatrika ireo fotoana ireo miaraka any am-Piangonana ny Kristianina, saingy tsy mahasakana kosa izany ny fiombonam-po sy fanahy amin’ireo Pretra manolotra ny Sorona sy ny Vavaka ho an’ny Vahoaka, fa indrindra indrindra koa, ny fotoana ananana hijanonana bebe kokoa ao an-trano dia hanampy ny tsirairay hiditra amin’ny misterin’ny Finoana, ka handinika sy haka fanapahan-kevitra amin’izay fomba fiainana vaovao tokony hiainana, aorian’izao sedra iaraha-mizaka mba ho soa ho an’ny olombelona rehetra izao.]

Mandresy isika miaraka amin’i Kristy. Tsy handresy ny namana mba hanjakazakana fa kosa handresy ny fahavalo, dia ny fahotana sy ny fahafatesana, handresy ny halavolo, handresy izay rehetra tsy mitondra amin’ny fahasambaran’ny tena sy ny hafa. Izany ihany no fandresena araka an’i Kristy.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy Masina
PREVIOUS
Alarobia Masina  
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.