Trinitera Malagasy
Alatsinainy fahatelo tsotra mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Hebrio 9, 15.24-28/Salamo 97/ 
  • Ankasa 2 Samoela 5, 1-7.10/Salamo 88
  •  Md Marka 3,22-30

Eo am-piandrasana ny havany ho tonga, satria nihevitra azy ho “very saina”, dia nanararaotra ny mpanora-dalàna nidina avy any Jerosalema hanome ny heviny mikasika an’i Jesoa. Samy nanonontany tena manko ny olona hoe “iza ity lehilahy ity”. Mazava ny valin-tenin’izy ireo: azon’i Belzeboba izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony. Mafy anefa ny valin-tenin’i Jesoa: hanam-pahotana mandrakizay izay miteny ratsy ny Fanahy Masina. 

[Belzeboba moa dia tsy noezahan’i Marka nolazaina. Beelzebul manko no tena izy, ilay Andriamanitra andriamanjaka noheverina fa nankalazain’ny Tany Kananana talohan’ny nahatongavan’ny Israelita tany Palestina. Beelzeboba (בַּעַל זְבוּב) manko andrian’ny lalimanga no dikany, hoentin’izy ireo hanesoana ny andriamanitry ny Tany Kananana (Jereo 2 Mpanjaka 1,2). Baal-Zebul: baal dia tompokely no dikany, io ilay mpandahatra ny fanasàna amin’ny fampankarana, sady ny matoanteny ba’al rahateo mampaka-bady no dikany.]

Mba hahazoantsika ny mety ho hevitr’izany dia tsara aloha ny mahalala fa tamin’izany andro izany, nisy fironana teo amin’Israely niheverana fa ny faharatsiana rehetra dia asan’ny demony izay mamitaka ny olona. Belzeboba no filohany ary manarakaraka azy ao ny arsi-demony (arché=filoha) enina izay mibaiko demony hafa koa. Noheverina fa fisehoan’ny faharatsian’ireo demony enina ireo ny herisetra, ny avonavona, ny fialonana, ny hakamoana sy ny fahavetavetana, dia avy eo ny faharatsiana hafa rehetra izay mahatonga aretina sy voina isan-karazany…

Izay no nahatonga an’i Jesoa namaly fa araka ny fomba fisainan’ireo mpanora-dalàna ireo dia tsy haharitra ny fanjakan’i satana satria hiady an-trano. Ny tafiky ny lanitra manko miady mba hananan’ny olona ny hafenoan’ny aina, ny an’i satana (adversaire, ny mpifanandrina) kosa miady mba handovàny ny fahafatesana. Noho izany, mazava ny valin-tenin’i Jesoa: mpiray antoka amin’ny demony izay manao zavatra hamotika ny aina na hanakana azy tsy hivelatra mba hahasambatra ny olona. Mpanompon’Andriamanitra mahatoky kosa izay manome hanina ny noana, mampisotro rano ny mangetaheta, ny mampitafy ny miboridana ary mamangy sy mampiantrano ny mahantra sy ny marary mbamin’ny tsy manan-kialofana.

Tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’ny mahery noho izy raha tsy afatony aloha ilay mahery izay vao robainy ny ao an-tranony. Raha misy, araka izany, mihevitra fa afaka mandroba ny fananan’Andriamanitra i Satana dia miaiky fa mahery noho Andriamanitra Izy. Isika kosa mino fa efa nandresy ny fahafatesana i Jesoa ary mandresy miaraka aminy isika. Mamelona ny fanantenana ao amintsika izany fa tsy haharesy na oviana na oviana i Satana, eny fa na dia mbola misy zanak’Andriamanitra aza mbola voagejany sy ampijaliany. 

Tsy ireo farisiana tamin’ny andron’i Jesoa ihany no manao tsipaky ny miala aina mba hanimba sy hanakana izay mitady hampanjaka ny rariny sy hampivelatra ny maha-olona. Matetika manko ny tena fivelaran’ny olona dia manala ny ampaham-pahefana hifikiran’ireo mitady voninahitra ho am’ny tenany ka  tsy mihevitra ny hanompo mba hiadanan’ny vahoaka fa ny mba hiantsoin’ny olona azy ho mpanao soa (Fetin’i Timote sy Tito: Lioka 22).

Dia inona ary araka izany fahotana miteny ratsy ny Fanahy Masina? 

Izay manalavitra an’i Jesoa ka tsy te handray ny Evanjeliny ho asan’ny Fanahy Masina; izay tsy mahita fa fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny fiainan’i Jesoa ka tsy mihevitra ny hampifanaraka ny fiainany amin’iznay modelim-piainana izany, dia tsy afaka ny hihaina ny fahasambarana. Ny Fanahy Masina manko no mamela heloka, avy amin’ny alalany no hahafahantsika ho tonga ho zanak’Andriamanitra. Ka raha fialonana no hanipahantsika ny soa ataony amin’ny alalan’ny mpianatr’i Kristy, dia hitoetra ao anatin’ny ota isika, ary ho tonga fandoto, ho zary sakana amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy any amin’ny fiainan-ko avy ihany izany fa efa afobe sahady dia ny mbola ety an-tany. 

Ny Fanahy Masina masina no manavao ny endriky ny tany (Salamo 104, 30). Raha sanatria araka izany isika mihevitra fa miha-ratsy izao tontolo izao, dia ny Fanahy Masina no lazaintsika fa tsy mahavita ny asany. Ny Mpianatra manko, raha ny marina, dia irahin’i Jesoa “hijinja” ny vokatry ny Fanahy (Jn 4, 38), saingy satrintsika hijinja ny vokatry ny asantsika mba hitadiavana voninahitra ho an’ny tena. 

Angatahontsika ary ny Fanahy mba tsy ho sanatria isika no hanohitra ny asa fandavorariana tanterahiny eto amin’izao tontolo izao. Italahoantsika Izy Ray mba handefa ny Fanahiny hanavao ny endriky ny tany (Salamo 104) ary hamongotra ao am-pontsika izay mety ho fialonana na avonavona mety hahatonga antsika ho fanetry, ka tsy hahafahana miditra amin’ny hafenoan’ny Fiainana mandrakizay. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata fahatelo tsotra mandavantaona
PREVIOUS
Sabotsy faharoa mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.