Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-19 mandavan-taona

Alatsinainy faha-19 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Ezekiela 1,2-5.24-28d/Salamo 148
  • Tsy ankasa: Deoterônômy 10,12-22 /Salamo 147
  • Md Matio 17,22-26

[Ny andininy faha-21 amin’ity toko ity moa dia lazain’ny mpandalina fa tsy nisy tao amin’ny Evanjelin’i Md Matio fa ny mpandika soratra (copistes) no nampiditra azy, avy amin’ny fitantaran’i Md Marka. Ny Evanjely vakiana amin’ny Sorona Masina rahateo dia manomboka amin’ny andininy faha-22 mitantara ny fanambaran’i Jesoa (2°) ny hijaliany.]

Eny am-pitetezana an’i Galilea no hanambaran’i Jesoa fanindroany amin’ny mpianany ny hanolorana ny zanak’olona eo am-pelatanan’ny olombelona, hovonoina fa hatsangan-ko velona (ἐγερθήσεται, – egerthèsetai: indicatif futur passif de ἐγείρω – egeirô). Avy any Sezarean’i Filipo Izy sy ny Mpianatra (Mt 16,13), fa nolazain’i Jesoa fa tsy maintsy hiakatra ho any Jerosalema ka hampijalian’ny Loholona sy ny Lohandohan’ny Mpisorona (Mt 16,21), taorian’ny fiovana tarehy teny an-tendrombohitra avo (Mt 17,1) dia mitety an’i Galilea, ny moron’ny farihin’i Genesareta izay niantsoany ny mpianany (Mt 4,18), fa anirahany azy ireo koa ho Eglizy  hitory ny Evanjely (Mt 28,16).

Eto dia voalaza fa atolotra ny Zanak’olona. Iza no manolotra Azy? I Jodasy ve? Ny lohandohan’ny mpisorona ve? Ny “passive divine” moa dia entina ilazana ny asan’Andriamanitra, ka ny Rainy izany no manolotra Azy antsika, ary Izy kosa no manolotra ny tenany ho fanehoana ny voninahitr’Izy Ray sy ny fitiavany ny olombelona. Izy manolotra ny tenany no hovonoin’ny olona, fa tsy matahotra ho faty kosa ny tsara, satria mino fa handresy mandrakariva ny hazavana. Izany no lalan’ny fitsanganan-ko velona.

Nony tafaverina tao Kafarnaôma moa izy ireo dia ny amin’ny adidy tokony ataon’ny kristianina indray no resahan’ny Evanjely: ny dragma roa (δίδραχμον – didrachmon, karama roa andro) tokony haloa isan-taona ho avotr’aina ho an’izay feno roapolo taona, araka ny Boky Eksaody (Eks 30,11-16), hanohanana ny fanompoana ao an-tempolin’Andriamanitra, araka ny Bokin’i Nehemia (Ne 10,33). Tokony handoa hetra ve ny kristianina? Ny valin-teny eto dia mazava: tsy ho avy amin’ny kristianina na oviana na oviana no hiavian’ny fanafintohinana.

Tsy sanatria ny fanekena izay drafitra apetraky ny mpitondra no hanafoana na hanesotra ny fahafahana amin’ny maha zanaka. Ambaran’i Jesoa mazava fa “ny marina no maha olon’afaka” (Jo 8,32) ka tsy amin’ny tsy fanarahan-dalàna no heverina hanorenana fiaraha-monina tsaratsara kokoa. Ny hetra dia natao hampandehanan-draharaha, ka ny mety ho fanodikodinam-bola ataon’izay mitantana azy dia tsy tokony ho antony hanapahan-kevitra tsy hanao adidy. Mbola tolona hafa kosa no atao ho amin’ny fampanjakana ny fahamarinana.

I Piera nandeha hisedra indray ny ranomasina mba hanjono no hahazo trondro iray, misy vola tokana (στατήρ – statèr), handoavany ny anjara hetrany sy ny anjaran’i Jesoa. Natao hanafaka sy hahasambatra ny lalàna rehetra ka izay mety hapetraky ny lamina hampandehanan-draharaha dia tokony hohajaina. Tsy sanatria ny mpianatr’i Kristy no hivelona amin’ny hosoka sy ny risoriso.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-19 mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady faha-19 mandavan-taona Taona B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona
  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy voalohany mandavan-taona 16 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.