Trinitera Malagasy
Alatsinainy IV Karemy

Alatsinainy IV Karemy

Njara Pascal
  • Vakiteny I : Izaia 65:17-21,
  • Salamo 30:2,4,5-6,11-12a,13b,
  • Evanjely :Md Joany 4:43-54,

Hanavao ny zavatra rehetra Andriamanitra. Lazain’Izaia mpaminany aloha fa hanao lalana vaovao any an’efitra Izy (“Eksaody vaovao”: Iz 43, 18ss), avy eo hanavao ireo izay navotany, hiantso azy ireo amin’ny anarana vaovao (Is 62, 2), ary amin’ny vakiteny anio dia hanavao mihitsy ny fonenan’izy ireo: hanao lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hohariana ho amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana. Hifaly amin’izay haoriny ny olona ary hihinana izay namboleny. Azontsika heverina araka izany ny lalana mitondra amin’ny fahafahana izay atoron’Andriamanitra antsika. Izay manaiky hanaraka izany lalana izany no hihavao, ho tonga olom-baovao (ao amin’i Kristy 2 Kor 5, 17), ary tsy ho faly hivelona amin’ny “mana milatsaka avy any an-danitra”  fotsiny fa hihazo ny tany vaovao ary hahay hiandry ny vokatry ny tany, na dia hatsembohana sy harerahana aza no hahazoana izany ka hihinana ny vokatry ny hasasarany. Tsy fanandevozana manko ny asa fa fanandratana ny maha-olombelona. Voaantso isika mba hamafy ka hisy ny hojinjaina. 

Ao amin’ny Evanjely dia tantarain’i Joany fa aorian’i Nikodema sy ilay Vehivavy samaritana dia indro ity manam-boninahitra iray tao Kafarnaoma ity no nanatona an’i Jesoa mba hizaha ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana izay, avy any Kafarnaoma mankany Kanà (26 km eo ho eo), lalana mitondra amin’ny hafalian’ny mpianakavy raha tahiny ka sitra na soa aman-tsara ny zanany (evanjely Alahady IV Taona D milaza ny fifalian’ny ray amin’ny fiverenan-janany, fa manambara koa ny hafalian’ny fampakarana). Ambaran’ny mpandalina baiboly maro fa ilay lazain’i Md Matio (8, 5-13) sy Md Lioka (Lk 7, 1-10) ihany ity manam-boninahitra ity (παῖς – pais – ampiasain’i Matio sy Lioka, nadika hoe ankizilahy manko dia azo andikana koa ny hoe zanaka υἱός  – Huios – teny ampiasain’i Joany). Izay finiavana ho any Kanà izay, hanovo rano ho amin’ny fiombonam-piainana amin’i Kristy no nampibebaka ity manamboninahitra ity sy ny fianakaviany manontolo, tahaka izay tantarain’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly (jereo ohatra Asa 10, 2; 11,14– Kornely; 16,15 – Lidia mpivaro-jaky; 16,31.34 – mpiambina ny tranomaizina; 18,8  – Krisposa lehiben’ny sinagoga). 

Antsoin’ny Eglizy ary isika amin’izao Karemy izao mba hiala amin’izay misy antsika (Kafarnaoma, “tananan’ny fanalana alahelo” saingy mampahatsiahy ankolaka ny fijaliana, ny matoanteny נָחַם naHam manko amin’ny nifal (temps)dia midika ihany koa hoe manenina, latsain’ny nenina) ka tsy mahasambatra antsika, handao ny ankizy marary mafy mba hanatona Azy any Kanà, any amin’ilay fampankaram-bady hampisotroany antsika ny Divay Vaovao, ka handraisantsika avy amin’ny herin’ny Teniny ny aina mamelona, ka ny finoantsika izany dia tsy ho amin’ity fiainana ity ihany, fa ho amin’ny fiainana mandrakizay mihitsy, tsy ho an’ny tena ihany fa ho an’ny ankohonana manontolo. Somambisamby ihany ny fampanantenan’i Izaia amin’ny hahalava andro iainana, hilazany fa maty tanora ny maty zato taona, satria ny mandrakizay no ampanantenain’Andriamanitra antsika ary efa nosantarin’i Jesoa tafatsangan-ko velona izany. Miezaka ho ela velona ny olona ankehitriny, hoy ny mpandinika iray, ka maro no mahatratra zato taona saingy tsy mahazo ny fiainana mandrakizay; tamin’ny fahagolantany anefa, betsaka ny maty tanora fa velona mandrakizay. Inona izay zato taona miohatra amin’ny mandrakizay!

Sambatra isika fa efa mino ka misantatra sahady izany fampanantenana ho velona mandrakizay izany. “Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba mety mino”. Mbola hitady famantarana sy fahagagana mihoatra ny faneken’i Kristy ho faty teo ambony hazofijaliana koa ve isika? Ny finoana marina dia tsy finoanoam-poana fa kosa fitokisana feno hanekena fa ny fanolorana ny tena manontolo ho sorom-pitiavana no mahafeno fatra ny fiainana. Izay mandray ny tenin’i Jesoa, izay manaiky ho any Kanà, hanambatra ny fiainany manontolo amin’ny Azy, dia manaiky koa hanolotra ny fianana ho an’ny hafa, hanao ny fiainana ho fitadiavana soa ho an’ny hafa. 

Hanaiky hovan’ny Teny koa anie isika ka ho vonona handao an’i Kafarnaoma mba hitady vonjy ho an’ny hafa ary hikely aina hampanjaka ny fitiavana mba hahatonga ity tany honenantsika ity ho lanitra vao, hamirapiratan’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana. 

Toriteny
karemy

Post navigation

NEXT
Misterin’ny fahatongavana ho nofo
PREVIOUS
Alahady faha-4 karemy Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.