Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-20 mandavantaona

Alatsinainy faha-20 mandavantaona

Njara Pascal Comments 0 Comment

Ezekiela 24, 15-24/Det 32, 18-21
Mpitsara 2, 11-19/Salamo 105
Md Matio 19, 16-22

Mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra dia hanana rakitra any an-danitra ianao. Izany no lalam-pahalavorariana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay atoron’i Jesoa antsika. Izay te ho zanaka marina manko, ka afaka mandova ny Fianana dia tsy afaka ny tsy hizara amin’ny rahalahy ny anjara lova, tsy any an-koatra ihany fa dia ny ety an-tany koa. 

Ny firaiketam-po amin’ny harena mandalo anefa mamitaka, mangeja ny Teny ka tsy hahafahany mamokatra (Mt 13, 22). Lazain’i Paoly aza moa fa ny fitsiriritana harena sy ny fitiavam-bola no loharanon’ny ratsy rehetra (1Tm 6, 10). Sarotra ny manesotra ny fo amin’izay iraiketany, izany no mila itandremana sao miraikitra amin’ny zava-mandalo ny fontsika ka tsy hahafoy izany mba higohana ny hamamin’ny mandrakizay. 

Ny didy asain’i Jesoa tandremana dia tsy inona fa torolalana hahafahana mizotra araka ny lalàn’Andriamanitra, mizotra mankany amin’ny fahasambarana nampanantenainy. Fitiavana no famintinana ireo. Ny fitiavana no mampisy heviny ny fiainana; izay ataontsika amin’ny hafa maimaim-poana no rakitra tsy tontan’ny ela ho antsika any an-danitra. Raha tiantsika ny ho lavorary, ny teny grika moa τέλειος (teleios), dia midika hoe ho tojo amin’ny farany, dia tsy tokony hitahiry sy hiahy ho an’ny ampitso isika fa hizara ny fananana manontolo ho an’ny hafa. Ny fitiavan-tena dia mampitokana amin’ny rahalahy ary mampanalavitra antsika kosa amin’ny fitokisana amin’ny Ray izay mitsinjo ny zanany rehetra. 

Ny hambom-po sy ny hafanam-po toa afo-mololo dia mety ho lefy vetivety. Mety ho fitia te hisehoseho fotsiny manko, na mety ho ny tahotra no hanarahantsika ny Didy. Ny fahaizana mizara ny fananana ho an’ny hafa kosa ka hampisokatra ny fo ho afaka hanaraka an’i Jesoa dia lalana mitondra antsika amin’ny tanjona irina: ny fiainana mandrakizay. Tsy ny rehetra anefa no afaka hahazo izany teny izany. 

Angatahontsika ny fahasoavana mba tsy hiverenantsika any an-trano amin-kalahelo fa kosa amin-kafaliana, satria efa nahita ilay rakitra nafenina isika, efa nahita ny voahangy sarobidy ka tsy misalasala mahafoy izay hananana mba hahazoana ny mandrakizay. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-20 mandavantaona
PREVIOUS
Alahady faha-20 mandavan-taona

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.